Manamarika ny Andro Iraisam-pirenena hoan'ny Fahalalahan-gazety ny Irakiana androany, ary misaona ny fahafatesan'ilay mpanao gazety Ammar Al Shahbander namoy ny ainy tamin'ny fanapoahana baomba nataon'ny ISIS tao Karrada, Baghdad.
Al Shahbander, mpiaro ny fahalalahana miteny no Lehiben'ny Famitana Iraka tao Irak hoan'ny Ivo-toerana Mitatitra momba ny Ady sy Fandriampahalemana (IWPR). Naratra ny mpiara-miasa aminy, Emad Al Sharaa (mafy ny ratra nahazo azy saingy tsy atahorana intsony ny ainy) tamin'ny fipoahana indroa tao amin'ny faritra ara-barotra be olona, izay namoizana ain'olona 17.
“Toe-javatra mampalahelo ho an'ny fianakaviany mahafinaritra ny fahalasan'i Ammar ary dona goavana ho anay rehetra ato amin'ny IWPR izany,” hoy ny Tale Mpanatanteraka ao amin'ny IWPR, Anthony Borden. “Nazoto tamin'ny fandraisana anjara hanorina Iràka vaovao sy milamina izy, ary iray amin'ireo nanana vaovao be indrindra, tia mamorona zava-baovao sy mpikambana mazoto ao amin'ny fiarahamonim-pirenena - nohajain'ireo manam-pahefan'ny governemanta, ny diplaomaty Tandrefana sy ny gazety iraisam-pirenena tanteraka izy, ary nankafizin'ireo mpiara-miasa aminy. Fahaverezana goavana hoan'i Iraka sy ho antsika rehetra ny fahalasany. “
Nanenika an'i Iraka ny fanomezam-boninahitra.
Mustafa avy ao Iraka nisioka hoe:
مات الانسان #عمار_الشابندر مات الأخ الحقيقي #عمار_الشابندر مات الطيب مات مات مات صارت عدنا بالعراق شي عادي ملينا pic.twitter.com/nPKa8wqf1y
— MuStaFa مصطفى (@msiq88) May 2, 2015
Maty ny olona tsara fanahy
Maty ny tena rahalahy
Maty, maty, maty ny olona tsara. Nanjary toa mahazatra ho antsika ao Iràka ny fahafatesana ka sorena isika
Bilaogera Irakiana Al Hassan nanampy hoe:
الى كل من لا يعرف عمار الشابندر هو رجل عراقي مؤمن بعراقيته ترك لندن ورجع للعراق حتى يساعد في بناء عراق مدني وعنده 4 اطفال ورود الله يرحمك
— حسنشتاين (@Al77assan) May 2, 2015
Ho an'ireo izay tsy mahafantatra hoe iza i Ammar Al Shahbander, lehilahy Irakiana matoky an'i Iràka izy. Nandao an'i Londra izy mba hiverina ao Iràka mba ahafahany manampy hanorina indray firenena sivily. Namela zanaka efatra izy.
Mandria am-piadanana
Khawla Ramadan nanamarika hoe:
عمار الشابندر ومن استشهد اليوم معه لساعات مضت كانوا احياء يخططون لما يفعلون غداً ويحلمون بعراقٍ افضل وفي لحظة غدر لم يبقى منهم الا حزن ذويهم
— khawla Ramadan (@RamadanKhawla) May 2, 2015
Velona nandritra ny ora vitsy ary nandamina izay tokony atao ny ampitso i Ammar Al Shahbander sy ireo maritiora niaraka taminy. Nanonofy Iràka tsara kokoa izy ireo. Tamin'ny fotoanan'ny famitahana, alahelo sisa tavela hoan'ireo fianakaviana aman-tsakaizan'izy ireo
Irakiana Hussein Adam namehy hoe:
نحنُ مشاريع موت مؤجلة يوما ما…. سنتحول الى تغريدة نعي في تويتر ثم ندفنُ في تراب التغريدات المتراكمة… الرحمة لك يا #عمار_الشابندر
— Hussein Adam (@huss_iq) May 3, 2015
Nahemotra avokoa ny tetikasam-pahafantesantsika …
Indray andro any…
Hiverina amin'ny sioka ao amin'ny Twitter isika
Ary halevina ao anatin'ny fitosahan'ny sioka …
Mandria am-piadanana Ammar Al Shahbander
Nisaona an'i Al Shahbander ny olona avy any amin'ny vazantany efatr'izao tontolo izao.
Namoaka fanambarana fanambarana ny Ivontoeran'ny Helodrano Misahana ny Zon'olombelona (GCHR) manonona an'i Al Shahbander ho “tsy sasatry ny niasa sy nitozo ho amin'ny fampiroboroboana sy ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny fahalalahan-gazety ao Iràka.”
Nanampy ny fanambarana hoe:
Human rights defenders in Iraq work in extremely dangerous conditions for the promotion of human rights risking death, imprisonment and torture by security forces or armed groups. Many have sadly lost their lives.
The GHCR urges the authorities in Iraq to guarantee in all circumstances that all human rights defenders are free to carry out their peaceful and legitimate human rights work without fear of reprisals and free of all restrictions.
Miasa ao anatin'ny fepetra faran'izay mampidi-doza ireo mpiaro ny zon'olombelona ao Iràka amin'ny fampiroboroboana ny zon'olombelona ka mety hiatrika fahafatesana, fampidirana am-ponja sy fampijaliana ataon'ny mpitandro ny filaminana na vondrona mitam-piadiana. Maro ireo efa namoy ny ainy.Nandrisika ny manampahefana ao Iraka ny GHCR mba hiantoka amin'ny toe-javatra rehetra fa malalaka amin'ny fanatanterahana ny asany am-pilaminana sy ara-dalàna amin'ny fiarovana ny zon'olombelona ireo mpiaro ny zon'olombelona, tsy matahotra izay mety ho famaizana ary ivelan'ireo faneriterena rehetra.
Nanamarika ny fomba namonoana an'i Al Shahbander andro mialoha ny Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Fahalalahan-gazety ilay Jordaniana Mohamed Tarakiyee:
On the eve of Press Freedom Day, Ammar al-Shahbander was killed in a bombing, and Emad Al-Sharaa was injured. https://t.co/Oaz3NhSeNX
— Tarakiyee (@Tarakiyee) May 3, 2015
Andro alohan'ny Andro Iraisam-pirenena hoan'ny Fahalalahan-gazety, namoy ny ainy tao anatin'ny daroka baomba i Ammar al-Shahbander, ary naratra i Emad Al-Sharaa
Mohamad Najem Libaney, mpiara-manorina ny Social Media Exchange (SMEX) mamaritra ny fahafatesan'i Al Shahbander ho “mampivarahontsana“:
Devastating news from #Iraq, my friends: @superammar killed in an explosion few hours ago, @emadalsharaa is injured! https://t.co/pU8B2V0CG5
— Mohamad محمد (@monajem) May 3, 2015
Vaovao mampivarahontsana avy ao Iràka, ry namako: namoy ny ainy tamin'ny fipoahana baomba ora vitsy lasa i @superammar ary naratra kosa i @emadalsharaa
Nilaza ilay mpiaro ny zon'olombelona sady Mpanolo-tsaina momba ny Fiarovana Nomerika Mohammed Al Maskati, avy ao Bahrain fa very namana akaiky izy.
استشهاد صديقي العزيز و زميلي عمار الشابندر (صحفي و مدير معهد الصحافة الحرب و السلم ) في تفجير إرهابي ببغداد ،الله يرحمك يا الغالي #bahrain
— Mohammed Al-Maskati (@MohdMaskati) May 3, 2015
Namoy ny ainy tao anatin'ny fipoahana baomba mampihorohoro tao Baghdad ny namako sady mpiara-miasa amiko Ammar Al Shahbander. Mandria am-piadanana ry namana.
Nilaza ny talen'ny GCHR, Khalid Ibrahim fa tsy maintsy ho resy foana ny fampihorohoroana:
رحمك الله أخي الفاضل عمار الشابندر ومن استشهد معك في التفجير الإرهابي الذي طال الأبرياء بمقهى شعبي و سنواصل المسيرة وسيندحر الإرهاب. #Iraq
— Khalid Ibrahim (@khalidibrahim12) May 3, 2015
Mandria am-piadanana ry rahalahiko malala Ammar Al Shahbander sy ireo maritiora namoy ny ainy niaraka taminao tamin'ny fipoahana mampihorohoro izay namoizana ireo tsy manan-tsiny tao amin'ny toeram-pisotroana mahazatra. Hanohy ny dia isika ary hiady amin'ny fampihorohoroana
Maro ireo nizara ny sioka farany an'i Al Shahbander, izay nitondra am-piesoesoana ny diezy #no2isis
#Baghdad summer.. 2Guitars playing Hotel California #Iraq #no2isis pic.twitter.com/4zd779ODra
— Ammar Al Shahbander (@superammar) May 2, 2015
Fahavaratra ao Bagdad.... Gitara 2 mitendry ny Hotel California
Tao Karrada, mandrehitra labozia sy mamaky andininy ao amin'ny Quran Masina ao amin'ny toerana nitrangan'ny fipoahana omaly alina ny Irakiana:
Iraqis light candles & read the Quran at the site of yesterday's bombings in Al-Karrada district in #Baghdad. #Iraq pic.twitter.com/N722eTSQA5
— Iraqism (@Iraqism) May 3, 2015
Mandrehitra labozia sy mamaky Quran ao amin'ny toerana nitrangan'ny fipoahana omaly ao amin'ny distrikan'i Al-Karrada ao Bagdad ny Irakiana.
Taranaky ny Al Qaeda ny ISIS izay nilaza fa tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana, ary nibodo tany midadasika ao Syria sy Irak, ka miteraka horohoro sy fandravana.
Iray amin'ireo toerana mampidi-doza indrindra ho an'ny mpanao gazety i Iràka. Araka ny filazan'ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety, mpanao gazety mitotaly 166 no namoy ny ainy tao Iràka hatramin'ny taona 1992