Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Mey, 2020
Mampiseho ny krizin'ny COVID-19 ao amin'ny firenena ny Nepaley mpanao sariitatra
Nampiasa fanesoana sy vazivazy ny mpanao sariitatra Nepaley hanehoana ny fihibohan'ny firenena.
Voatsikera tamin'ny famariparitana ratsy ny renivohitr'i Bangladesh ny ‘Extraction’ navoakan'ny Netflix
Nahatonga tsikera sy adihevitra maro ny filma malaza navoakan'ny Netflix mitondra ny lohateny hoe “Extraction” noho ny famariparitana tsy araka ny tokony ho izy an'i Bangladesh sy ny Bangladeshita.
Ny COVID-19 iadian'i Pakistan, ny andiam-balala mandravarava ny fambolena
Efa nandravarava ny faritra maro amin'i Afrika, ny saikanosy Arabo ary Azia Atsimo ny loza ateraky ny valala.
Miventy ny hiran'i Katie Melua ny Sloveniana mpanao fihetsiketsehana hanazavana ny hetsika mpitondra bisiliketa miady amin'ny kolikoly
"Misy bisikileta 10.000 ao Ljubljana. Zavamisy izany. Izany ny fahadalàn'ny olona."
Diarin'ny COVID-19 avy ao Wuhan : « Vita ihany ny mivelona amin'ilay valanaretina, fa tsy telina ny fanilikilihana, ny tahotra ary ny fankahalàna. »
Ho takalon'ny fahafahany mivezivezy rehefa vita ny fihibohana dia tsy maintsy mataon'ny olona ny tatitra momba azy ireo amin'ireo solotena isam-bohitra sy amin'ireo manampahefana ara-pahasalamàna.
Norarana nandritra ny 30 taona, hita amin'ny YouTube ankehitriny ny filma haiady tokana an'i Singapaoro
Nandritra ny taona maro no nitehirizan'ilay mpiantsehatra voalohany Peter Chong ny kopia tokana tao amin'ny vata fampangatsiahana
Afghanistana, tsy afa-bela amin'ny ady na dia ny zaza vao teraka any amin'ny hôpitaly aza
Tao Afghanistàna, maty novonoin'ireo mpanao aza fampihorohoroana ireo zaza menavava sy ny reniny, tao amin'ny toerana iray fampiterahana ao Kaboul. Ny vondrompiarahamonina shiita Hazara manokana no tena nokendren'ireo fanafihana ireo.
Noroahin'i Shina ireo Amerikana mpanora-gazety avy amin'ny seha-baovaon'i Etazonia, fandrahonana ny fahalalahan-gazety izany hoy ny mpitily
Nambaran'i Shina ny fandroahana ireo Amerikana mpanoratra amin'ny gazety lehibe, izay tsy iza fa ny New York Times, ny Wall Street Journal ary ny Washington Post
Sambany tany Nepal no nahitana bibilava kukri mitsipitsipika manan-doha roa
Nomena anarana araka ny nifiny maranitra sy fisaka ary miforitra izay ampiasainy rehefa manapaka ny atodin'ny biby mandady ny bibilava kukri mitsoriadriaka, miloko volontany matroka mitsipitsipika mainty.
Noravan'ny ny polisy tamin-kerisetra ny fihetsiketsehana nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana tany Balochistan, Pakistan
Nanao fihetsiketsehana tany amin'ny faritany Balochistan any Pakistan ny mpitsabo matihanina mba hanomezana azy ireo ny Fitaovana Fiarovana Manokana (PPE) mba hiarovana azy ireo amin'ny fifindran'ny coronavirus avy amin'ireo marary kanefa nosamborina ry zareo.