Ao anatin'ny tantaran'ny fandravana sy ny fiakaran'ny isan'ny maty, nifoha maraina ny olom-pirenena Libyana androany noho ny vaovao momba ny fahafahan'ny Zintan sy ny fandroahana ireo tafik'i Gaddafi ao Addabiya. Nandritra izany, nanohy nijery ny zava-mahatsiravina sy ny habibiana mibaribary ao Misrata izao tontolo izao, izay mbola notohizan'ny tafik'i Gaddafi nandritra ny alina.
Indreto fitetezana ireo fihetseham-po tao amin'ny Twitter:
Libya 2 Martsa
Ao Zintan:
Tahaka ny mahita an'i Zintan afaka. Toa hisy vaovao mahafaly (efa voamarina) ihany koa avy any Misrata ato ho ato, ary Tombony azo any Ajdabiya.
#Zintan noafahana indray! nitsoaka ireo mpandrava efan'i #Gaddaf i ary namela fiara mifono vy sy fitaovam-piadina mahery vaika sasantsasany http://bit.ly/esP9oW #Libya
@osamasolieman: Lehilahy naratra tao Zintan no nilaza ahy fa nomen'i #Gaddafi vola 250,000 tsirairay mba hiady. Saingy nandà izy ireo #feb17 #Libya
Ny hitan'ny LPC (Anglisy) http://bit.ly/glvi8F namaritra ireo toerana maromaro misy ny tafik'i #Gaddafi, anisan'izany#Misrata #Libya
Vaovao: Tsy mampiasa “anesthésie” ny mpitsabo ao amin'ny hopitaly Misrata. http://bit.ly/gcffFF tsy misy fanafody manala fanaintainana #humanrights, #medicalethics
Mahafantatra ny rehetra raha nalain'ny revolisionera indray ny hopitaly ao #Misrata?
Ny tafik'i#Gaddafi nanafika ny moské tao #Misrata-azafady jerevo izany any amin'ny farany http://youtu.be/SQVeLelLYts Tsy misy toerana hivavahana izay tokony ho kendrena 🙁
ampy ny 90 andro? “@NickKristof: Tao Ajdabiya n Misrata, toa mandeha tsara ny ao anaty vahoaka ao #Libya. Omeo ny mpikomy ny fotoana. Naka 10 herinandro ny tao Kosovo.”