Ny 24 Febroary 2016, nikarakara fifampiresahana mivantana tanaty Twitter, #askLesotho, ny Send a Cow, fikambanana iray mpanao asa soa ho an'ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena, miorina any Angletera, mba hiresaka momba ny haintany ratsy indrindra tany Lesotho tao anatin'ny tantara vao haingana sy ny tsy fisian'ny fifantohan'ny sain'ny media tamin'izany.
Tamin'ny volana lasa, nanambara fitondràna amin'ny tany misy loza voajanahary i Lesotho, fanjakana iray voadidin'i Afrika Atsimo tanteraka. Araka ny manampahefanan'ny Firenena Mikambana ao an-toerana, iray amin'ny Basotho telo no mety mila fanampiana ara-tsakafo hatramin'ny taona ho avy.
Nilaza ny talen'ny Fandaharanasa Ara-tsakafo Erantany ao an-toerana, Mary Njoroge, fa voatery nampihatra rafitra ratsy hifanaraka amin'izany ny olona, izay ahitana ny fivarotana fananana ary ny halatra koa aza. Vao haingana no nisy orambe tao amin'ny firenena, ka tonga amin'n'ilay antsoin'ny manampahaizana hoe ‘haintany maitso’. Nanamaitso am-pitaka ny lohasaha tao Lesotho ilay orana nefa ilay saha tsy nisy vokatra na legioma.
Ny tranga ara-toetrandro El Niño no nahatonga ny haintany, izay nahatonga ny olona mihoatra ny 100 tapitrisa tany Afrika Atsimo, Azia sy Amerika Latina ho tsy nisy sakafo.
Namaly ny fanontaniana avy amin'ny olona sy fikambanana.samihafa ny talen'ny Send a Cow ao Lesotho, Manthethe Monethi, nandritra ny fifampiresahana tao anaty Twitter izay naharitra ora iray
Nisy fanamby tsapan'i Manthethe tamin'ny tsy fahampian'ny herinaratra ary voatery novaina ny toerana, taloha kelin'ny nisian'ny fifampiresahana, ary nidika fahataràn'ny valinteny ny fihisatry ny fifandraisana Aterineto ao Lesotho.
Zavatra manan-danja tao anatin'ny resaka ny maha zava-dehibe ny fampitomboana ny legioma. Haingana be ny fitombona'ny legioma, fa tsy toy ny katsaka, izay matetika no maharitra dimy volana ny fambolena ka hatramin'ny fiotazana azy.
Lumela ‘M'e Manthethe! If we help you to provide vegetable seeds for families now, when will they be ready to eat? #asklesotho
— Dolen Cymru (@DolenCymru) February 24, 2016
Lumela ‘M'e Manthethe! Raha manampy anareo amin'ny fanomezana voa legioma ho an'ny fianakaviana izahay androany, rahoviana izy ireo no ho azo hohaniny?
@DolenCymru #askLesotho Lumela ‘M'e! Vegetables are ready to eat within 5 weeks of planting
— Manthethe Monethi (@SendaCowLesotho) February 24, 2016
Lumela ‘M'e! Azo hanina ny legioma ao anatin'ny 5 herinandro nambolena azy
Io mpampiasa io ihany, nanontany momba ny tohodrano vonjimaika ny Dolen Cymru. fikambanana iray tsy mitady tombontsoa mampifandray ny Pays de Galles sy Lesotho:
@SendaCowLesotho @DolenCymru #askLesotho Since more rains are predicted soon are the #SaCL beneficiaries already preparing “makeshift” dams?
— Lerato Ato Mokone (@AtoMokone) February 24, 2016
Koa satria betsaka kokoa ny orana andrasana tsy ho ela, moa ve efa nanomana sahady “tohodrano vonjimaika” ireo mpisitraka ny #SaCL?
@AtoMokone @DolenCymru #askLesotho SACL supports farmers with skills to make ponds,dams,diversion furrows & roof water harvesting techniques
— Manthethe Monethi (@SendaCowLesotho) February 25, 2016
Manohana ny tantsaha amin'ny fahaiza-manao ilaina mba hanaovana dobo, tohodrano, vava asa fitarihan-drano ary teknika fitatazana rano avy amin'ny tafo ny SACL
Nihantsy ny Send a Cow i Jim Ackerman ka nanontany:
Is an organisation that uses livestock to support communities the best placed to help when there are food and water shortages? #askLesotho
— Jim Ackermann (@jamnam1982) February 24, 2016
Tsara toerana indrindra mba hanampy rehefa misy tsy fahampian'ny sakafo sy ny rano ve ny fikambanana iray mampiasa biby fiompy ho fanohanana ireo vondrom-piarahamonina?
@jamnam1982 #askLesotho Livestock production is equally affected because it depends on rangelands and water
— Manthethe Monethi (@SendaCowLesotho) February 24, 2016
Voakasika ihany koa ny vokatry ny fiompiana satria miankina amin'ny ahitra sy ny rano izany
Te-hahafantatra i Joey Brownbill raha toa ka miasa toy ny Fandaharanasa Ara-tsakafo Erantany ny Send a Cow:
Are you providing food aid like @WFP? #asklesotho
— Joey Brownbill (@joeybrownbill) February 24, 2016
Manome fanampiana ara-tsakafo tahaka ny @WFP ihany koa ve ianareo?
@joeybrownbill @WFP #askLesotho We do not provide food aid, we provide training and agricultural inputs
— Manthethe Monethi (@SendaCowLesotho) February 24, 2016
Tsy manome fanampiana ara-tsakafo izahay, fa manome fiofanana sy singa ilaina amin'ny fambolena
Te-hahafantatra izy avy eo raha toa ka mora ampiharina io vahaolana io:
@SendaCowLesotho @WFP but how will that help people now? #askLesotho
— Joey Brownbill (@joeybrownbill) February 24, 2016
fa ahoana ny fomba hanampian'izany ny olona ankehitriny?
@joeybrownbill @WFP #askLesotho Vegetable production cycle is short- 5 weeks, and availability is sustained through preservation techniques
— Manthethe Monethi (@SendaCowLesotho) February 24, 2016
Fohy ny tsingerin'ny famokarana legioma- 5 herinandro, ary voatazona amin'ny alalan'ny teknika fitehirizana ny fisiany
Nandefa ity fanontaniana manaraka ity ny Help Age ao Afrika Atsimo:
#askLesotho Q from HelpAge SA: Is the current humanitarian response age and gender inclusive?
— Send a Cow (@SendaCow) February 24, 2016
Fanontanian'ny HelpAge SA: Moa andraisan'ny taona rehetra anjara ary na ny lahy na ny vavy ny ny valiny amin'ny maha-olombelona amin'izao fotoana izao?
@SendaCow #askLesotho The response is age and gender inclusive, targeting the most vulnerable, ie,elderly,OVCs,people with disabilities, etc
— Manthethe Monethi (@SendaCowLesotho) February 24, 2016
Ny valiny dia tafiditra ao ny taona sy ny maha lahy sy maha vavy, ka kendrena amin'izany ireo marefo indrindra, izany hoe ny zokiolona, ireo OVC (ankizy kamboty sy osa), ny olona manan-kilema, sns
Nametraka fanontaniana momba ny hamafin'ny krizy ny mpampiasa iray hafa, nanontany raha toa ka krizy “indray mandeha ao anatin'ny androm-piainany” io, na “indray mandeha ao anatin'ny taona vitsivitsy:
@MrsMoulogo @SendaCow #askLesotho I'd be interested to know how bad is the emergency in context-once in a lifetime, or once every few years?
— Waterloo Foundation (@Waterloo_TWF) February 24, 2016
Liana te-hahafantatra aho hoe hatraiza ny haratsin'ny fipetraky ny vonjy taitra ao anatin'ny toe-javatra indray mandeha amin'ny androm-piainana, na indray mandeha ao anatin'ny taona vitsivitsy?
@Waterloo_TWF @MrsMoulogo @SendaCow #askLesotho Lesotho is currently experiencing one of its worst draught in 30 years
— Manthethe Monethi (@SendaCowLesotho) February 24, 2016
Miaina ny iray amin'ireo sedra ratsy indrindra tao anatin'ny 30 taona i Lesotho ankehitriny
@Waterloo_TWF @SendaCowLesotho 1) The problem is getting worse, so we must tackle it with long-term solution, not just food aid. Families
— Send a Cow (@SendaCow) February 24, 2016
1) Miharatsy tanteraka ny olana, ka tokony hiatrika izany amin'ny vahaolana maharitra isika, fa tsy hoe fanampiana ara-tsakafo fotsiny. Fianakaviana
Te-hahalala ny vokatsoa azo avy amin'ilay orambe vao haingana teo i Cathy Moulogo, mpampiasa Twitter iray monina any Pays de Galles:
Hi @SendaCow are the current rains making any improvement to the drought situation? #asklesotho
— Cathy Moulogo (@MrsMoulogo) February 24, 2016
Manahoana @SendaCow, ny orana amin'izao fotoana izao ve mitondra fanatsaràna amin'ny fisian'ny haintany?
@MrsMoulogo @SendaCow #askLesotho The current rains are going to make some improvement, esp on vegetable production & livestock
— Manthethe Monethi (@SendaCowLesotho) February 24, 2016
Hitondra fanatsarana eo ho eo ihany ny orana ankehitriny, indrindra fa amin'ny famokarana legioma sy ny biby fiompy
Tiany ho fantatra avy eo ny zavatra azo atao mba hanamaivanana ny hanoanana:
@SendaCowLesotho @SendaCow that's great news! Will there still be widespread hunger? What can we do about it? #asklesotho
— Cathy Moulogo (@MrsMoulogo) February 24, 2016
vaovao tsara izany! Mety mbola hisy ve ny hanoanana faobe? Inona no azontsika atao momba izany?
@MrsMoulogo @SendaCow #askLesotho We need to intensify vegetable production for consumption and income,and fodder production for livestock
— Manthethe Monethi (@SendaCowLesotho) February 24, 2016
Tsy maintsy mampitombo ny famokarana legioma isika ho an'ny fanjifana sy ny vola miditra, ary ny famokarana vilona ho an'ny biby fiompy