Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Mey, 2012
Kenya: #NairobiBlast Tenifototra Nalaza Tao Amin'ny Twitter Nandritra ny Fipoahana Tao Nairobi
Fipoahana mahery vaika no nitranga tao amin'ny arabe lehibe iray tao Nairobi, Làlana Moi, ao an-drenivohitra Kenya tamin'ny Alatsinainy atoandro. Nilaza ny fanadihadiana teny amboalohany fa noho ny olana teo amin'ny herinaratra no nahatonga ny loza. Nolavin'ny lehiben'ny polisy ny tsaho milaza fa fampihorohoroana fanapoahana baomba avy amin'ny Al-Shabaab ny loza....
Syria: Masoivoho Noroahana Ho Fanoherana Ny Vonomoka Tao Houla
Ny vonomoka feno herisetra nitranga tao amin'ny distrikan'i Houla dia niteraka onjam-panehoan-kevitra mampivarahontsana nanerana ny tany. MAro ireo governemanta no nandray fanapahan-kevitra handroaka ireo masoivoho Siriana ho fanoherana ny firehetan'ny herisetra.
Qatar: Firehetana Mahatsiravina Namoizana Aina Tao Aminà Toeram-pivarotana Lehibe Iray
Tamin'ny 28 May nidedaka ny afo tao amin'ny Villaggio Mall tao Doha, niteraka faty olona sivy ambinifolo, ka telo ambinifolo tamin'ireo no ankizy. Voafandriky ny afo ka tsy afa-nivoaka tao amin'ny toeram-pitaizana nisy azy tao anatin'ilay toeram-pivarotana lehibe ireo ankizy, ary maty sempotry ny setroka tao izy ireo sy ny mpampianatra efatra. Mpamono afo roa no maty teo ampiezahana hamonjy azy ireo.
Pakistana: Nandalo Faran'ny Herinandro Fanivànana Ny Twitter
Niaritra fanivanana tanteraka ireo mpampiasa Twitter manerana ireo FAI rehetra tany Pakistana nanomboka ny Alahady 20 Mey tamin'ny 1 ora tolakandro.noho ny baikon'ny Manam-pahefana amin'ny Fifandraisana any Pakistana izay nilaza fa fanivanana ireo sary manala baraka no antony. Na eo aza izany, mihevitra ireo mpampiasa aterineto fa manandrana ny tolotra Fanivanana URL ireo manam-pahefana. Nesorina iany sakana izany tamin'ny alina.
Syria: Nahatonga Izao Tontolo Izao Hampiaka-peo Ny Vonomoka Tao Houla
Tamin'ny 25 May, ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tao Houla, avaratra andrefan'i Homs, dia nidina an-dalambe teo amin'ny mitatao vovonana teo, tsy nanampo na dia kely aza fa hoe mety hivaly vonomoka feno habibiana tsy roa aman-tany ny hetsika fanehoan-kevitra nataon-dry zareo. Raha kely indrindra dia 116 no olona matin'ny mpitandro filaminana mpomba ny governemanta.
Kiobà: Ny Toetry Ny Zon'olombelona
Nahatonga ny mpamahana bolongana haneho hevitra ny fangataham-baovao vao haingana nataon'ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana Manohitra ny Fampijaliana mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Kiobà.
Zeorzia: Andianà Mpitondra Fivavahana Ortôdôksa Nanafika Mafàna Fo LGBT
Teo am-panaovana diabe hanamarihana ny 17 May, Andro Manerantany Hiadiana Amin'ny Fanilikilihana, dia nosakanan'ny andianà Kristiana Ortodoksa ireo Olona Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana LGBT Zeorziana,tao Tbilisi, renivohitra Zeorziana. Tatitr'i Mirian Jugheli
Lesotho: Daty Voapetraka Hanaovana Fifidianana Solombavambahoaka 2012
Hanao fifidianana solombavambahoaka i Lesotho ny 26 May, ao anaty herisetra politika. Ny Lesotho Political Parties Leadership Forum dia milaza fa hisy ny “kômandô” natsangana hamono ireo olona sangany amin'ireo fifidianana ho solombavambahoaka.
Karaiba: Ho Fanohanana Ny Renintsika
Ho fanomanana ny fetin'ny reny hodiavintsika, andao hojerena ny eritreritra mandalo sy ny resaka ataon'ny any amin'ny faritra Karaiba izay nankalaza izany tamin'ny alahady nialoha ny pentekositra teo. Samy manana ny andro hankalazana ny fetin'ny reny manko...
Ejipta: Tafatsangana Indray I Ahmed Shafiq
Navoakan'ny sombim-bokatra valim-pifidianana filoham-pirenena ejipsiana fiodinana voalohany fa ny kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana Mohamed Morsi sy ny Praiminisitra teo aloha Ahmed Shafiq no hifanandrina amin'ny fiodinana faharoa hotontosaina amin'ny 16 sy 17 Jona. Niteraka hatairana tamin'ny maro tokoa ny fisongadinan'i Shafiq, iray amin'ny “feloul” na “sisa tavela” tamin'ny fitondrana Mubarak. Tarataratra ihany fa ny ankamaroan'ny...