Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Septambra, 2019
Tsy resy lahatra tamin'ny tatitra nataon'ny BBC momba ireo Venezoeliana mpitsoa-ponenana ny governemanta ao Trinite sy Tobago
Tsy nankasitrahan'ny mponina tany an-toerana firy ny tatitra iray nataon'ny BBC momba ny mpifindra monina Venezoeliana tany Trinite sy Tobago. Maro no mahatsapa fa tsy mampiseho ny tena zava-misy marina momba ny toe-draharaha ny tatitra.
Miangavy ny Twitter ny governemanta Indiana mba hanala an'ireo tatitra “manely tsaho” mikasika an'i Kashmir
Tohin'ny fahasimban'ny fifandraisana ao Kashmir anatiny, nampiasain'ireo mpanao Aterineto avy any ivelany ny Twitter mba hanohitra ny fanafoanan'i India ny zo fizakan-tenan'ny faritra.
Tatitry ny mpisera (Netizen Report) : Henjehin'i Shina amin'ny sivana mitsitapitapy ireo mpampiasa aterineto
Ao anatin'ity tatitra isankerinandro ity, resahana i Shina, ireo Iraniàna mpampiasa Facebook mety hizaka sazy mavesatra any am-ponja, i Google miverina amin'ny fanapahankeviny momba ilay politikan'ny maripamantarana ary sehatra maro isankarazany ao anaty fiarahamonina mitambatra any Tiorkia mba hanohitra ny sivana.
Mikarakara elefanta kamboty ao Myanmar
Tandindonin-doza noho ny fihazàna azy ireo elefanta dia ao Myanmar; mihazakazaka be ny famonoana azy ireo, iray isankerinandro.
Mpikambana ambony amin'ny governemanta nosamborina tao Trinite & Tobago, masiaka ny adihevitra momba ny kolikoly
Fa maninona i McDonald no imbetsaka loatra no mandroaka sy manendry indray? Fa manana kolontsaina mahatonga kolikoly ve i Trinite sy Tobago? Niteraka adihevitra bebe kokoa ny fisamborana minisitra.
Topi-maso momba ireo fitokonana amin'ny toetr'andro manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana
Maro ireo hetsika nokarakaraina manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 septambra 2019 ho fanohanana ny Global Climate Strike (Fitokonana momba ny Toetrandro Manerantany).
Nahenan'i Kambodza ny isan'ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe mba hisarihana asa saingy mampanahy ny mpikatroka ho manimba ny demokrasia izany
"Maneho ny tsy fahavononan'ny governemanta hampiroborobo intsony ny demokrasia ny fanesorana ny Andro Fifanarahana ho amin'ny Fandriampahalemana tany Paris sy ny Andro ho an'ny Zon'olombelona amin'ny lisitry ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe ."
Ao amin'ny tanàna iray mitsingevana any Kambodza, manalavitra tsikelikely ny sekoly ny ankizy
"Tsy afaka manenjika ireo mpianatra hafa ny sasany amin'ireo ankizy ka manapa-kevitra ny hijanona ary handeha hiasa."
Nampiverina ny adihevitra amin'ny fanaovana afomanga mavesatra ny fahafatesana kangoroa ao Trinite
"Manao antso ho an'ny vahoaka izahay ny handrarana tanteraka ny afomanga eto Trinite sy Tobago. Ao anatin'ireo tsy mahazaka raha mbola mitohy izany ny biby ato aminay sy ny fianakaviany."
Mahatsiaro adinoina ny mponina dimy taona taorian'ny fielezan'ny tsimokaretina VIH tany amin'ny kaominina Kambodziana iray
"Nitombo ny fanampiana nasionaly sy iraisampirenena ho azy ireo rehefa niseho ny fielezan'ity otrikaretina ity. Toa nangina anefa izany taty aoriana."