Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Marsa, 2011
Madagasikara: resaka taorian'ny nijoroan'ny governemanta vaovao
Ny mpamaham-bolongana Thierry Andriamirado no nanome ny lisitr'ireo mpikambana vaovao ao amin'ny governemanta fao najoro indray eto Madagasikara [fr] araka izay nanononana azy tao amin'ny radiom-pirenena. Ny mpamaham-bolongana politika Ndimby kosa nanome ny famelabelarana momba ny firafitr'ity lazaina ho governemantan'ny fampiraisam-pirenena ity sy ny mety hisian'ny faneken'ny fiarahamonina iraisampirenena ny fitondram-panjakana...
Koety: Lasa alina ny andro noho ny tafiotram-pasika
Nisy tafio-drivotra arahina fasika lehibe nandrakotra an'i Koety nandritra ny minitra maro tamin'ity atoandro ity. Niaraka tamin'ny Kamera, nanome topi-maso ny zava-niainany ireo mpampiasa aterineto Koety satria dia nivadika ho alina ny andro. Ireto misy toraka tao amin'ny YouTube, Twitter ary Facebook.
Shina: Voasakana Ireo Protocoles-n'ny PTP sy L2TP VPN
Fanavaozana tamin'ny 22 Martsa: mpamaky iray no nilaza taminay tamin'ny alalan'ny mailaka fa fa ny sasantsasany amin'ireo protocoles PPTP sy L2TP ihany no voasakana sy tapaka any Shina ary tsy manana olona miditra amin'ny alalan'ny PPTP sy L2TP izy avy any Beijing. Ny mpampiasa sasany avy any Guangzhou dia manamarika...
Myanmar: Fitantarana ny Taorian'Ilay Horohorontany Avy amin'Ireo Mpiasa Mpanao Vonjitaitra
Mbola tena ao anatin'ny hatairana nentin'ilay horohorontany namely ny fireneny ary nanana hery 6.8 tanteraka mihitsy izao i Myanmar. roa andro aty aoriana. Nandika ireo tafatafa sy tantara samihafa avy amin'ireo mponina sy mpiasa mpanao vonjitaitra izay nanatri-maso ny halehiben'ny dona naterak'ilay fihetsehana tany amin'ny ilany avaratr'i Myanmar ny mpanoratra avy ato aminay mipetraka any Myanmar
Libya: Nitombo tao Misrata ny Helok'i Gadhafi.
Ao anatin'ny tantaran'ny fandravana sy ny fiakaran'ny isan'ny maty, nifoha maraina ny olom-pirenena Libyana androany noho ny vaovao momba ny fahafahan'ny Zintan sy ny fandroahana ireo tafik'i Gaddafi ao Addabiya. Nandritra izany, nanohy nijery ny zava-mahatsiravina sy ny habibiana mibaribary ao Misrata izao tontolo izao, izay mbola notohizan'ny tafik'i Gaddafi...
Sodàna: Satria afaka aho, Hitsangana aho ary Hiteny hoe TSIA
Tamin'ny 21 Martsa 2011, teraka ny “Andron'ny Tanora Sodàney ankehitriny”. Tanora avy amin'ny oniversite manerana an'i Sodàna no mifandray sy mifampizara vaovao amin'ny alalan'ny Facebook sy Twitter mba ho ainga sy tetika hametrahana ny andiam-pihetsiketsehana vaovao enti-manohitra ny governemanta Omar al-Bashir. Ny fanentanana tao amin'ny Facebook izay nitarika ireo tanora mpianatra...
Syria: Namotika sy Nanaisotra ny Sarin'ny Fitondrana Syria ny Mpanao Fihetsiketsehana.
Fanadihadina manokana momba ny Fihetsiketsehana ao Syria taona 2011 ity lahatsoratra ity. Ao Syria, hita matetika eny amin'ny takelaka fametrahana dokambarotra, eny amin'ny trano be, ary amin'ny endrika sarivongana ny tarehin'ny Filoha Bashar al-Assad sy ny rainy, ny Filoha teo aloha Hafez al-Assad. Gaga indraindray ireo vahiny eto amin'ny firenena...
Brezila: Ny Sandan'ny Famatsiana Ara-Bola ny Kolotsaina
Vaovao vao haingana ny hoe navelan'ny Ministeran'ny Kolotsaina Breziliana ilay mpihira malaza Maria Bethânia mba hanangona volaR$ 1.3 tapitrisa tsy tataovan-ketra (ny reais Breziliana iray dia tokony ho US$ 777,000 eo h eo) mba hananganana bilaogin-tononkalo, ary izany dia niteraka hatezeran'ireo mpitoraka bilaogy, ny mpampiasa Twitter sy ireo mafàna fo hafa amin'ny sehatry ny kolotsaina.
Brezila: Adihevitra manodidina ny boky ho an'ny ankizy manavakava-bolonkoditra
Eo am-pamakiana ity lahatsoratra ity, maninona moa raha mba mihaino ihany koa ny hira Yellow Woodpecker's Ranch (Sítio do Pica-Pau Amarelo) [pt], feonkira mahazatran'ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra Breziliana nalaina tamina bokin'ny ankizy nosoratan'i Monteiro Lobato. Hira noforonin'i Gilberto Gil, azo henoina ao amin'ny tranonkalan'ny mpanakanto. Tsindrio eto handefasana ny raki-kira amin'ny varavarankely...
Yemen: Nitaky ny fametraha-pialàn'i Saleh ao Sanaa ireo vahoaka maro be
Fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana tao Yemena taona 2011 ity lahatsoratra ity. Vahoaka an'arivony no nanao fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny Fiovana, tao an-drenivohitra Yemenita Sanaa, mba hitaky ny fialan'ny Filoha Ali Abdulla. Nihamafy ny fihetsiketsehana araka izay voafaritra hoe Zomàn'ny Fialana ary nitifi-danitra ny miaramila mba hanajanonana ny mpanao fihetsiketsehana manohana...