Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Avrily, 2016
Tsidiho Ny Ranty Virtoalin'ny Firavaka Noraofina Tany Amin'ny Fianakaviana Mpanao Didy Jadona Tao Filipina Teo Aloha
Ireo harena be loatra sy tafahoatra ireo no tsiahy azo tsapain-tanana amin'ny famitahana ratsy sy ny fandrobana ary ny jadona nandritra ny Lalàna Miaramila.
Misarika Ny Saina Ho Amin'ny Haintany Ratsy indrindra Tao Anatin'ny Tantara Vao Haingana Tao Lesotho Ny Fibitsihana Mivantana Tanaty Twitter
"Miharatsy tanteraka ny olana, ka tokony hiatrika izany amin'ny vahaolana maharitra isika, fa tsy hoe fanampiana ara-tsakafo fotsiny."
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Laharam-pahamehana, Misy Vonona?
Mitondra anao any Shina, Meksika, Jamaika, Makedonia sy Oganda izahay amin'ity herinandro ity, miresaka tamin'i Prudence Nyamishana izahay mikasika ny antony mahatonga ny Ogandey tezitra amin'ny laharam-pahamehan'ny governemanta.
Hanery Ny ‘Bilaogy Ara-Politika’ sy ny Tranonkalam-baovao Hisoratra Anarana Amin'ny Fanjakana i Malayzia
Niampanga ny tolo-dalàna ho famerana ny fahalalahana maneho hevitra ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpiaro ny fahalalahan'ny media, milaza fa mamadika ny fampanantenana teo aloha nambaran'ny governemanta fa hampiroborobo ny fahalalahan'ny aterineto ny zava-misy.
Kamerone 5 Mpanao Gazety Mpikirakira Angon-drakitra, Manao ny Tombana Ankapobeny Momba ireo Governemanta 33 -n'i Paul Biya
Tetikasa iray momba ny Asa Fanaovanana Gazety Mikirakira Angondrakitra nandritra ireo governemanta samihafan'i Paul Biya tao Kamerona.
Lolofotsy Avy Any Nepal Mizara Hafatra Fanantenana Sy Fiovàna Sosialy Manerana Ny Tany
Matetika dia ireo mpanamory ara-barotra no miteny hoe , "Misaotra anao niaraka nisidina taminay." Fa na rahoviana na rahoviana aho no mifanena amin'izy ireny, izaho no miteny, "Misaotra anao niaraka nisidina tamiko!"
Angamba Tsy Tokony Hihomehy An'ilay Lahatsary Malaza An'ilay Zazalahy Kely Shinoa Niaro Ny Renibeny Ianao
" Raha ny fianakavianareo no halaim-baraka sy vonoina, dia tsy hitsangana ve ianareo hamonjy azy? Tsy haiko izay mampihomehy anareo eo."
Iraniana Fizisiana Nofonjaina Fa Tsy Nandà Tsy Hiasa Amin'ny Nukes, Maty Tany Am-ponja
Nandritry ny fotoana fohy, ny 21 Aprily, nikisaka ho any amin'ilay fizisiana nandany ny dimy taona farany tany am-ponja noho ny nandàvany tsy hiasa ho an'ny fandaharanasa Iraniàna momba ny nokleary, ny sain'izao tontolo izao
Ahoana Raha Ny Media Afrikana No Mitatitra Ny Fifidianana Ao Etazonia Tahaka ny Fomba Fitateran'ny Media Tandrefana An'i Afrika?
"Mitombo ao amin'ny fitondrana Obama ny teritery mba hanaiky ireo mpanaramaso sy mpampandry tany iraisampirenena taorian'ny fampielezan-kevi-pifidianana voaloton'ny herisetra ara-poko tao amin'ny firenena Amerikana avaratra anjakan'ny korontana.."
Bolongan-drahona Toy Ny Balonina Mahagaga Manemitra Ny Lanitr'i Kathmandou
"Tontolon-drahona tsy mampino tena nanintona ahy tahaka ny aingam-panahin'ny mpanakanto saro-takarina. Mbola tsy fahitako teo amin'ny fiainako."