Eo am-pamakiana ity lahatsoratra ity, maninona moa raha mba mihaino ihany koa ny hira Yellow Woodpecker's Ranch (Sítio do Pica-Pau Amarelo) [pt], feonkira mahazatran'ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra Breziliana nalaina tamina bokin'ny ankizy nosoratan'i Monteiro Lobato.
Hira noforonin'i Gilberto Gil, azo henoina ao amin'ny tranonkalan'ny mpanakanto. Tsindrio eto handefasana ny raki-kira amin'ny varavarankely hafa.
Volana vitsivitsy izay, niady hevitra momba ny haisoratra, ny sivana, ny fanavakavaham-bolonkoditra ary ny fampianarana ny valan-tserasera Breziliana, arahin'ny soso-kevitra avy amin'ny Vaomieram-pirenena momba ny fampianarana mba hanalana ny bokin'ny mpanoratra malaza Monteiro Lobato Caçadas de Pedrinho (Mandeha mihaza i Petera) [pt] tsy ho ampiasaina eny an-tsekoly.
Natao horonantsary mihetsika mitohy amin'ny fahitalavitra ny Caçadas de Pedrinho an'i Lobato nandritra ny taompolo 1980 izay mbola mandeha amin'ny firenena miteny Portigey amin'izao fotoana izao. Tany amin'ny faramparan'ny taona 1990, noraisina ho fitaovam-pampianarana any an-tsekoly manerana an'i Brezila izy, ary isan'ny fandaharam-pampianaran'ny governemanta ihany koa izany ny mizara ny boky eny amin'ny sekolim-panjakana.
Na izany aza, taty amin'ny faraparan'ny taona 2010, dia nametraka taratasy fitarainana mikasika ny boky ny olom-pirenena iray milaza fa tsy mifanaraka amin'ny tondrozotram-pampianarana [pt] avy amin'ny Vaomieram-pirenena ny boky indrindra eo amin'ny “fahabangan'ny fitsarana mialoha, ny fomba fitenenana mahazatra na ny fanisihana miverimberina”, ao anatin'ny mason-tsivana ihany koa no ahitana ny “kalitaon'ny lahatsoratra, ny lohahevitra, ny kalitaon'ny sary ary ny lanjan'ny vakinteny aminy, raha jerena hoe iza ny mpamaky kinendry”. Manazava i Sergio Leo :
(…) os especialistas do MEC [Ministério da Educação] analisaram a denúncia e tiveram de admitir que a obra tem elementos racistas e concluíram que, do jeito que está, não deve constar da lista de distribuição, a menos que tenha uma orientação ao professor e aos pequenos leitores, mostrando que lá em 1933 havia mais racismo no Brasil e que não se deve tomar como padrão de conduta e valor o tipo de referência depreciativa que Lobato faz a negros.
Avy any amin'ny lafivalo ihany koa ny fanoherana izany fanesorana ny boky izany. Nitsipaka [pt] ny hetsika ny manam-pahaizana Akademisiana Breziliana momba ny Teny. Nanoritra ny tranga ho ” fanivanana ara-pedagojika” i Jarbas, avy ao amin'ny bilaogy Boteco Escola (Sekolim-panjakana) [pt] .
Nilaza ny bilaogy Música Pura (Mozika ranoray) [pt] fa lova ny literatiora ka tsy azo ampifanarahana amin'ny fivoaram-pisainana. Mafy ny fanakianan'i [pt] Aldo Rebelo avy ao amin'ny Antoko Komonista raha misy ny karazana veto ampiharina amin'ny Caçadas de Pedrinho amin'ny fametrahana ny “Fitsaran'ny haisoratra any Brezila”.
Valdeci, avy eo amin'ny bilaogy Mais de 140 caracteres (marika mihoatra ny 140 ) [pt], no niantso fanohanana tsy amin'i Lobato ihany fa amin'ny mpanoratra rehetra izay nahasahy nihaika ny mahay mitondra tena ara-politika (politiquement correct):
Agora o Conselho Nacional de Educação vai tomar para si o direito de invadir editoras mundo a fora, com se donos da verdade absoluta fossem, para recolher os livros de Monteiro Lobato, Machado de Assis, Castro Alves e tantos outros escritores que “ousaram” escrever suas histórias longe da hipocrisia do politicamente correto (termo e conceito estes que nem existiam na época)…
I Monteiro Lobato no atidoha tompon'andraikitra voalohany ny boky hanalana voly ny ankizy tamin'ireo taranaka Breziliana maro nifandimby. Noheverina ho maherifon'ny firenena, tena nanana anjara be tokoa izy tamin'ny lova ara-kolotsain'ny firenena.
Maurício de Souza mpamorona ny boky tantara an-tsary Turma da Mônica (Ny tarik'i Monica) dia nakan'i Silvana Nunes ao amin'ny Meu caderno de poesias (Ny kahien'ny tononkaloko) [pt] hevitra tamin'ny fanohanana amin-kafanam-po ny asa soratr'i Lobato:
(…) durante essa guerra que travava contra o atraso, semeava ideias e livros para as crianças. Os melhores de todos os tempos.
Na izany aza, hitan'i César Baldi tanisain'ny BloQ [pt] ho voafetra amin'ny resaka fanavakavahana nandritra ny fotoana nanoratana ny boky (fehin-kevitra ampiasaina hiarovana an'i Lobato) dia fandavana ny endrika fanavakavahana mihatra hatrany amin'ny mainty hoditra.

Ny tranon'ny Yellow Woodpecker Ranch ao amin'ny horonantsarin'ny fahitalavitra Globo nalaina tamin'ny bokin'ny ankizy nosoratan' Monteiro Lobato'. Sary nahazoana alalana tamin'ny gazety boky Obvious.
Nanontany ny mason-tsivana ilain'ny Vaomieran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny Sekreterra manokana i Terezinha Pereira avy ao amin'ny bilaogy Alma Carioca (fanahin'ny Carioca) [pt] amin'ny fandalinana ny fitarainana:
Nem devem imaginar que personagens da ficção “tem voz própria” que, necessariamente, não é a mesma do autor. E se fosse? Não seria um bom motivo para discussão na escola?
Manome fomba fijery ara-pampianarana mikasika ny resaka i Idelber Avelar, avy ao amin'ny bilaogy O biscoito fino e a massa (Ny biskoy sy ny vahoaka ) [pt]:
a contextualização [é] necessária para que epítetos, comportamentos discriminatórios, racismo explicito, ódio a povos ou a orientações sexuais etc., sancionadas e apresentadas como normais no contexto em que a obra foi escrita ou no interior dela (…) sejam lidos criticamente e não replicados como modelo pelos alunos. Não é tão fácil como parece. No caso de Monteiro Lobato, é imensamente difícil.
Ho an'i Sergio Leo [pt] dia mbola tsy namaky ny bokin'i Lobato ny ankamaroan'ireo mpandalina avy ao amin'ny Vaomieran'ny Fanabeazam-pirenena, fa nahalala ny asany tamin'ny alalan'ny fanamboaran'ny fahitalavitra azy izay efa tsy misy “fanavakavahana sy zavatra hafa” intsony.
I Alberto Mussa, lazain'i Rafael Rodrigues ao amin'ny Entretantos (Na izany aza) [pt], kosa dia mino fa fotoana izao hanalana ny hevitra hoe tsy misy any Brezila mihitsy na ny fanavakahana na ny fitsaratsarana olona mialoha. Miandry ny horesen-dahatra moa izy ao amin'ny lahatsoratra fototra nosoratany ao amin'ny gazetin'ny haisoratra:
Me convençam que uma criança negra lendo uma passagem racista de um dos livros do genial Lobato não vá se sentir vexada, discriminada, constrangida. Me convençam que livros como esses não violam a integridade psíquica e moral da criança – que somos, por lei, obrigados a proteger.
Maneho fahasamihafana mazava eo amin'ny vaovaon'ny haino aman-jery mahazatra sy ny an'ny tontolon'ny bilaogy ny adihevitra eo amin'ny raharaha Monteiro Lobato. Ny iray voalohany mahazo vahana amin'ny fepetran'ny fanakanana, mametraka fandaharam-potoana izay voizin'ny resaka diso amin'ny tranga sasany.
Ny tontolon'ny bilaogy kosa etsy andanin'izany miditra lalina kokoa amin'ny resaka ary maneho karazana fomba fijery maro, manohana sy manohitra, izay tsy mety loatra ho an'ny ankamaroan'ny mpamaky na mpijery ny haino aman-jery .
1 hevitra