Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Novambra, 2016
Ahoana No Nandraketan'ny Raiko Ny 100 Andron'ny Tsy Fahafahana Mivezivezy [Amin'ny Alina] Tao Kashmir
"Araka ny hita amin'ny Google Maps, voafetra ho 990 metatra, 10 metatra latsaky ny iray kilaometatra ny fahafahan'ny raiko miivezivezy."
Sriracha, Saosy Vietnamiana Malaza Eran-tany Feno Fitiavana
"....isaky ny mametraka hafatra ao amin'ny Facebook na indraindray amin'ny mailaka manontany ireo namako raha mitady zavatra avy any California....., dia saosy Sriracha no valiny voalohany."
Miadam-Pandeha Ny Fiarahamonim-pirenena Amin'ny Fanadihadiana Ny Filazana Fitondran-tena Ratsy Nataon'ny Filohan'i Trinidad & Tobago
Nanonona ny minisitry ny fitsarana tamin'izany fotoana izany ny tatitra an-gazety tamin'ny 2014 fa: "Ny sekreteran'ny [Vaomiera Mpandinika ny Karama] (ny CPO) dia tsy mahazo manapa-kevitra momba ny tambin-karaman'ny trano fonenana ho an'ny Filoha. Andraikitry ny SRC ihany izany.
Anio no andron'ny #GivingTuesday – Fanolorana Fanomezana Ho An'ny Global Voices
Mampahatsiahy antsika ny hetsika tamin'ity taona ity fa mbola tsy vita mihitsy ny asa fanorenana tetezana hifandraisana sy hiarovana ny zo fototra . Miangavy anao mba hanolotra fanomezana ny Global Voices amin'ity #GivingTuesday ity.
Nosamborina ny Lehiben'ny Hetsika “Bersih” Manohitra ny Kolikoly ao Malezia
"Ity ve no karazana firenena tian'ny Maleziana hiainana, izay manjaka ny kolikoly, misy hosoka ny fifidianana ary gadraina ireo tsy manan-tsiny?"
Miresaka Ny Fitsarana An-tendrony Ao Amin'ny Firenena Ny Lahatsary Mannequin Challenge Bahrainita
" Tsy miresaka momba ny [fiaraha-monina] iray fotsiny izahay ao amin'ity lahatsary ity. Ianareo rehetra no tianay ambara, ny fiarahamonina rehetra."
Miafina Ambadiky Lambam-Baravarana Ny Adihevitra Tati-baovao Momba an'i Putin ao amin'ny Esquire Rosiana
Teo amin'ny fifanakalon-kevitra hitam-bahoaka, nangatahan'i Minaev i Kuandykova mba tsy "hampitondra enta-mavesatra" ny mpamakin'ny Esquire, taorian'ny nanaovany fanamarihana vao haingana ao amin'ny "ny tsongan-teny androany" an'i Vladimir Putin .
Qatari Aho, ary Te Hanana Fahafahana Hanapa-kevitra Amin'izay Tiako Hovadiana
"Nanova ahy ny fanambadiako. Ary nanova ahy tamin'ny mahazatra, ka nahatonga ahy nametram-panontaniana momba ny lanjan'ny kolontsainay."
Mifidy Filoha Vaovao i Boligaria, Saingy Iza No Mahalala Izay Hanjò ny Praiminisitra
Taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tao Boligaria tamin'ny fiandohan'ity volana ity sy ny fanapahan-kevitry ny praiminisitra Boyko Borisov avy eo hametraka ny fialàny tao amin'ny parlemanta, tafiditra ao anatin'ny fihenjanana ara-politika ny firenena.
Taorian'ny Namonoan'ny Manamboninahitra iray an'ilay “Mpisetrasetra Fantadaza”, 15 taona , Ny Paikan'ny Polisy Izao no Kendren'ireo Trinidadiana
"Tsy milaza akory aho hoe marina na diso, saingy ialako tsiny raha toa aho TSY maka ny tenin'ireo mpikambana mendri-panajàna ao amin'ny TTPS ho toy ny tenin'ny soratra masina !!"