Tantara mikasika ny Bosnia Herzegovina

Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić

  27 Desambra 2018

Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna Iraisam-pirenena (ICC), Luis Moreno-Ocampo hanenjika ny Filoha Sodaney Omar al-Bashir, niroso tamin'ny fampitahana an'ireo raharaha roa ireo ny blaogera sasantsasany.

Kroasia: Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Fisamborana An'i Karadžić

  25 Desambra 2018

Na dia tsy nijaly be loatra noho ireo Bosniaka teo an-tanan'i Radovan Karadžić aza, mizarazara be ny hevitr'ireo Kroaty, na dia afa-po aza tamin'ny fisamborana azy ny ankamaroany ary niandry amim-paharetana ny andro izay hitsaràna azy. Ireto hevitra vitsivitsy avy amin'ny tontolombolongana Kroat