Miteraka Fironana Ao Arzantina Ny Fampakarambady Sandoka

Imagen de Flickr del usuario Yon Garin (CC BY-NC-ND 2.0).

Seho fahita amin'ny fampakarambady mahazatra any Arzantina. Sary: Flickr / Yon Garin CC 2.0.

Amin'izao fotoana izao, betsaka ireo olon-droa misafidy ny hiaina nefa tsy mandalo amin'ny fisoratam-panambadiana araka ny lalàna. Vokany, lasa tsy dia hita firy ny lanonana fankalazàna fampakarambady ary, vokatr'izany, maro ny olona—indrindra fa ireo taranaka tanora aty aoriana—no tsy nahavita nanatrika fampakarambady iray na nankalaza izany akory.

Tamin'ny fieritreretana io toe-draharaha io tao an-tsainy, dia mpinamana dimy avy ao an-tanànan'i La Plata, renivohitry ny faritany Arzantina Buenos Aires, no nikarakara sarintsarnà fampakarambady nanasàna olona 300, lanonana ahitàna ireo karazana fombafomba rehetra nalaza: ireo mpvady vao, ny fomba fitafy mifanaraka amin'izay takiana rehefa fampakarambady, ny sakafo sy zavapisotro maimaimpoana, ny DJ, ny mozika iangaliana mivantana, ary ny zavatra hafa. Nasaina nandoa saram-pidirana ireo ‘mpanjifa’ hahafahany miditra hanatrika ilay lanonana fankalazàna.

Tao amin'ny Facebook, ny pejy Falsa Boda (“Fampakarambady Sandoka”), nomena ny lohateny hoe “ny fialamboly mahafinaritra indrindra teto an-tany,” dia mamaritra ny momba azy ho:

Falsa Boda es un evento social para aquellas personas entre 23 y 35 que tienen ganas de compartir con amigos una Gran Boda. Surge bajo la necesidad de un grupo de amigos de tener una boda juntos, en un contexto en el que la gente no se casa tanto como antes y, si lo hace, es difícil que concurra todo la gente que a uno realmente le gustaría que esté…
Cansados de esperar, decidimos crear una Falsa Boda…
Evento donde se respetan muchos de los típicos rituales (barra libre, novios, ramo, torta, baile, recepción, mesa dulce, final de fiesta, etc.) en un ambiente joven y en la parte más divertida en este tipo de eventos, la que se da después de las 12.

Ny Fake Wedding dia hetsika sosialy ho an'ireo olona eo anelanelan'ny 25 sy 35 taona, izay maniry ny hifampizara Fampakarambady Goavana amin'ny nàmany. Filàna tamin'ny andiana mpinamana iray mba hiainana miaraka ny fampakarambady no niaingàny, tao anatinà vanim-potoana izay tsy anaovan'ny olona fampakarambady intsony, na raha manao aza ry zareo, dia sarotra ho azy ny hanasa ireo olona rehetra iriany hanatrika izany…

Leon'ny niandry izahay ka nanapaka hevitra hamorona ny Fampakarambady Sandoka…
Hetsika izay ahitàna ny karazana fombafomba rehetra (toerana fisotroana maimaimpoana, ravehivavy ampakarina sy ralehilahy mpampakatra, fehezam-boninkazo, ny mofomamy, dihy, fandraisana, sakafo matsiro, ny fiafaràn'ny lanonana, sns…), voahodidin'ny tontolo tanora sy ao anatin'ny fialamboly mahafinaritra indrindra amin'ity karazana hetsika ity, izay atao aorian'ny misasakalina.

Martín Acerbi, iray amin'ireo mpanorina ny fampakarambady sandoka, dia miteny toy izao momba ilay trangan-javatra :

Parte del “enganche” de estos eventos, según cuentan sus adeptos, es justamente la historia falsa que se crea para justificar la boda.
“Antes de cada fiesta publicamos un video en el que los supuestos novios –que son actores contratados- cuentan sobre su historia de amor e invitan al casamiento”.

Ampahany amin'ny “antso” ataon'itony hetsika itony, araka izay nozarain'ireo mpanohana azy, dia ny lafika tsehatra sandoka noforonina mba hanamarinana ilay fampakarambady. “Mialoha ny lanonana tsirairay, dia mandefa lahatsary iray izahay, izay ao no izaràn'ireo vehivavy sy lehilahy hifampakatra—samy mpisehatra nokaramaina avokoa—ny tantaram-pitiavan-dry zareo sy hanasàny ny olona hanatrika ilay fambakarambady.”

Tena nahomby tokoa ilay hevitra ka na tany Maosko aza dia nisy ihany koa “fampakarambady Sandoka” iray nokarakaraina :

Esta fiesta temática ya es de exportación. La tercera edición cruzó las fronteras para llegar a Rusia. “La idea circuló de boca en boca y la hermana de uno de nosotros lo contó en Moscú, donde realiza performances de tango. El productor que recibió el comentario aceptó el desafío de hacer una Falsa Boda en su ciudad, por lo que viajamos hasta allá para realizar una ‘Fake Wedding’, que salió muy bien”, asegura Martín [Acerbi].

Kalitao fanondrana ity lanonana manaraka lohahevitra ity. Niampita sisintany ny andiany fahatelo ary dia tonga tany Rosia. “Naparitaky ny teny miampita sy ny anabavin'ny iray aminay niresaka momba azy io taty Maosko ilay hevitra, toerana izay anaovany fampisehoana ny dihy tango. Neken'ilay mpamokatra nandre azy  ny fanehoankevitra ny hanao fanamby hikarakara fampakarambady sandoka ao an-tanànany, araka izany dia nizoranay ny làlana rehetra hikarakaràna “Fampakarambady Sandoka” iray, izay tafita soa aman-tsara.

Ao amin'ny Twitter, mandefa filazàna fampakarambady ny Fake Wedding, anasàny ny tsirairay izay liana hanotrona ilay lanonana fialamboly:

Fampakarambady Sandoka manaraka ao La Plata ny 17 Oktobra, ho tara ve ianao?  Ho avy tsy ho ela, lazainay anareo hoe aiza ny toerana hanaovana azy…

Ao an-tanànan'i Bahia Blanca – Ao Bahia, olana iray ve sa fotoana iray fanararaotra ho an'i Lobo? Ahoana no hilazàny amin'ireo nàmany?! Miala any ny fampakarambady sandoka iray…

Ho an'ny andian-taranaka izay mihavitsy dia vitsy ny manao fampakarambady, safidy iray hiainana izany karazana hetsika izany ny fampakarambady sandoka.

Misy mihitsy ireo lehilahy sasany manolo-tena ho “ralehilahy mpampakatra”:

Izao mihitsy no zavatra tadiaviko, ny ho mpampakatra ao anatinà fampakarambady sandoka iray.

Ao Però, iray amin'ireo mpampiasa Twitter no mihevitra ny fampakarambady sandoka ho zavatra tsara ho azy tenany:

Hitako ny vahaolana ho an'ny olako!! Satria tsy misy amin'ireo namako mba manasa ahy hanotrona ny fampakarany vady, dia hanatrika fampakarambady sandoka aho!!

Ao anatin'izao fivahinianany any an-tanin'ny fampakarambady sandoka izao, irian'ny rehetra ny mba hahitàn'i Rodrigo ny tena atao hoe namana manana toe-tsaina maneho fomba fandray manintona kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.