Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Mey, 2014
Ry Mpiserasera Rosiana, Manara-maso Ny Karatra Nomerika Solom-bolanao i Putin
Nosavain'ny Komity mpanao famotorana ny biraon'ny Yandex.Money, fitaovana malaza solom-bola miara-miasa amina orinasan'ny mili-pikarohana goavana ao Rosia,
Inona No Tadiavinao? Fiantsoana Hitokona Eo Amin'ny Sukiya, Tambajotra Japoney Mpamatsy Sakafo Vita Haingana
Tena nitokona marina ve ireo mpiasa ao amin'ny Sukiya, ilay tambajotra mpamatsy sakafo vita haingana, malaza amin'ny hena omby sy vary "gyūdon" amin'ny vidiny $3 ?
Fanamby : Nanala Ny Voaliny Ny Vehivavy Iraniana
Nanao fanamby nanala ny voaliny daholo ireo vehivavy Iraniana mpikatroka mafàna fo mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny vehivavy. Jereo hoe ahoana ny nandikàn'izy ireo ny lalàna sy ny niatrehany ary nandefasany ny sariny tao amin'ny aterineto.
Governora Okrainiana Nohorakorahan'ny Vahoaka Nandritra Ny Kabary Fankalazana Ny Androm-Pandresena
Amin'ny andro iray fiatoana hanomezana voninahitra ireo an'aliny izay niady sy nanao sorona ny tenany mba hoe hitehirizana ny Firaisana Sovietika, dia izao izany, Odarchenko nanome fanafintohinana ny vahoaka tamin'ny alàlan'ny fanamarihany.
Manindry Mafy ny WeChat Sy ny Fampihatra Hafa Fizarana Hafatra Eo Noho Eo i Shina
Manenjika ireo sehatra fandefasan-kafatra tonga eo noho eo i Shina mialoha ny tsingerintaona faha-25 ny fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia notontosaina teo amin'ny kianjan'i Tiananmen.
Nandresy Tamin'ny Fifidianana Ho Filoha Ejipsiana i Sisi; Fahatelo Kosa no Misy An'i Sabahi Hany Mpifaninana Aminy
Nandresy be ny Jeneraly Abdel Fattah Al-Sisi, nanamontsana an'i Hamdeen Sabahi, hany mpifaninana aminy izay tafiditra ho laharana fahatelo. Nivoaka ny ampaham-bokatra taorian'ny telo andro nifidianana. Voatatitra fa nahazo ny 93,3 isan-jaton'ny vato i Sisi, naka ny laharana fahatelo koa i Hamdeen ary ny 3,7 isanjaton'ny vato manankery no azony.
SARY: Olona Niisa 20.000, Nanao Fihetsiketsehana Tao Makaô, Nanohitra Ny ‘Volavolan-Dalàna Hanangonan-karena Hatrany Sy Tombontsoa’
Volavolan-dalàna manome alalana ny filohan'ny governemanta ao Makaô, izay faritra manana rafi-pitantanana manokana ao Shina, ho tsy azo enjehana araky ny lalàna sady manome hery azy sy ahazoany tombontsoa isam-bolana ihany na dia miala amin'ny toerany aza izy.
Mpianatra Nahita “Momie” Nandritra Ny Fikarohana Nataon'Izy Ireo Tao Amorontsirak'i Chile
Nahita karaña ireo mpianatra avy ao amin'ny Akademian'ny Arkeolojia ao amin'ny Sekoly Amerikana iray raha hijery izay sisa tavela taorian'ny hovitrovitry ny tany tamin'ny volana Avrily tao Avaratr'i Chile .
“Ahoana no handoavantsika Malagasy ny fitaovam-pianarana, fitafiana ary fanafody ho an'ny ankizy ?”
Tojo Fehizoro, Malagasy mpibilaogy iray, namoaka sombin-taratasy (netezana avy amin'ny gazety malagasy iray teto an-tanindrazana) mamehy ny fandaniana kely indrindra ho an'ny ankohonana malagasy iray misy olona efatra ka ankizy ny roa amin'izy ireo, 10 taona sy 7 taona avy. Avoakan'ilay sombin-taratasy lisitra ny fandaniana sy ny anton'izany tsirairay [mg] ary...
Mpihira Hafa ao Shina Nosamborina Noho Ny Fanandratana Ny Mari-Panondroana Sy Ny Kolontsaina Tibetana
Manaraka ny fisamborana tany Shina an'ilay Tibetana mpihira Gepe ny fitetezana ny lahatsary YouTube-n'ny hiran'ireo nosamborina tahaka izany.