· Janoary, 2009

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Janoary, 2009

Costa Rica: Nampihitsoka ny olom-pirenena sy ny mpitsidika ny Horohorontany 6.2

  31 Janoary 2009

Nipaka tao am-pon'ny Costa Rica ny Horohoron-tany 6.2, izay nanana ivo-kotroka (epicentre) 35Km fotsiny tao Vara Blanca. Miala amin'ny renivohitry San Jose. Tao amin'ny lemaka afovoany, dia nahitana fahavakisana sy entana ravarava niparitaka eny amin'ny talatalana, na dia izany aza, dia ny toe-javatra manakaiky ny ivo-kotroka no tena lasibatra, tahaka izany koa ireo tendrombohitra an-dafin-toerana nianjera ary ireo fihotsahan'ny tany noho ny dibo-drano. Azo fantarina aloha ny mety iharan'ny loza, fa hatreto kosa dia 3 no voamarina fa maty.

Bolivia: Mifampitana @ Tazo Dengy

  24 Janoary 2009

Nandrava ny fambolena sy ny tranon'olo-tsotra noho ny fiakaran'ny rano ny fiavian'ny orana any amin'ny faritra atsinanan'i Bolivia. Etsy ankilan'izany dia mamorona toeram-pitomboan'ny moka mpampiely ny tazon'ny dengue io orana io. Ao anatin'ny fambaran'aretina ny aretin'andoha ny hozatra ary ny ratsam-batana. Fa misy ihany koa ny soritr'aretina izay henjakenjana kokoa...

Maraoka: Firenena nisara-kevitra noho i Gaza

  17 Janoary 2009

Ary satria moa mivory any Doha ny mpitarika Arabo, dia lasalasa saina ihany izao tontolo izao te-hahalala hoe amin'ny fomba ahoana moa ahafahan'izy ireo mampitsahatra ny fifanandrinana misy any Gaza. Omaly no nipoaka ny vaovao fa tsy ho any Doha na fihaonana an-tampony hafa ny mpanjakan'i Maraoka Mohammed VI, satria...

Espaina: Mpiara-miasa amin'ny GV Lingua voafantina

  14 Janoary 2009

Maro amin'ireo vohikala Global Voices Lingua na Global Voices voadika amin'ny teny hafa no miara-miasa amin'ny vohikalana mpampita vaovao hafa hifanakalo RSS amin'ny lohateny mba hahazoany mpamaky bebe kokoa amin'ny fiteny samihafa. Vao haingana teo koa dia nanangana izay fiaraha-miasa izay ny Global Voices amin'ny teny Espaniola sy ny Periodismo Ciudadano, izay voafantina ho "Tetikasa aterineto tsara indrindra" ao amin'ny fifaninanana Las Mejores Miradas izay tohanan'ny fahitalavitra Espaniola.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es