Saodiana i Dr Mohammed Alabdulkareem nosamborina taorian'ny namoahany lahatsoratra iray momba ny fiantraikian'ny fifehezana ny ara-politika eo anivon'ny fianakavian'ny mpanjaka [Ar]. Manana maripahaizana Doctorat amin'ny Lalàna Islamika ity mpampianatra ity, ary mampianatra ao amin'ny Anjerimanontolo Silamon'i Al-Imam Muhammed ibn Saud. Ary tsy vao voalohany amin'ny lahatsorany io, satria efa imbetsaka nanoratra mikasika ny resaka olana ara-politika eo anivon'ny fiarahamonina Saodiana izy.
Ny fisamborana
Raha araka ny pejy Facebook-n'ireo mpanara-dia an'i Dr Alabdulkareem, nolazainy tamin'ilay namany Abdullah Almalki fa efa manindry mandry azy ny ho voasambotra, taorian'ny namoahany ilay lahatsoratra ary talohan'ny nisamborana azy
Reporters Without Borders (Reporters sans Frontières) dia manamarika fa i Dr Alabdulkareem dia nosamborina lehilahy efatra tao an-tranony tsy nisy didy fampisamborana tamin'ny 5 Desambra, 12 andro taorian'ny nandefasana ilay lahatsoratra.
Afaho i Dr Alabdulkareem
Ho karazana fanehoan-kevitra amin'io fisamborana io, feno antso fanafahana ilay mpampianatra ny fampitam-baovao sosialy rehetra. Pejy roa an'ireo mpanara-dia no noforonina ao amin'ny Facebook ho setrin'ny fisamborana. Dia ny: “Free Dr.Alabdulkarim (Afaho i Dr Alabdulkarim)” sy “We are all Mohammed Abdulkarim. (Mohammed Abdulkarin daholo izahay rehetra).” Ankoatra izay, nampiasaina tao amin'ny Twitter ny tenifototra hoe #FreeDrAbdulkarim ho antso fanafahana azy. Maro ny lahatsoratra tanaty bilaogy nosoratana ihany koa ho famotsorana azy. Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra.
Ilay mpitoraka bilaogy Talaf dia mametra-panontaniana mikasika ny fireneny:
Avy tao amin'ny Twitter, Abdulrahman Alnasri, dia mivonona koa ny hosamborina noho ny fijoroany ho an'ny fireneny:
Avy ao amin'ny pejin'ireo mpanara-dia an'ilay mpampianatra, mitondra fanamarihana i Khaled Alhojoori:
لم يعطونهم هامشا من الحرية ثم يعتقلون هذا الهامش؟
لقد أصبحت حياة الناس تبعا لأمزجة البعض ،، تضيع سنوات من عمرك لا بأس بذلك ،، فهي ليست ملكا لك ،، هي ملك لغيرك
كان الله في عونك أخونا محمد ,, فنحن لا نملك غير الكلام ، وأخشى أن يصادر
Fa nahoana ry zareo no nanome azy ireny sehatra malalaka kely, ary avy eo nisintona izany indray?
Aina maro no miankina amin'ny nahim-pon'ny sasany. Tsara ny manararaotra ireo taona maro amin'ny fiananao, satria tsy anao ireo, ny hafa no tompony.
Allah anie homba anao ry rahalahy Mohammed. Tsy manan-javatra hatolotra izahay ankoatra ny feonay, ary manahy mafy fa na io aza mety mbola halàna aminay koa.
Farany, manontany tena i Nofah momba ny zava-miandry an'i Dr. Alabulkareem, raha hoe handany ny sisa andro iainany any am-ponja izy, toy ireo gadra politika maro hafa:
1 hevitra