· Jona, 2008

Below are posts about citizen media in English. Don't miss Global Voices, where Global Voices posts are translated into English! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Jona, 2008

Vovonàna GV : Tena lafatra ny andro voalohany !

  30 Jona 2008

Raha izay fahitanay azy dia tena lafatra ny andro voalohan'ny vovonàna 2008-n'ny Global Voices izay tanterahina any Bodàpestà, any Hôngria (mazava ho azy fa tsy arakay maso daholo izay antsipirihan'ny fikarakarana rehetra). Nanomboka tamin'ny teny fampidirana avy amin'i Ethan Zuckerman sy Rebecca MacKinnon izay namorona ny Global Voices, ny andro voalohany, izay nisaorany...

Faritra Balkanika : Michael J. Totten mpizahatany

  30 Jona 2008

Michael J. Totten ao amin'ny gazety Middle East Journal no manapariaka lahatsoratra ravahina sary mikasika ny diany farany tany amin'ny faritra Balkanika (93 ireo hafatra voarainy); LimbicNutrition Weblog kosa dia nanoratra ao amin'ny blaoginy ny valin-taratasy atolony an'i Totten.

Shhh… Nisokatra ny vovonàna 2008-n'ny Global Voices Citizen Media

  29 Jona 2008

Raha somary nangingina ny sehatry ny Global Voices izay “indroandroa andro” lasa izay dia satria notaterinay aty Bodàpestà, Hôngria ny 80 amin'ireo mpandrindra, mpanoratra sy mpandikateny hanatrika ny vovonàna miaksika ny fahalalaham-pitenenana, ny fijoroana vaolombelon'ny tsirairay [citizen media, médias citoyens] ary izay toeran'ny vohikala Global Voices amin'ny ireo taona ho...

Palestina : Maka bahana … mitifitra [sary] … dia nahamarika

  28 Jona 2008

Nampitombo isa ny fandresena norombahan'ny ady hoan'ny rariny ara-sosialy [social justice] i Muna Nawajaa. Nampiasa itony fakana lahatsary [camera] izay fanomezan'ny fikambanana B'Tselem's Shooting Back project azy, i Nawajaa izay Ramatoa Palestiniana iray, dia naka lahatsary ireo olona misaron-tava izay nidaroka sy nanao herisetra ny sasany amin'ny fianakaviany, vokatr'izany dia nanokatra...

Koety : Notafiana ny “Hard Candy”-n'i Madonna

  26 Jona 2008

Moey no mitatitra fa notafian'ny sampan-draharahan'ny Ministry ny Fampahalalam-baovao an-keriny ny sarin'i Madonna amin'ny raki-kira vaovao “Hard Candy” any Koety : Madonna’s album is being raped by Kuwaiti MOI [Ministry of Information], they basically forced leggings on her and took all the pictures off her CD booklet, it is a...

Kenya : Raha tsy Kenyana …

  25 Jona 2008

Ao amin'ny Memorable Jokes [hatsikana tsy mety lefy] no amakiana ny lisitra zavatra 31 tsy fahita raha tsy amin'ny Kenyana ihany : 1. Are engaged for 5 years or more, 2. Never bother to divorce, they just separate, 3. Are late to church, work, and everything else, EXCEPT when the...

Hôngria : Ireo Blaogin-tsary

  25 Jona 2008

Ary satria efa herinandro sisa tsy ihavian'ny Global Voices Citizen Media Summit izay hotanterahina any Bodàpestà, rehefa avy nampahalala anareo bebe kokoa momba ireo blaogy mivoy mikasika ireo sakafo Hôngroa vitsivitsy izahay dia mitodi-doha kosa amin'ny blaogin-tsary Hôngroa indray. Maro izy ireny ary samy tena lafatra avokoa ka izay santionany...

Afrika : Moa ve efa miasa any Afrika ny seraseram-bola PayPal ?

  24 Jona 2008

Collins Mbalo no manontany ao amin'ny A Nairobian perspective ! [fomba fijerin'ny mponin'i Nairobi iray] raha “efa miasa any Afrika ny seraseram-bola PayPal ?” fampiasa amin'ny Aterineto : I believe that maybe Paypal does not recognize the potential and opportunities available in Africa and it is time we trumpeted this cause...

Zimbaboe : Tohanò ny fodian'ireo Zimbabeana maniry hifidy

  24 Jona 2008

Hope no mivoy ao amin'ny This is Zimbabwe ny hetsika fitadiavana famatsiana ireo Zimbaboeana zanaka am-pielezana izay maniry ny hiverina an-tanindrazana mba hifidy : Sponsorship options include assisting an employee with a return ticket, paying for one or more seats on a bus via the www.votezim.com website, or even sponsoring...

Zimbaboe: Nosamborina ny sekretera jeneralin'ny MDC

  13 Jona 2008

Famoretana ny fanoherana hafa ao Zimbabwe indray: “Nosamborina raha vao nigadona fotsiny ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Harare ny Sekretera Jeneralin'ny MDC Tendai Biti”: filazana fohy vao azo avy tamin'ny mailaka. Tsy misy na inona na inona fantatra momba azy amin'izao fotoana izao, fa tsy maintsy mampahafantatra anareo haingana araka izay azo atao ihany izahay...

Ireo pejinay momba an i Anglisy

en