
Ny tarik'ireo mpanao gazety mpikirakira angon-drakitra – miaraka amin'ny fanomezandalan'izy ireo
Dimy izy ireo. 30 taona no salan-taonan'izy ireo kanefa niverenan'izy ireo ny efatra amby telopolo taona naha-teo amin'ny fitondrana ny filohany mba hanomezana filomana mahavariana amin'ny rafitry ny governemanta Kamerone amin'ny alalan’ “Ireo Governemantan'i Paul Biya“.
Ireo Governemantan'i Paul Biya dia tetikasa iray mikasika ny asa fanaovan-gazety izay hamoriana ireo angona sy isa mikasika ireo mpitantana 299, nantsoina hiasa tamin'ny fitondrana Paul Biya, filohan'ny Repoblika Kamerone nanomboka ny 6 novambra 1982.
Nandritry ny 34 taona naha-teo filohan'ny raharaham-pitsarana azy, nisy 32 ireo andiana governemanta natsangan'i Paul Biya izay ny 13 tamin'ireo no nandritra ny taompolo 80 monja, nomarihan'ireo fanonganam-panjakana ny taona 1983 sy 1984.

fitovianjon'ny lahy sy vavy tao anatin'ireo governemantan'i Biya
Marobe ireo tabilao famakiana naroson “Ireo Governemantan'i Paul Biya” sady mifanaraka tsara amin'ny haben'ireo governemanta araka ny taona nanavaozana azy sy ny fitovianjon'ny Lahy-Vavy, mandalo amin'ny fahelàn'ireo mpitantana vitsy tao an-dapa na ireo faritra niaviany.

Sary fanehoana amin'ny solosaina an'ilay tetikasa, nahazoana fahazoan-dalana.
Ny mikasika ireo farany ireo ohatra, fantatra ao fa ny faritra Afovoany, faritra niavian'ny efa maty sy vady voalohan'ny Filoha, no nahazo mpisolotena be indrindra misy 82 voafidy, izany hoe mampiseho ny 28,1% -n'ny isa rehetra na koa hoe tsy nisy vehivavy mpiavy avy any amin'ny Tendrony-Avaratr'i Kamerona niasa nandritra ny Fanavaozana.
Ny faritra any amin'ny Tendrony-Avaratr'i Kamerona, ankoatr'ireo fanafihana sy ireo fahasimbana nateraky ny Boko Haram no faritra ahitana ny taha ambany indrindra amin'ireo vehivavy mahay mamaky sy manoratra ao amin'ny firenena, manome ny 17,4% mitaha amin'ny salanisa nasionaly maherin'ny 50% araky ny fanadihadiana natao sy navoakan'ny minisitera misahana ny fampandrosoana ny vehivavy sy ny fianakaviana tamin'ny volana martsa 2012.

Tahan'ireo vehivavy nandritra ireo governemanta Biya.
Tsy ilaina araka izany ny hilazàna fa io asa fikarohana io izay ny famoriana sy ny fikirakiràna azy dia naharitra enimbolana, dia loharano “mety afaka hamàhana ireo fanadihadiana lalina hataon'ireo mpanao gazety, ireo mpilaza tantaran'olona iray ary ireo hafa mpanao tantara “.
Efa miresaka tantara ihany, mizotra manaraka “ireo lalan'ny tahirin-tsaina” io Asa Fanaovan-gazety mikirakira ny Angon-drakitra io, fandraisana andraikitra iray natombok'ireo tanora avy ao Kamerona tamin'ny alàlan'ny “Yes Africa” mitrandraka ny lovany ara-tantara sy ny kolontsainy. Io lova io dia afaka mitaha amin'ny lanjany raha toa ataon'ny tanora izay handrenesana ny feony mandritra ireo fifidianana hoavy, indrindra indrindra fa manambara fifidianana haroso mialoha ireo mpanaramaso, alohan'ny taona 2018.