Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Mey, 2015
Ireo Yemenita Sy Ny Zavakanto Anaty Fotoanan'ny Ady
Mampiasa ny zavakantony sy ny fahaizany mamorona mba hamarànana ny ady ao amin'ny fireneny ireo Yemenita, firenena izay ny mahantra indrindra any Afovoany Atsinanana. Ato ny fomba ataon-dry zareo.
Nisaona Ny Fahafatesan'ilay Mpanoratra Gazety Ammar Al Shahbander Tamin'ny Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Fahalalahan-gazety Ny Irakiana
Nisaona ny fahafatesan'ilay mpanoratra gazety Ammar Al Shahbander namoy ny ainy tamin'ny fipoahana baomba tanaty fiara tao Baghdad nataon'ny ISIS ny Irakiana.
Fihetsiketsehana Hanovana ny Politikam-Pifindramonin'ny Vondrona Eoropeana ao Strasbourg
Mitombo ny isan'ny rendrika sy ny maty amin'ireo mpifindramonina manavatsava an'i Mediteranea, fa tsy manao vonjy aina hatrany ny laharam-pahamehan'ny Vondrona Eoropeana.
Manasongadina Ny Antontanisan'ny Voina Ao Yemen Ny Sarin'ny Loza Ao Yemen
Tamin'ny alalan'ny diezy Twitter #YemenInNumbers, nampiseho tamin'ny fomba vaovao ny loza ao Yemen tamin'ny alalan'ny sary tsotra sy manintona ny maso i Ruba Aleryani, mpianatra Yemenita ao amin'ny Oniversite Brown
Maka Hetsika Maroloko Ilay Taombaovaon'i Bengali Manohitra Ny Fironana Mahery Fihetsika Ara-pinoana Ao Bengladesh
Tao anatin'ireo fetibe firavoravoana ho fankalazana ny Taombaovao Bengali tao Bengladesh ny hafatra iray mafonja "mandrehitra hazavana maro anatin'ny haizin'ny fo," mba hahatsiarovana ireo bilaogera sy mpikatroka mafàna fo nisy namono tsy ela akory izay.