Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Oktobra, 2014
Nankato Ny Fitovian-jo Amin'ny Fanambadiana i Taiwan, An'Aliny Ireo Nanatrika Ny Diabem-pireharehana
Misoritra amin'ny tavan'ireo mpandray anjara tamin'ny Diabem-pireharehan'ny LGBT ao Taiwan ny Fanantenana, nahitana pelaka roa mifankatia miandrnadra fatratra hifanambady.
GV Face: Mandositra Ady Ireo Mpitady Fialokalofana Mba Hiatrika Ny Herisetra Politika Ao Eoropa Sy Aostralia
Araka ny filazan'ny UNHCR, 612.700 ny isan'ireo nangataka fialokalofana tao Amerika Avaratra, Eoropa, Azia Atsinanana sy Pasifika tamin'ny taon-dasa - tarehimarika ambony indrindra hatramin'ny taona 2001.
Fahatsiarovana An'i Hazel Ward-Redman ilay Olo-Malaza Mpisava Làlana Ny TV Tao Trinidad & Tobago
Nodimandry i Hazel Ward-Redman, izay nanasongadina ny talenta ara.javakanto sy mozikan'ireo tanora ao Trinidad sy Tobago tamin'ny alàlan'ny fandaharany tao amin'ny fahitalavitra. Maneho fanajàna azy ireo taizany sy ireo mpankafy.
Fihomehezana ny Fangon'ny [Lôgô] Mondialy 2018 ao Rosia
Ankavitsiana no ahitana hatsaram-panahy eo amin'ny mpiseraseran'ny tambajotram-pifandraisana rosiana, ary lasibatry ny fanimbazimbana avy hatrany ny fangon'ny Mondialy 2018 tamin'ny fotoana nivoahany ho hitan'ny besinimaro.
‘Ny Fomba Fitantara sy ny Media Ho Amin'ny Tontolo Tsara Kokoa': Zaikaben'ny Media Manova 2014 Ao DC
Hiresaka fomba fitantara, famoronana ifarimbonana, teknolojia vaovao, orinasa sy fivelomana maharitra, ny mahasoa sy ny mahasalama, ny saripka, ny horonantsari-mihetsika sy ny mozika, ny asa fanoratan-gazety, ohatra amin'ireo lohahevitra maro hodinihana, ireo mpandray anjara amin'ny TMSummit.
Ndeha Mba Hitety An-tsary Ny ‘Kianjan'ny Elo’ an'ireo Mpomba Ny Demaokrasia Ao Hong Kong
Tranolay maherin'ny 1.600 no nijoro tao amin'ny foiben-toeran'ny hetsika Occupy Central, toerana nilasian'ireo mpanao hetsi-panoherana nitakiany amin'ireo manampahefana ao Hong Kong sy Beijing mba hisian'ny fifidianana mangarahara sy malalaka
Manome Tsirim-Panantenana Ireo Mpikatroka Mpanohana ny Demaokrasia Indray Ny Fiarahaba ‘Hunger Games’
Ny fiarahabana fanangana-tanana amin'ny rantsa-tanana telo nandritra ny fandoroana ny fatin'olom-panjakana teo aloha iray indray no nataon'ny mpikatroka ho fiampangana ny ny fanonganam-panjakana sy ny fahaverezan'ny demaokrasia ao Thailandy.
Hihoatra Noho Ny Hoe Nizeria Tsy Misy Ebola
Tsy tokony hipetrapetraka amin'ny fanamarinanan'ny Fikambanana Misahana Ny Fahasalamana Maneran-tany momba ny tsy fisian'ny Ebola any aminy intsony akory i Nizeria.
Fisantaran'Andraikitra An-tserasera 3 Handrisihana ny Mpifidy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana 2014 Ao Tonizia
Nandatsa-bato ny Toniziana tamin'ny Alahady mba hifidy solombavambahoaka. Afaka mandinika tsara izay hofidiany ny olom-pirenena ao amin'ny aterineto ary mijery izany mpanao politika milaza ny marina na azo itokisana.
Misorata Anarana Ho Amin'ny Zaikabe Global Voices 2015: 24-25 Janoary ao Cebu, Philippines!
Misorata anarana anio handray anjara amin'ny Zaikaben'ny Global Voices 2015 ao an-tanànan'i Cebu, Philippines, hivorian'ny ireo mpikatroka an-tserasera mahavita zava-baovao sy manome aingam-panahy indrindra sy ireo vondrom-piarahamonin'olontsotra tia mampita vaovao manerana izao tontolo izao.