Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Bosnia Herzegovina

Manaitra amin'ny fahabetsahan'ny fahazoana angovo avy amin'ny rano ao Balkana ny mpandala tontolo iainana

Mihoatra ny 2700 ireo toerana bitika famokarana angovo avy amin'ny rano izay na kasaina na eo am-panganana ao Makedonia Avaratra, Bosnia- Herzegovina, Serbia, Albania, Montenegro, ary Kroasia amin'izao fotoana izao. Saingy tsy nanao fanombanana araka ny tokony ho izy ny fiantraikan'ireny ny governemanta.

Tamberina Feral Tribune, gazety mpanesoeso malaza ao Kroasia efa nikatona

Fantatra amin'ny tsi-fitongilanana tamin'ny adin'nyBalkana sy Feral Tribune was known for its impartial coverage of war in the Balkans and caricatures that ridiculed the nationalist leaders in former Yugoslavia.

Hazakazaka mampitamberina ny tsiaro sosialista: Nalaza haingana dia haingana an-dahatsary ireo fiara Yogoslavy fahita mahazatra

Ny telo amin'ireo fiara ireo dia novokarin'ny orinasa Yogoslavy antsoina hoe Zastava avy ao Kragujevac, Serbia, izay nifototra tamin'ny maodelim-piaran'ny mpamokatra fiara italiana Fiat.

Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić

Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna...

Kroasia: Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Fisamborana An'i Karadžić

Na dia tsy nijaly be loatra noho ireo Bosniaka teo an-tanan'i Radovan Karadžić aza, mizarazara be ny hevitr'ireo Kroaty, na dia afa-po aza tamin'ny fisamborana azy ny ankamaroany ary niandry amim-paharetana ny andro izay hitsaràna azy. Ireto hevitra vitsivitsy avy amin'ny tontolombolongana Kroat

Notoloran'i Sarajevo mariboninahitra maha-olompirenena i Bruce Dickinson

Notolorana ny mahaolom-pirenena Sarajevo amboninahitra i Bruce Dickenson avy ao amin'ny tarika Iron Maiden satria nankahery ny vahoaka tao Sarajevo izy nandritra ny fitsidihany tao amin'ity tanandehibe natao fahirano ity.

Mametraka “Tsangambato” ho an'ireo Fanafody Fampitoniana Ao Skopje ireo Mpanakanto Tsy Mitonona Anarana

Nisy sary sokitra hafakely nipoitra tao Skopje, renivohitr'i Masedonia, ny 9 martsa: tsangambato ho an'ilay fanafody fampitoniana, Diazepam (fantatra ihany koa amin'ny anarany hoe Valium).

Horonantsary Momba Ny Fikomiana, Mamelona Ny Soatoavin'ny Fanoherana Ny Fasista Tany Montenegro

"Eo am-pizaràna ny tantaran'ny adin'ny olontsotra, dia tianay hampahatsiahivina ny taranaka tanora kokoa ny fomba nahazoantsika ny fisitrahana ny zontsika amin'izao fotoana izao... "

Bosnia Sy Herzegovina : Takian'ireo Mpanao Hetsipanoherana Ny Rariny Ho An'ireo Fahafatesana Roa Tsy voavaha

Niely nanerana an'i Bosnia sy ny zanany am-pielezana ny hetsi-panoherana mitaky ny rariny tamin'ny fahafatesan'ilay tanora 21 taona, David Dragičević.

Serbia: Bilaogera miresaka momba ny fisamborana an'i Radovan Karadžić

Andro vitsy monja taorian'ny fitsingerenan'ny faha 13 taonan'ny famonoana tao Srebrenica, izay olona maherin'ny 7.000 no namoy ny ainy, ary sivily Miozolomana ny ankamaroan'izy ireo, voasambotra i Radovan Karadzic, filoha teo aloha tao amin'ny Repoblika Srpska. Miresaka momba izany ireo bilaogera.