Fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana tao Yemena taona 2011 ity lahatsoratra ity.
Vahoaka an'arivony no nanao fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny Fiovana, tao an-drenivohitra Yemenita Sanaa, mba hitaky ny fialan'ny Filoha Ali Abdulla. Nihamafy ny fihetsiketsehana araka izay voafaritra hoe Zomàn'ny Fialana ary nitifi-danitra ny miaramila mba hanajanonana ny mpanao fihetsiketsehana manohana ny fitondrana tsy hifandona amin'ny mpanao fihetsiketsehana manohana ny demokrasia.
Andro nisiana rà mandrika ny Zoma farany teo hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketseham-panoherana an'i Saleh tao Yemen , roa volana mahery izay.
Indreto fihetseham-po farany tao amin'ny Twitter:
Napetraky ny tafika ny tsipika. Raha tokony hitifi-doha (safidy 1) dia nisafidy ny hiara-dalana amin'ny vahoaka ny miaramila Yemenita mba ho tombontsoan'i #Yemen.
Tamin'ny fidiran'ny miaramila! Nampitandrina ireo mpomba ny fitondrana tsy hanafika ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana Yemenita. #Yemen
Tara loatra ny oran'ny fifanarahana. Niantso ny Filohany Saleh ny foko manohana azy mba hametra-pialàna noho ny fangatahan'ny vahoaka: MIALA. #Yemen
Masaka. Mahita ireo mpanao fihetsiketsehana tao Sanaa aho namoaka boky momba ny kianja Tahrir aho, nametraka toeram-pisavàna ho an'ny mpanao fihetsiketseha ny olom-pirenena. #Yemen
Naka tahaka ny bokin'i Gaddafi i Saleh, mody nilaza izy fa mpivarotra zava-mahadomelina ny mpanohitra. #Yemen
Nilaza ny fitondrana ao #Yemen fa mpanohana an'i Hothi sady mpivarotra rongony ireo mpanao fihetsiketsehana .. Marina tokoa, tsy mahay mamorona angaha ianao?
Tongava aty #Yemen ! 4000 taona ianao ka mendrika hahazo zavatra tsaratsara kokoa noho i Ali Abdullah Saleh
Nahantona ny lalampanorenana, tsy ara-drariny ny fisamborana, ary voarara ny fanaovana fihetsiketsehana noho ny fametrahana ny firenena ho latsaka an-katerena.#Yemen
Tsy mitady #ADY IZAHAY, tsy mila an'i SALEH izahay, fa mila #filaminana sy #demokratia!!!!!mila#YEMEN ! #fahalalana tsara kokoa izahay.