Vaovao vao haingana ny hoe navelan'ny Ministeran'ny Kolotsaina Breziliana ilay mpihira malaza Maria Bethânia mba hanangona volaR$ 1.3 tapitrisa tsy tataovan-ketra (ny reais Breziliana iray dia tokony ho US$ 777,000 eo h eo) mba hananganana bilaogin-tononkalo, ary izany dia niteraka hatezeran'ireo mpitoraka bilaogy, ny mpampiasa Twitter sy ireo mafàna fo hafa amin'ny sehatry ny kolotsaina.
Ny famatsiana ilay tetikasa dia toa miainga avy amin'ilay antsoina hoe Lei Rouanet (Lalàna Rouanet) [pt], izay natao indrindra indrindra handrisihana ny fampiroboroboana ny kolotsaina Breziliana. Ilay lalàna dia manome fahafahana ireo orinasa sy olontsotra hampiasa ampahany amin'ny hetrany anatinà tetikasa ara-kolotsaina.
Araka ny ambaran'ny[pt] vohilaka Comunique-se, ilay mpihira Bethânia dia hanao fandraketana lahatsary 365 ho an'ny bilaogy O Mundo Precisa de Poesia (Mila Tononkalo Izao Tontolo Izao), ka ao anatin'izany no hiventesany ny tononkalo nosoratany. na avy aminà mpanoratra hafa:
Os 365 vídeos, um para cada dia do ano, serão dirigidos por Andrucha Waddington, famoso cineasta. O valor do blog e a escolha do cineasta para dirigir os vídeos causaram polêmica. Muitos internautas questionam se Maria Bethânia não conhece o WordPress, Blogspot e YouTube, ferramentas gratuitas.
Avotr'aina ara-kolotsaina
Ny kiana fototra nentin'ireo mpitoraka bilaogy sy mpampiasa dia nifantoka tamin'ny sandan'ilay tetikasa sy ny hoe mpanakanto manana ny lazany toa an'i Bethânia ve dia mila miditra amin'ny làlana toy izany vao hahita mpanohana, raha etsy andaniny ireo mpanakanto madinika vao misondrotra tsy mahita akory ny làlan-kombany mba hivoahan-ko velona.
Tao amin'ny Twitter, the reactions have been of outrage:
@M_Caleiro: Bethãnia é uma grande artista, não se contesta. Mas não precisa de dinheiro público para montar blog, enquanto muitos, com talento, precisam
@M_Caleiro: mpanakanto goavana i Bethânia, tsy iadian-kevitra. Saingy tsy mila ny volam-bahoaka izy mba hananganana bilaogy, raha ny maro, manana talenta kosa, mila izany
@bete_davis: @M_Caleiro tb acho que ela e o andrucha não precisam disso, verba pra cultura devia ir pra quem ñ consegue captar
Ao amin'ny Facebook, ilay mpisolovava Maria Carolina Campos comments [pt]:
depois dos outros 3 milhões que ela conseguiu pra turnê que aqui em BH custava quase R$ 200,00 o ingresso!
Ny fanomezan-dàlana avy amin'ny Ministeran'ny Kolotsaina ho an'ilay tetikasa dia midika fa hamotsotra hetra analinaliny ny fanjakana:
@viniciusduarte: Autorizar a Bethânia a captar R$ 1,3 mi corresponde ao governo ABRIR MÃO de R$ 520 mil em impostos, no mínimo.
@viniciusduarte: No mínimo, porque ela pode captar 100% do valor com pessoas físicas (há mercado pra isso) e o valor sobe pra R$ 1,04 mi.
Pablo Villaça, avy amin'ny bilaogy Cinema em Cena maminavina fa, ny fakàna ilay bolongam-bola dia mandeha mankany amin'ireo manangona, fa manodidina ny R$ 1.17 tapitrisa eo ho eo no mankany amin'ny famoronana ilay bilaogy. Ny lahatsary tsirairay dia hitentina manodidina ny R$ 3,200. Hoy izy [pt]:
A pergunta, então, deveria ser: três mil reais por vídeo é um valor tão absurdo assim? Impulso inicial de quem sabe como é caro produzir audiovisual: não, não é.
Nefa mbola manampy koa izy fa raha izany sanda izany dia tsy tokony ho anà lahatsary manana faharetana 3-5 minitra miresaka olona tokana monja mitanisa tononkalo, ary ampiany hoe:
Claro que, para ser completamente justo, eu (na verdade, qualquer um) só poderia bater o martelo nesta acusação depois de estudar a planilha de custos apresentada pelos proponentes ao Ministério da Cultura. Mas ainda assim, considerando a logística da produção e uma experiência básica em audiovisual, a conta ainda soa exageradamente salgada e fora de propósito.
Tiago Agostino namoaka [pt] tamin'ny alàlan'ny Twitter ny tetikasa niaingana nalefan'i Maria Bethânia tamin'ny Ministeran'ny Kolotsaina. Ny bilaogy Implicante dia tonga dia namotipotika [pt] haingana ilay vinavinan-tetibidy sy nanamarika tamin-pahasorenana hoe:
A própria Maria Bethânia é a DIRETORA ARTÍSTICA (R$ 600 mil) e também ocupa os cargos destinado à “pesquisa” (R$ 36 mil).
Na izany aza, ny Ministeran'ny Kolotsaina dia namoaka fanambarana iray [pt] nanamafy ny maha ara-dalàna ny dingana sady nanitrikitrika fa nanaraka ny fitsipika an-tsakany sy andavany ilay fankatoavana:
Os critérios da CNIC são técnicos e jurídicos; assim, rejeitar um proponente pelo fato de ser famoso, ou não, configuraria óbvia e insustentável discriminação;
Antônio Mello, ao amin'ny bilaoginy, mamaly [pt] ny fanontaniana mikasika ny mety haha-ara-dalàna ny famatsiam-bola:
Está. É a lei.
O que se deve discutir é se o governo deve abrir mão do poder de escolha de onde deve investir integralmente o dinheiro dos impostos.
Eny. Izany ny lalàna.
Ny tokony hiadiantsika hevitra dia ny hoe tokony ve ny governemanta hampiato ny fahafahana mifidy hoe aiza avy no azony ampiasana manontolo ny vola avy amin'ny hetra.
Inona araka izany no tena olana lehibe niteraka ity fifanjevoan-kevitra ity, nahatonga ny teny hoe “Maria Bethânia” handany andro maro tany anatin'ireo lohahevitra mafana teo amin'ny Twitter Breziliana? Ny bilaogy Imprença manazava [pt] fa::
[..] é preciso esclarecer que a questão não é o blog, nem a Bethânia. O problema maior é a “Lei Rouanet”.
Para quem não está familiarizado com a lei Rouanet, eu explico e é algo bastante simples. Todo ser humano {{ou empresa}} que tenha intenções culturais pode mandar um projeto para a lei Rouanet. Você (…) preenche os formulários (… e) o projeto é aprovado {ou volta para você corrigir, repetir o processo até que seja aprovado}. Lindo! E aí?!
Aí você pega o orçamento aprovado, vai até alguma empresa e diz: “Oi, eu sou Fulano, tenho um projeto cultural aprovado pela lei Rouanet e gostaria do seu patrocínio”.
[..] ilaintsika ny manipika fa tsy Bethânia na ny bilaogy akory no tena olana eto. Ny tena olana lehibe eto dia ny “Lalàna Rouanet”.
Ho an'ireo tsy mahalala tsara ny Lalàna Rouanet, hazavaiko, zavatra faran'izay tsotra io. Na iza na iza olon-tsotra (na orinasa) manana vinavina ara-kolotsaina dia afaka mamorona tetikasa atolotra araka ny Lalàna Rouanet. Mameno antontan-taratasy ianao […] [ary] ankatoavina ny tetikasa (na averina aminao mba hasiam-panitsiana, ary dia mamerina ireo dingana samihafa ianao mandra-pahazon'izy io ny fankatoavana). Milay! Tsara, sa tsy izany?!
Avy eo mahazo fankatoavana ny tetibolanao, dia mandeha any amin'ireny orinasa ka miteny hoe “Miarahaba, izaho no izatsy-sy-izatsy, ary manana tetikasa ara-kolotsaina nankatoavin'ny Lalàna Rouanet aho ka mba te-hahazo ny fanohanana ara-bola avy aminareo”.
Ity dingana ity, giazan'ny tombontsoan'ireo anarana goavana sy fehezin'ny tsena, dia nisedra fiovaovana goavananandritry ny taona maro nifandimby, nanome vahana ireo anarana efa fanta-bahoaka manoloana ireo izay vao manomboka, hoy i Mauricio Caleiro, mpitoraka bilaogy, mpanao gazety sady mpamokatra sarimihetsika manazava [pt]:
(…) o imbroglio envolvendo a cantora baiana pôs a nu as vicissitudes da “Lei Rouanet”, instrumento que, logo após ser criado, desempenhou papel fundamental na sobrevivência de determinados setores artísticos durante o outono neoliberal, mas que, como o episódio em questão evidencia, acabou por gerar graves distorções nas relações entre economia, ideologia e produção cultural.
Alfredo Manevy, tanatinà resadresaka nifanaovana tamin'ny vohikala A Rede, manome sary an-tsaina [pt] ny olana:
O Minc aprova 10 mil projetos por ano. Desses 10 mil, 20% captam recursos e 80% batem nas portas das estatais e de empresas privadas sem sucesso.
Conceição Oliveira, ao amin'ny bilaoginy, manampy [pt]:
Os artistas que já estão inseridos na indústria cultural e que têm, devido a sua fama e visibilidade, muito mais chances de conseguir recursos que possibilitem desenvolver um produto profissional.
Tena ilaina ny manamarika fa ny Ministeran'ny Kolotsaina, tarihan'ny Minisitra Ana de Hollanda, dia voapalapalan'ny fanakianana hatrany amin'ny fiandohan'nytaona, taorian'ny nanesorana ny fahazoan-dàlana Creative Commons tao amin'ny vohikalan'ny Ministera, araka ny efa nitateran'ny Global Voices azy tamin'ny Janoary 2011. Izy io ihany koa dia nandray fepetra samihafa heverin'ny ankamaroan'ireo mafàna fo ara-kolotsaina sy politika ho fihemorana.
Ho fanesoesoana amin'ity olana ity dia noforonin'i Raphael Quatroci ny bilaogy mahatsikaiky Bilaogin'i Bethania: antony 1 tapitrisa hitondra anao amin'ny fahombizana [pt].