
Bolongan-drahona Mammatus manerana ny Lanitr'i Kathmandou. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube nakarin'i FunNi
Nisafidy ny media sosialy ireo mponina ao Kathmandou mba hanehoany ny fahalinany tamin'ireo rahona mainty tsy mahazatra nandrakotra ny lanitry ny renivohitr'i Nepal tamin'ny 18 Aprily 2016 lasa teo.
Incredible Cloudscape almost inspired me as an abstract-impressionist-artist.
Never saw in my life, pic.twitter.com/iODNthHFco— Karna Sakya (@KarnaSakya) April 19, 2016
Tontolon-drahona tsy mampino tena nanintona ahy tahaka ny aingam-panahin'ny mpanakanto saro-takarina
Mbola tsy fahitako teo amin'ny fiainako, pic.twitter.com/iODNthHFco
Rahona mammatus izy ireo, anarana izay avy amin'ny teny latina hoe mamma, midika hoe “nono“. Mariky ny orambaratra ho avy ireo rahona ireo matetika.
Tsy vao io no fahitana endri-drahona hafahafa voalohany. Hatramin'ilay horohontany ny volana Aprily nandravarava an'i Nepal tamin'ny taona lasa, io no tranga faharoa.
@KarnaSakya yes they are mammatus clouds, has been spotted twice since #earthquake from #Kathmandu following the dust storms, coincidence?
— Prabhakar Shrestha (@prabshr) April 19, 2016
@KarnaSakya eny andian-drahona mammatus ireo, hita fanindroany hatramin'ny nisian'ilay #horohoron-tany tao #Kathmandu narahan'ireo tafiotram-bovoka, fifanojoan-javatra ve?
Sempotry ny fizaràna ireo sary mahafinaritra mikasika ireo andian-drahona ireo mpampiasa media sosialy:
Mammatus clouds seen in Kathmandu sky 🙂 🙂 #Mammatus #Clouds pic.twitter.com/mnTIhWtgKU
— Prabin Aidi (@prabinaidi17) April 18, 2016
Rahona mammatus hita eny amin'ny lanitr'i Kathmandu 🙂 🙂 #Mammatus #Clouds
Mammatus clouds over #Kathmandu as seen from Kirtipur today. (Bijay Gajmer) pic.twitter.com/VSrbbFuNhX
— myRepública (@RepublicaNepal) April 18, 2016
Rahona mammatus manerana an'i #Kathmandu hita avy ao Kirtipur androany. (Bijay Gajmer)
Mammatus #Clouds #ktm #nepal pic.twitter.com/NHtpRjGe8J
— Eggsy (@SankMoktan) April 18, 2016
#Ireo rahona Mammatus #ktm #nepal
Maro ireo mpampiasa YouTube toa an'i Endless PDT no nizara ny lahatsarin'ilay tranga tsy fahita firy.
Na izany aza, natahotra ireo rahona ireo ny olona sasany. Nanoratra tamin'ny Facebook i Kishor Pradhan nampitaha ny rahona mammatus tamin'ireo lazaina fa rahon'ny horohorontany izay mety fambara hovitrovitra – tranga iray eritreretina, izay tsy manana fanohanana betsaka eo anatin'ny vondrom-piarahamonina siantifika:
Aleo isika hanantena fa tsy hanampoka antsika toy ireo rahon'ny horohorontany (EQ) ny rahona mammatus…… satria tsy dia goavana loatra ilay tafio-drivotra niainana…..misaotra tamin'ireo sary manandanja ry Paldup! Jereonareo ny teorian'ny rahona EQ ao amin'ny https://en.m.wikipedia.org/wiki/Earthquake_cloud
Ireo olona sasany nandefa firariantsoa avy any ivelany dia niahiahy fatratra mikasika izay loza ratsy mety haterak'ireo rahona ireo. Nanoratra i Wesser D Bhutia hoe:
Miangavy miarova tena ry agya. Ho anareo rehetra ny vavaka ataoko. Na izany aza, mampijaly ny toetrandro eto sikkim sahala amin'ny any koa. Mihovitrovitra aho mieritreritra izay mbola hitranga. Fantatro fa tsy maintsy manaiky ireo trangan-javatra araka izay fitrangany eo isika satri tsy afaka hanao na inona na inona… na izany aza… sahala amin'ny olona ara-dalàna rehetra matahotra ny hatezeran'ny natiora aho ary efa mivavaka isanandro isanandro mba tsy hisy tohina izay rehetra miaina manerana izao tontolo izao…. ho salama sy tsy haratra.
Nisarika olona maro hivoaka ny tranon'izy ireo ilay fahitàna hafahafa. Raha toa ny olona mbola nifalifaly tamin'ilay tranganà toetrandro, naka sary ary nizara azy ireny tamin'ny tambajotra, dia maro kosa no tsy nahavita nanakatra hoe tranga tsy fahita firy io. Raha vao nahafantatra ny dikan'ny zavatra hitany ny olona, efa tara loatra ho azy ireo ny naka ireo rahona tsara tarehy. Efa levona sahady izy ireo!
Rahona mammatus teny an-danitra androany. #Rahona #Pattern #Saro-takarina #aloka
Ny mpampiasa Instagram Muskan Pudasainee milaza hoe:
Thyakka timing milyo. Maile khichne bela samma clouds ghatdai gaisakya bhayera khasai majjale khichnai paiyena.
Tena tao anatin'ny fotoanany tsara izany. Raha vao naka ireo sary aho, efa andalam-pahalevonana ireo rahona ka tsy afaka naka sary azy ireo tsara aho.