Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Avrily, 2017
Hetsipanoherana Manohitra ny Kolikoly Ao Romania Sy Ny Vesatry ny Henatra
Na rakotry ny henatra manarona ny firenena aza, nandritry ny andro maromaro i Romania dia toerana iray nanainga fanahy, satria nidina an'arabe ny olona ary niaky ny fisian'ny kolikoly miely patrana.
Tamin'ny 1996 no Fotoana Farany Nisian'ny Olona Marobe Tahaka Izao Nanao Fitokonana Tao Brezila
Mpanao hetsipanoherana mijoro manohitra ireo andianà fanavaozana mifamatotra amin'ny fitsitsiana izay natosiky ny filoha Breziliana Temer ary nahazoany tohana avy amin'ny sehatry ny fandraharahàna, na efa miharendrika aza ny lazany.
Nanakana Sehatra Media Sosialy Miisa 22 Tao Kashmir Ny Governemanta Indiana
"Amin'ny fanehoana ny lafiny hafa amin'ny tantara ao Kashmir, afaka naneho nandritra ny fotoana kely ny hasarotry ny tantara sy ny fifandirana tena sarotra ao Kashmir ny mponina ao an-toerana ."
Nilaza Ny Hetsi-panoherana Rosiana Fa Mitohy ny Tolona, na dia eo aza ny Fandraràna Federaly
Na dia noraràn'ny mpampanoa lalàna androany aza, nilaza ny hetsi-panoherana “Rosia Misokatra” fa hanohy ny hetsika rehetra, anisan'izany ny drafitra fihetsiketsehana manohitra an'i Potinina manerana ny firenena androany Asabotsy.
Lohalaharana ao Azia i Taiwan Raha Nihemotra Toerana Efatra Kosa i Hong Kong ao Anatin'ny Tondro Momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety
"Nilaza fitomboan'ny tsindry ny ankamaroan'[ireo mpiasa amin'ny media ao Hong Kong], izay miteraka fanivànan-tena iniana atao."
Ahoana ny Nandaozan'i Alexey Navalny ny Nasionalisma Rosiana
Tsy maintsy niova i Alexey Navalny hiandraiketany ny Rosiana mpanohitra, saingy mety mitsahatra amin'ny kabary fandrendreham-bahoaka ifanoherany amin'i Vladimir Potinina izy eny an-dalana.
Ny Fomba Nahatongavan'ny Mariky ny Silamo Henjam-Pihetsika ao Indonezia Hatrany Anaty Pejin'ny Marvel Comics
" Io asa kanto io dia hoesorina ao anatin'ireo boky voatonta, ny dika dizitaly, ary ireo bokikely fanao am-paosy, ary hisy fepetra ara-pitsipika horaisina," araka ny fanambaràna navoakan'ny Marvel Comics.
Fifamelezana Totohondry Noho ny Resaka Fandoavambola, Misisika Amin'ny Fanemozana Tsiny Ilay Vehivavy ny Sasany Amin'ireo Hong Konger, fa Tsy Ilay Lehilahy
Ora maro taorian'ny nipoahan'ny tantara, nohazavain'ny tompon'ny trano fisakafoanana fa raikitra ny ady satria ilay ramatoa naniry ny hifampizara ny fandaniana saingy nolavin'ilay lehilahy.
Ny Hetsi-panoherana Gazaita Manohitra Ny ‘Fandripahana Karama’ Nataon'ny Fahefana Palestiniana
Mponina ao Gaza an'aliny no manameloka ny fanapahan'ny Fahefana Palestiniana ny karaman 'ny mpiasam-panjakana sy ny filaminana.
Miatrika Fanamelohana Bevava Noho Ny Fampiasana Amin'ny Tsy Tokony Ho Izy Ny Solosaina Ilay Ogandey Mpampianatry ny Anjerimanontolo Sady Mpitarika Ny Fanentanana Sy Fanabeazana Ho An'ny Fampiasana Salaka
Lasa anton-javatra hirohotan'ny Ogandey izay manohitra ny fitondran'i Musveni ny tantaran'i Nyanzi.