Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Mey, 2016
Manontany Ny Bilaogera Hoe Nahoana No Mbola Hita Anaty Boky Ao Trinite Sy Tobago ny Fampanambadiana Ankizy
"Tsy olan'ny taona sy fahamatorana ihany izany, fa olan'ny fahefana ihany koa."
Fotoana Izao Hanoherana Ny Kabarim-pankahalana Antserasera Ao Myanmar
Nanangana pejy Facebook natokana hiadiana amin'ny fitomboan'ny tranga kabarim-pankahalana ao Myanmar ny mpikatroka. Fantaro ny “Tetikasa Tsy Mila Kabarim-pankahalana.”
Misavoana Ambony ny Fisandratan'i Papi Jiang Olomalazan'ny Aterineto Shinoa (Vao Avy Tratran'ny Sivana)
Andro vitsy monja taorian'ny nanesoran'ny mpanao sivana aterineto ny clip nataony noho ny fiteny adala, dia nahavarotra zoro fanaovana dokambarotra 3,5 tapitrisa dolara amerikana izy teo amin'ny famoahany lahatsary isan-kerinandro.
Teratany Rosiana Nogadraina Fa Naka Sary Polisy Nisambotra Vehivavy Nisalotra Hijab Tao Tajikistan
"Dia avy eo ry zareo gaga rehefa mandeha manatevina ny ISIS ny olona."
Nalàna Sarona Tao Sarajevo Ny Saribe An-drindrina Mampiseho An'i David Bowie
Sary an-drindrina ho fankasitrahana ny fandraisan'i Bowie anjara tamin'ireo ezaka noho ny maha-olona nandritry ny fahirano nanjo an'ilay tanàna Balkàna nandritry ny andian-taona 1990.
Tian'i Myanmar Mba Hatsahatr'izao Tontolo Izao Ny Fampiasàna Ny Teny Hoe Rohingya Hanondroana Ireo Vondrom-poko Enjehana
"Aleo tsy ny resaka fiantsoana no ifandaharana, fa fifanakalozankevitra eo amin'ireo Bodista maro an'isa sy ireo Miozolmana vitsy an'isa no hatomboka, ary hikatsaka vahaolana iray maharitra, ."
Tsanganana Tokana dia Nahaova Fiainan-dReny Somali Mananon-tena Mananjanaka Valo
Andro iray monja dia nahaangona vola mihoatra ny 4000 dolara amerikana ny fanangonam-bola niainga avy any amin'ny maro ho setrin'ny tantara.
Mandrafitra Aterineto Mizakatena Fehezin'ny Fanjakana ny Manampahefana Rosiana
Na dia mbola eo amin'ny dingana fanombohana aza ny vakiraokan-tolo-dalàna ary mety hahazo fanitsiana maromaro, raha lasa lalàna, dia ho eo ambany fifehezan'ny fanjakana rosiana tanteraka ny ain-dehiben'ny fotodrafitrasan'ny RuNet iray manontolo.
Nolazain'ny BBC Fa Ny ‘Orinasa Rosiana Mpandoto Resaka’ No Manao Hosoka Lahatsary Mampiseho Miaramilan'i Etazonia Iray Mitifitra Korany
Araka ny tatitry ny famotopotorana nataon'ny servisin'ny BBC amin'ny teny rosiana, dia tao amin'ny Orinasa mpandoto resaka na “troll factory” tao St. Petersburg, Agency for Internet Studies [Sampam-pikarohana an'Aterneto] no tena nakana ny lahatsary.
Nofoanan'ny Governemantan'i Krimea Ny Lanonana Hoe ‘******** i Putin’
Nisy filazana lanonana mahavariana nivoaka vetivety teo amin'ny tranonkalan'ny governemanta Krimeana tamin'ny may 25. Misy anaran'i Vladimir Putin sy ny teny hoe “lohantay” ao anatin'izany.