Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Janoary, 2021
2020, nakaton'i Arzantina tamin'ny latsabato manan-tantara naneken'ireo Loholona ny fanalànjaza.
"Nifoha aho ary dia Arzantina malalaka kokoa sy feminista no hitako. Tsy hisy intsony na iray aza hoterena indray hiteraka. Toerana azo antoka ho an'ny vehivavy rehetra i Arzantina."
Arzatina : Raikitra indray ny fitakiana hanaovana ny fanalànjaza ho ara-dalàna, miaraka amin'ny fanantenana vao
(Martsa 2020) Taorian'ireo fanantenana diso tamin'ny 2018 sy 2019, niverina indray ny tolona hanaovana ho ara-dalàna ny fanalàna zaza ao Arzantina, ary mifandamina ireo firaisankina erantany.
Kiobà, Etazonia: Manitatra ny sampan'oliva ?
Nanambara fanovana lehibe tamin'ny politikan'i Etazonia sasany ny fitondran'i Obama, natao “hanoloran-tanana ny vahoaka Kiobana hanohanana ny fanirian'izy ireo hamaritra malalaka ny hoavin'ny fireneny.” Na dia nanala ny famerana tamin'ny fivezivezena sy ny fandefasana vola aza ny fiovan'ny politika ary nanokatra làlana ho an'ny fanatsarana ny fifandraisan-davitra bebe kokoa tao amin'ny nosy dia misy ny bilaogera sasany manahy fa tsy lasa lavitra loatra io fepetra io....