Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Jordania: Herisetra amina baolina kitra sa Fanavakavahana?

Ireo tatitry ny Fampahalalam-baovao dia maminavina fa 250 any ho any ny naratra taorian'ny lalao baolina kitra tao atsimon'i Amman  nifanandrinan'ny tarika Wihdat, izay matetika no tohanan'ireo Jordaniana manam-pihaviana Palestiniana,  sy  ny tarika  al-Faisali, izay mazàna kosa no tohanan'ireo Jordaniana manam-pihaviana avy any Transjordania.

Maro ny mpandefa Tweet no nifantoka tamin'ny fanamelohana ilay herisetra:

@Namleh Tsy maintsy manana fo mahay mandefitra & sy mahay mifanaja ny Atleta ! indrisy anefa fa tsy izany no nitranga nandritra ny lalao baolina kitra tany #jo

Ny sasany nanatsiny ny ekipa iray ho fototry ny herisetra; 5hadz nanatsiny ny mpanohana ny Faisali:

@anammari No, el Wehdateye bi7ayathom ma balasho fight, it's always been el Faisaleye.
http://twitter.com/5hadz/status/13531784515952640

Tsia, tsy mbola nitarika ady nandritry ny androm-piainana ny mpanohana ny Wihdat, fa ireo mpanohana ny Faisali hatrany.

Dania Ab nanatsiny ireo mpanohana ny Wehdat:

We all know how savage the wi7dat team are ,oo ya reet kan el darakyeen thaba7ohom o 7aragohom kman bekon a7san #Jo” هذاتفكيرلايجدي

Fantatsika rehetra hoe manakory ny habibian'ireo tarika Wihdat, ary iriko ny hanajedahan'ny zandary sy handorana azy ireny; tsaratsara kokoa izay

Tsy niandry ela i Noha Safar nanameloka an'io teny mahery io:

“@Daniiiaa: We all know how savage wi7dat team are,oo ya reet kan el darakyeen thaba7ohom o 7aragohom kman bekon a7san #Jo” هذاتفكيرلايجدي

“Fantatsika rehetra hoe manakory ny habibian'ireo tarika Wihdat, ary iriko ny hanajedahan'ny zandary sy handorana azy ireny; tsaratsara kokoa izay” – Tsy mankaiza ny foto-pisainana toy izao.

Na dia ny Solombavambahoaka iray aza dia nirotsaka koa tao anatin'ny lalaon'ny fifanomezan-tsiny:

@5hadz Even MPs .. الفايز مع اتخاذ عقوبات بحق النادي الذي تسبب جمهوره بهذه الاحداث He means Wehdat? http://bit.ly/gmK2ca

Al Fayez (Solombavambahoaka iray) dia mankasitraka ny hamaizana ny klioba nitaona ny olona ho amin'ireny tranga ireny. Ny Wihdat ve no tiany holazaina?

Maro ireo mpandefa Tweets, na izany aza, no nampifantoka ny hatezeran-dry zareo tany amin'ny fomba fandrakofana iny tranga iny nataon'ny  Al-Jazeera, izay nanome tsiny ny mpitandro filaminana Jordaniana, ary ny fivoaran'ny fanavakavahana mankamin'ny herisetra:

Sanad Azab nanoratra:

Such a BS misleading report “@fayez: تقرير #الجزيرة حول ضرب الدرك للجمهور #jo #video http://j.mp/e0PePz”

Sahala amin'ny tatitra vilana BS iray. Ny tatitry ny Al-Jazeera momba ny fidarohan'ny mpitandro filaminana an'ireo mpanohana.

Niaiky i Ayment Saket :

Na dia nilaza aza ny #AlJazeera fa ireo mpanohana ny  #AlWihdat no namaky ny fefy nandritra ny fankalazany, ary nifanitsaka tao, mbola  ny mpitandro filaminana #Jo ihany no tsinian-dry zareo.

Nanoratra i Ahmad Ammari :

Fantatsika rehetra tsara ny zavatra tian'ny Al Jazeera hatao amin'io amin'ny Gov #JO Gov amin'izao fotoana RT @5hadz: اه لإنو هاي هي مشكلت العنصرية في الأردن، لعبة كرة قدم!

Oadray, satria noho io dia misy ny olan'ny fanavakavahana eto Jordania – lalao baolina kitra iray!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.