Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Avrily, 2011
Tontolo Arabo: Tazon'ny Fampakarambadin'ny Mpanjaka No Rivotra Iainana
Tonga hatrany Afovoany Atsinanana ny dobok'ampongan'ireo mpampita vaovao manodidina ny fampakarambadin'ny mpanjaka ho an'ny Printsy William sy Catherine Middleton rahampitso (29 Aprily), somary naka aina kely amin'ny fandrakofana ny fitroarana mitranga any amin'ny tontolo arabo ireo mpibitsika mba hanamarika ity lanonana sy fandraisana vahiny izay harahana avy ao amin'ny Lapan'ny Buckingham ity.
Roandà: Mametraha Fanontaniana Amin'ny Filoha Roande Ao Amin'ny YouTube
Ny 5 May 2011, ny Filohan'ny Roandà Paul Kagame no mpitarika Afrikana voalohany indrindra hohadihadihana ao amin'ny YouTube World View. Ny World View dia andianà fanadihadiana isam-bolana iarahana amin'ireo mpitarika manana toerana lehibe eran-tany, izay hametrahanao fanontaniana.
Hongria: Ady no niafaran'ny fihenjanana teo amin'ny Hongroà sy ny Rôma Tao Gyöngyöspata
Halina, olona efatra no naratra nandritra ny fifanandrinana teo amin'ny foko Hongroà mpikambana ao amin'ny vondrona farany ankavanana Véderő sy ny fokonolona Rôma ao Gyöngyöspata. Mifanohitra be ihany ny voalzan'ny haino aman-jery Hongroà ny amin'izay nahatonga ny ady - samy mandà ny ho tompon'andraikitra nahatonga ny fifandonana ny fokonolona roa tonta.
Yemen: Fotoana Fisakafoanana Eo Amin'ireo Ankolafin'ny Mpomba Ny Fiovàna Sy Ny Mpomba ny Fitondràna
Nisy mptoraka bilaogy amin'ny lahatsary nitahiry ny fotoana fisakafoanan'ny ankolafin'ireo mpomba ny fitondrana sy ny mpomba ny fiovàna tao Sanna renivohitra Yemeni. Jereo ny lahatsary mba hahitana ny fahasamihafany.
Ny Fitroarana Siriana sy ny Fampitam-Baovao Miely Patrana vs. Ofisialy
Voalohany izao tao anatin'ny folo taona no mitodika any Syria izao tontolo izao, raha an'alinaliny ireo vahoaka manao fihetsiketsehana fanoherana ny fitondrana nifehy tao efa ho 50 taona mahery
Mpanoratra Sy Mpandika Teny Asongadina: Asteris Masouras
Anatin'ity tafatafa niarahana tamin'ny mpandray anjara amin'ny Global Voices ity, miresaka ny amin'ny fomba nanombohany nanoratra ho an'ny vohikala i lay mpanoratra sady mpandika teny, Asteris Masouras. Monina any Thessaloniki, Gresy, Asteris dia nanoratra ho an'ny Global Voices hatramin'ny 2008, mikasika an'i Gresy fireneny sy lohahevitra maro hafa eran'izao tontolo izao. Fanampin'izay, izy dia isan'ireo mpandika teny fototra ho an'ny vohikalantsika niforona tsy ela akory izay, Global Voices amin'ny fiteny Grika.
“Spambots” Twitter: Fomba Fiady Vaovao Mba Hampanginana Resaka
Ny 18 Aprily, nanoratra momba ireo “spambots” nikendry ny teny fototra #Syria mba hampanginana ny feo miantso, na mitatitra ireo fanoherana, i Anas Qtiesh. Raha nahasarika ny sain'ny maro ity tranga manokana ity, tao amin'ny Al Jazeera, Fast Company, sy tany an-toeran-kafa, dia tandindon'ny olana midadasika amin'ireo tambajotra sosialy izany:...
Okraina: Fitorahana Bilaogy Momba Ny Nofy
Taorian'ny fampianarana momba ny fampiasàna ny mediam-bahoaka, mino ireo mafana fo avy ao anatin'ny Fikambanan'ireo Mpisolovavan'ny Fitsaboana Fanolo any Okraina [ru] ary mino fa mety ho fitaovana lehibe amin'ny fampahafantarana ny fitsaboana fanolo ny fitorahana bilaogy ary hiarovana ny zon'ny marary ny fitorahana bilaogy, sady fitaovana hanoratan'izy ireo momba ny fanantenany manokana sy ny nofinofiny.
Fanadihadihana Mikasika ny Fampandrosoana an'i Afrika
Raha nanambara ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana telo andro lasa izay fa nampidininy ny fikasana hampandroso an'i Afrika noho ny fikorontanana misy ao amin'ny faritra maro ao amin'ny kaotinanta, avo kokoa ny tahan'ny fiverenan'ny famatsiam-bola vahiny dia ambony kokoa ao Afrika noho ny an'ny firenana an-dalam-pandrosoana hafa. Ary mbola maro koa ny...
Pôrtô Rikô: Mitohy ny Adihevitra Momba ny Herisetra ao An-tokantrano
Ao Portô Rikô, nangotraka ny adihevitra mikasika ny herisetra ao an-tokantrano. Bilaogy roa no nanaraka ny didy navoakan'ny Fitsarana an-tampony fa ireo iharan'ny herisetra ao anatin'ny fiarahana tsy ara-dalàna dia tsy voaaron'ny Lalàna 54 manohitra ny herisetra ao an-tokantrano. Ary vao haingana, ny fitsarana ambony ao San Juan (renivohitry ny firenena) no nanapa-kevitra fa tsy voaaron'ny Lalàna 54 ny vehivavy hafa niharan'ny herisetra tao an-tokantrano satria tsy ara-dalàna ny fiarahany tamin'ny olona nanao herisetra azy fa filàna ara-nofo fotsiny.