Tamin'ny 21 Martsa 2011, teraka ny “Andron'ny Tanora Sodàney ankehitriny”. Tanora avy amin'ny oniversite manerana an'i Sodàna no mifandray sy mifampizara vaovao amin'ny alalan'ny Facebook sy Twitter mba ho ainga sy tetika hametrahana ny andiam-pihetsiketsehana vaovao enti-manohitra ny governemanta Omar al-Bashir.

Adroany 21 Martsa, Hiaraka hamirapiratra ny ankehitriny isika mba hanova ny hoavy. Loharanon-tsary: pejy facebook Tanora ho an-ny Fiovana
Ny fanentanana tao amin'ny Facebook izay nitarika ireo tanora mpianatra Sodàney eo ambanin'ny teny filamatra hoe, “Satria Sodaney afaka aho, hitsangana aho ka hiteny hoe TSIA”. Ny fanentanana dia natao tao amin'ny fikambanana Facebook antsoina hoe “The Spark” ” ny Mamirapiratra” na “Hetsiky ny Tanora ho amin'ny Fanovana”.
Ireto ambany ireto tweets sasany avy amin'ireo feo isan-karazany anatiny sy ivelan'ny Sodàna momba ny fihetsiketsehana tamin'ny 21 Martsa.
@PerledeNubia tsy misy zava-mitranga. fihetsiketsehana kely no miseho amin'ireo oniversite sasany, saingy niato vetivety. #Sudan #March21
Vaovao farany: Mety hamaky ny foiben'ny fiarovana ny mpianatry oniversite eto an-toerana izay manao fihetsiketsehana ary handeha ao an-tsenan'ny tanàna#Sudan. via Adel Abdelaty #March21
Fihetsiketsehana ao Madani ary tapaka daholo ny jiro manerana ny tanàna rehetra #march21 #sudan
Photos: #Fikambanan'ny Mpianatra Sodaney ao #Pakistan namonjy ny fihetsiketsehana #March21. http://bit.ly/f2mTks — #Sudan #Jan30
Tao Khartoum, fifandonana ihany no manodidina ny oniversite indrindra tao Nilein, Ahliyya #sudan #march21
Nivoaka ny tsenan’ i #Khartoum ny fihetsiketsehana, nana voady ireo tanora ny mbola hanohy taorian'ny fisamborana olona 21 omaly. #March21 #Jan30 #Sudan
Nanova ny tontolo manodidina azy ireo ny mpikatroka an-tserasera Sodàna. Na dia maniry mafy ny hifandray amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny aterineto aza, maniry koa izy ireo ho ao anatin'ny fihetsiketsehana ao an-toerana mba ho Fanovana an'i Sodàna. Mandrisika ny tanora ao an-tanàna hilaza ny heviny sy handray anjara amin'ny Fanovana politika ny fahatongavan'ny hosina (“fibre optique”) ao amin'ny firenena Afrika atsimon'i Sahara.
Vokatry ny fanentanana natao amin'ny aterineto toy ny The Spark, nampitandrina ny Kongresim-pirenen'ny Antoko Sodana fa hamotika io fanentanana manohitra ny governemanta io ny Jihadista an-tseraseran-dry zareo.