Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Jona, 2019
Mitondra ny fampiasana bisikileta amin'ny haavony vaovao ny ‘Bike Man’ ao Trinidad & Tobago
Tian'i Trinidad sy Tobago ireo "haavony" -- ary tsy mandiso fanantenana ilay mpitaingina bisikileta vita tanana izay nahatratra ny 3-4 metatra.
Kirin'ny lehilahy iray hianika ireo tendron-kavoana 14 avo indrindra ao anatin'ny 7 volana hanamontsanana ny zavabita tsara indrindra
14 monja ny tendrombohitra manana haavo mihoatra ny 8000 metatra ary eo am-panatanterahana fanamontsanana zavabita tsara indrindra ho ao anatin'ny fito volana monja ilay miaramila britanika Gurkha antsoina hoe Nirmal Purja.
Nosakanan'i Myanmar ny aterineto ao amin'ny faritra miady ao amin'ny fanjakana Rakhine sy Chin
Nosakanan'ny governemantan'i Myanmar nandritra ny fe-potoana tsy voafaritra ny aterineto tany amin'ireo faritra sasany ao amin'ny fanjakan'i Rakhine sy Chin.
Ny raharaha Ivan Golonouv : Fotoana fohy firaisankina sy firohotana tao amin'i Rosia an’i Potinina
Maro no nitaky fandraisana andraikitra bebe kokoa amin'ny fanasaziana ireo mpitandro ny filaminana izay namoroporona ilay raharaha.
Lok Sabha 2019 ao India : Valin'ny fifidianana taorian'ny dingana naharitra herinandro
Nankao amin'ny Twitter ny olona hnamoaka ny zavatra novinavinainy mialoha. Maro no naka ny vokatry ny fitsapankevitra teo am-pivoahana ny birao ary nanomboka niarahaba an'i Narendra Modi tamin'ny fendresena azony
Noho ny hetsibahoaka, voatery nosintonin'ny governemanta ao Trinidad & Tobago ilay volavolam-panitsiana ny lalàna momba ny Fahalalahana Hahazo Torohay / Vaovao
"...tena hireharehan'ny vahoaka ny fananany demaokrasia izay hita mibaribary hoe salama tsara— hoe nalaky tonga niaraka sy araka ny tokony ho izy ireo fikambanana sivily, ary dia namaly tamin'ny fomba feno sy ampy tokoa ny governemanta."
Hong Kong: An'aliny maro ireo mpanao hetsipanoherana ilay lalàna miteraka resabe momba ny famindràna olomeloka no tonga nibahana ny làlana mankao amin'ny foiben-toeran'ny governemanta
Ny marainan'ny 12 Jona, vitan'ireo mpanao hetsianoherana ny nanemotra ny fandinihana ilay volavolan-dalàna miteraka resabe momba ny famindràna olomeloka saika hataon'ny Filankevitra mpanao lalàna
Tamberina Feral Tribune, gazety mpanesoeso malaza ao Kroasia efa nikatona
Fantatra amin'ny tsi-fitongilanana tamin'ny adin'nyBalkana sy Feral Tribune was known for its impartial coverage of war in the Balkans and caricatures that ridiculed the nationalist leaders in former Yugoslavia.
Namoaka ny bokin'i Nikola Grueski, praiminisitra teo aloha, ny trano nanonta ny ‘Mein Kampf’ an'i Hitler ho amin'ny teny makedoniana
Niteraka adihevitra tao amin'ny Foaran'ny Boky Skopje tamin'ny 8 May 2019 ilay mpamoaka boky iray avy any Makedonia izay fantatra amin'ny fanontàna boky momba an'i Nazi, noho ny famoahana boky avy amin'ny praiminisitra teo aloha sady mpandositra fitsarana - Nikola Gruevski.
Tao Hong Kong, nosamborin'ireo manampahefana ny mpitantana ny vondrom-panoherana iray tao amin'ny Telegram – noterena izy hanolotra ny lisitra misy ireo mpikambana ao aminy
Eo ampela-tanan'ny polisy avokoa ny lisitra manontolo misy ireo mpikambana ao amin'ny vondrona -- izay misy olona 20.000 hatramin'ny 30.000 eo ho eo -- hatramin'ireo hafatra nifanakalozana tany anatin'ireo seha-piresahana voaaro