Ny 01 Aogositra, namoaka didy famotsorana an'i Amina Sboui, mafana fo ao amin'ny FEMEN ny fitsarana Toniziana, nosamborina tamin'ny tapaky ny volana May taorian'ny nanoratany ny teny hoe FEMEN teo amin'ny rindrin'ny fasana iray tao Kairouan, tao afovoan'i Tonizia. Ny 30 May, voapanga handoa honitra noho ny fananana baomba mandatsa-dranomaso ‘tsy nahazoana alàlana’ izy. Na dia izany aza anefa, mbola voatazona am-ponja ihany izy noho ireo heloka hafa niapangàna azy, isan'izany ny “maha-mpikambana azy ao aminà fikambanana mpanao heloka be vava” [FEMEN] ary “fandotoana ny fisainam-bahoaka ”. Navotsotra ireo heloka roa ireo. Na dia teo aza ny fandavàna ilay raharaha fanalam-baraka niapangana ilay mafana fo vao 19 taona monja ny 29 Jolay, dia mbola misy ihany ny fiapangana an'i Amina tamin'ilay “fanevatevana fasana”.
Navoaka ny fonja i #Amina mafana fo #Femen. Noesorina avokoa ny fiapangana rehetra afatsy iray ihany. All charges dropped except one. Hiatrika fitsarana izy amin'ny daty mbola tsy fantatra . — Tunisia Live (@Tunisia_Live) 01 Aogositra , 2013
Enfin hors de prison mais on serra satisfait a l acquittement #amina — leyla jD (@leyla81) August 1, 2013
Nivoaka ny fonja ihany ny farany. Kanefa, tsy afa-po izahay raha tsy foana daholo ireo fiampangàna azy rehetra.

Sarin'i Amina raha iny izy nahazo fahafahana iny. Navoaka ny Alakamisy atoandro izy. Sary avy amin'ny pejy Facebook Tunisian Girl
Raha niely be ny vaovao mikasika ny famotsorana an'i Amina, Toniziana maro dia maro mpampiasa Twitter no nahatsiaro an'i Jabeur Mejri, izay voapanga higadra fito taona sy tapany an-tranomaizina noho ny famoahany sarimiaina ahitàna ilay Mpaminany Muhammad.
#Amina est libérée now place à #FreeJabeur ne l'oublions pas ! — Eglantine (@pink_eglantine) August 1, 2013
Afaka i #Amina. Anjaran'ny #FreeJabeur indray izao! Aoka tsy ho adinontsika izy.
#Amina libre! On ne va pas bouder son plaisir mais le combat pour la liberté d'expression et de conviction continue: #FreeJabeur — IlyesA (@Nadhim66) August 1 , 2013
Afaka i Amina. Tsy handà ny famotsorana azy izahay, nefa mbola mitohy ny ady itakiana ny fahafahana haneho hevitra sy ny fahatongavan-tsaina. #freejabeur