Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Jolay, 2013
LAHATSARY: ‘Miditra Demokrasia an-tSokosoko’ ao Loja, Ekoatera
Ao Loja, mampiasa tambajotra sosialy hanomezana tolo-kevitra hanatsarana ny tanàna ireo olom-pirenena. Nanatontosa lahatsary hiresahan'izy ireo momba ny asany ny fikambanana Loja es Más.
Vavahady Ampiasan'i Etazonia Hitsikilovana Ny Firenena Amerika Latina i Poerto Riko
Inona no ampamoaka nolazain'i Edward Snowden mikasika ny andraikitry Poerto Riko amin'ny programam-pitsikilovan'ny NSA? Manambara antsika momba izany ny mpanoratra Angel Carrión.
Radio Vieques: Hitsaboana Ny Nosy Poerto Rikana Taorian'ny Fizàrana Daroka Baomba
Nijaly nandritra ny 60 taona mahery ny nosy Vieques nohon'ny fampiasana azy ho tobi-tafika an-dranomasina Amerikana sy faritra nanaovana fanazarana fidarohana baomba
Facepopular, Tambajotra Sosialy “Malaza” Vita Arzantina
Namorona ny Facepopular ireo mpikatroka ara-politika Arzantina, tambajotra sosialy sokajiana ho "malaza sy Amerika Latina". Tao anatin'ny volana vitsy nampahafantarana azy, efa nahazo mpiserasera maherin'ny 24.000 sahady ny tambajotra.
Mpilatsaka An-tsitrapo Espaniola Roa Navotsotra Rehefa Notànana Nandritra Ny 21 Volana
Niasa tamin'ny fananganana hopitaly ao Dadaab, tobim-pialokalofana midadasika indrindra manerantany ao Kenya i Montserrat Serra sy Blanca. Fantatra fa nalaina tao Somalia ireto mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ireto rehefa avy nisy naka an-keriny
Nahetsiky ny Fitroaran'ny Mpianatra i Chili
Nihaona tamin'i Pablo Loyola ao amin'nu Chile Movilizado, fitaovana famantarana toerana hanomezam-baovao momba ny hetsiky ny mpianatra shiliana i Elisa Moreno Gili ao amin'ny Periodismo Ciudadano.
Mpanakanto Iray Avy Ao Pôrtô Rikô Mizara Ny Fitiavany Taratasy
Mampiasa ny tambajotra sosialy ny mpanakanto iray ao Pôrto Rikô, Aydasara Ortega, ho sehatra iray hanaparitahany ny teny momba ny "Toque de Queda," hetsika ara-kanto izay mifantoka amin'ny fikarakarana atrikasa momba ny fanamboarana taratasy vita tànana.
Fandavana Tsy Hitondra Fanjakana Intsony: Taorian'i Pays-bàs Sy Belzika, Ho i Espaina Ve Ny Manaraka?
Ny fialan'ireo mpanjaka Eropeana roa tanatin'ny volana vitsy monja dia nahatonga ny vahoaka Espaniola haminavina ny mety hialàn'ny mpanjaka Juan Carlos ho an'ny zanany lahy Felipe. Etsy an-daniny, ny vahoaka Belza kosa miomana handray mpanjaka vaovao izay olom-bitsy ihany no matoky azy.
Notsipahin'ny «E-Kristianina» Ilay Ambasadera Amerikana Vaovao Ho An'i Espaina Satria Pelaka
Nivoaka ny anaran'ny ambasadera Amerikana ao Espaina: James Costos. Toetra sy endrika telo no ahafantarana ity ambasadera vaovao, manana diplaoma momba ny siansa politika ity: tompon'andraikitra ambony ao amin'ny orinasa mpamokatra fahitalavitra HBO izy, mpiaro mafanà fo ireo biby – ary mpikambana ao amin'ny HSUS, fikambanana manameloka ny halozàna atao...
Avoakan'ny Anonymous Ireo Kaontin'ny Antoko Mitondra Ao Espaina
Fikambanan'ireo 'hactivistes' manerantany ny Anonymous izay namoaka ny kaontim-bola nandritra ny taona 1990-2011 an'ny Partido Popular (PP)[People's Party], antoko ao amin'ny fitondrana.