Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Jona, 2014
Mpikambana Ao Amin'nyGlobal Voices Nahazo Loka Ambony Fanamby Vaovao Nampanaovin'ny Knight Ho Fanamafisana Ny Aterineto
Araka ny valiny navoaka androany (23 Jona ), Mpikambana roa avy amin'ny Global Voices no nivoaka mpandresy tamin'ny fifaninanana "Knight News Challenge" ny taona 2014.
Thailand : Miezaka Maka Ny Fon'ny Olona Amin'ny Fandefasana Malalaka Ny Fiadiana Ny Amboara Erantany Amin'ny TV Ny Mpanongam-Panjakana
Fijerena rindran-kira maimaim-poana, sakafo maimaim-poana, fizaham-pahasalamana maimaim-poana, fijerena sarimihetsika maimaim-poana, fanapaham-bolo maimaim-poana ary fandefasana ny Lalao fiadiana ny amboara erantany maimaim-poana. Tsy misangisangy amin'ny fitadiavana ny fanohanan'ny vahoaka ireo mpanongam-panjakana any Thailand.
Mondialy : Mody Ny Rosiana
Mampionon-tena ho ekipa mampalahelo amin'ny zava-bitany ny Rosiana.
Ahoana Ny Amin'ireo Maherifo Tsy Fantatra Any Bermuda?
Mankalaza ny Androm-pirenen'ireo Maherifo i Bermuda ny 16 Jona, saingy miady hevitra mikasika ny mety hanatsarana ny fomba fankalazana izany ny mpitoraka bilaogy noho ny tsy fisian'ny olona tsarovana manokana tamin'ity taona ity.
#WorldCup2014 : Socceroos-n'i Aostralia Mirehareha Amin'ny Fandresen'i Shilia Azy
Na dia resy 1 sy 3 aza ny Socceroos nanoloana an'i Shilia tamin'ny fiadiana ny amboara eran-tany karakarain'ny FIFA dia ireharehan'ny Aostraliana ny ekipany
Akanjo Ambony Poutine, Tsy Hay Tohaina Any Rosia
Tamin'ny herinandro lasa teo, mpamokatra lamaody roa, nanokatra toerana kely ao amin'ny toeram-pivarotana iray eo ivelan'ny Toerana Mena, mivarotra akanjo ambony midera an'i Vladimir Poutine. Tao anatin'ny iray andro, nahalafo 5 arivo isa izy ireo.
Però : Andro Fanapahankevitra Nampiatoan'ny Kaongresy Tamin'ny Asany Ireo Mpikambana 2 Mpanao Lalàna
Felaka roa navaivay tao amin'ny kaongresin'i Limà, naato tamin'ny asany hatramin'ny Oktobra ho avy izao i Gagó sy Uribe, mpikambana ao amin'ny kaongresy, taorian'ny tatitra roa samihafa navoakan''ny kaomisionan'ny parlemanta momba ny fomba ratsy voalaza fa fanaon'izy ireo.
Nanakoako Tao Bahrain Ny Fisososon'ny ISIS Ao Iraka
Niditra tao amin'ny Twitter ny manampahefana ambony ao amin'ny governemantan'i Bahrain mba haneho izay nosokajiana ho fanohanana ny fisosososon'ny Fanjakana Islamika ao Iraka sy Syria (ISIS), vondrona mpisintaka tao amin'ny fikambanana mpampihorohoro Al-Qaïda ao Iraka.
Mifanditra Amin'ny Zo Handefa Mondialy Ny Fantsona Fahitalavitra Eto Afrika
Noho ny ady ara-pitsarana sy ny fanapahan-kevitry ny tambajotram-pahitalavitra, dia mety hisy ny mpanaraka ny fiadiana ny amboara manerantany eto Afrika no hosahirana amin'ny fanarahana azy.
Mety ho Alfred Kinsey-n'i Rosia Ve i Snowden?
Edward Snowden no Alfred Kinsey amin'ny vanim-potoanan'ny aterineto. Izany no nambaran'ilay mpanao gazety Rosiana Dmitri Goubine tamin'ny lahatsoratra bilaoginy tamin'ny herinandro lasa, mandinika izay mety ho fiantrakan'ny fanarahamaso faobe ataon'ny governemanta eo amin'ny fenitra ara-tsosialy hoavy.