Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Janoary, 2016
Aza Voafitaka. Fomba Nentin-Drazana Ekoatoriana Efa Ela Ny Satroka Panamà
Aza avela mahafanina anao ny anarana: avy any Ekoatora ny satroka Panamà, ary fomba nentim-paharazana sy loharanonà rehareha ho an'ireo mponina ambanivohitra mpanamboatra azy ny asa tànana fanamboarana azy.
Vondrona Amerikana Latina Mpisolovava Sy Mpanao Gazety, Nahazo Ny Lokan'ny Fahalalahana Maneho Hevitra Nomen'ny “Index on Censorship” – Tondro Momba Ny Sivana
Ao anatin'ireo mpifaninana Amerikana Latina amin'ny Lokan'ny Fahalalahana Miteny 2016 omen'ny Index on Censhorship ny Méxicoleaks sy ny Fundamedios avy ao Ekoatora, izay misy olon-tsotra sy vondrona 100 avy aminà firenena 53.
Sivy Taona Nanoherana Ny Famoretan'ny Polisy Ao Arzantina
Nandritra ny sivy taona, Arzantinina an-jatony avy ao amin'ny faritany Cordoba no nanatevin-daharana ny "Diaben'ny Kasikety" -- hetsika fanao isan-taona hanoherana ny fihoaram-pefin'ny polisy izay mialokaloka amina lalàna mampiadi-hevitra.
Ny Tsikaiky Shiliana, Otrikaretina Tsy Azo Ivalozana Ho An'i Amerika Latina
Eo an-dalam-pahitana ny zavatra azon'ny aterineto atolotra amin'ny resaka fanelezana ny fomba fanehoana ara-javakanto ireo tanora Latino-Amerikàna, hita amin'izany indrindra indrindra ny resaka mampihomehy, mahatsikaiky. Mihomeheza miaraka amin'ireo lahatsarin'ny Laf.
Nalain'ny Governemantan'i Ekoatora Ireo Fitaovan'ny Fantsom-pahitalavitra, Namela Azy io Tsy Ho Afaka Nandeha
Milaza ny tompon'ilay fantsom-pahitalavitra malaza Ekoatoriana izay tsy nandeha intsony taorian'ny fakàn'ny polisy ny fitaovany fa natao iny hetsika iny noho ny tatitra nalefa teo amin'ilay fahitalavitra.
Mpianatra Iray Mandalo Firenena Roa Isan'Andro Rehefa Hamonjy Sekoly
Ao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa ao Etazonia, miampita sisintany ao Meksika avokoa ny 70 isan-jaton'ny mpianatra rehefa hamonjy sekoly isan'andro . Fivezivezena lavitry ny mahazatra izany.
Toy Izao Ny Endriny Rehefa Midina Ao Però Ireo Vorona An'arivony Mpifindra Monina
"Tsy avy any Pero no fiavian'ny mouettes de Franklin, fa nozanahantsika Peroviana sahala ny antsika io satria mitsidika antsika foana nandritra ny anjato taonany rehefa lohataona sy fahavaratra."
Mendrika Hasongadina Ireo Niharan-doza Noho Ny Ady Atao Amin'ny Zava-mahadomelina Ao Meksika, Fa Tsy Ry El Chapo Sy Sean Penn
"rehefa fantatra ny anaran'ireo maty novonoina, rehefa heno ny tantaran'ny fijalian-dry zareo, ary ampitomboin'ireo olona an'arivony, amin'izay ihany ny olona any rehetra any vao hikiaka hiantso fampitsaharana ny ady."
Voasambotr'i Meksika Indray i El Chapo Guzmán. Nefa Iraka Tontosa Ve Izany?
"Ny filazàn'ny Filoha Enrique Pena Nieto hoe "iraka tontosa" dia azo itokiana ho toy ny filazàn'i George Bush azy momba an'i Iràka. Samy kidaladala."
Rosca de Reyes: Mihoatra Noho Ny Mofomamy Iray Ho An'ireo Mpanjaka Telo
Nandray ny Día de Los Reyes ho zava-dehibe ny Meksikana, sady namadika an'io ho sahala amin'ny fety fankalazana eo anivon'ny mpianakavy sy ireo namana akaiky. Ivon'ny fety ny mofomamy mafilotra.