Fihetsiketsehana Hanovana ny Politikam-Pifindramonin'ny Vondrona Eoropeana ao Strasbourg

Je suis un migrant

“Je suis un migrant” [mpifindramonina aho] Sora-baventy nandritra ny fihetsiketsehana hanitsiana ny politikam-pifindramonina ao Eoropa – saripika Suzanne Lehn

Hiteraka zavatra mihoatra noho ny fihetseham-po mandalo ve ny fitomboan'isan'ny faharendrehan'ny mpifindramonina izay efa mahatratra an-jatony ny olona maty an-drano ? Nisy fihaonan'olona vitsy notanterahina ny harivan'ny 26 avrily teo amin'ny kianja lehiben'i Strasbourg, tamin'ny antson'ny vondron'olona hitaky politikam-pifindramonina hafa, amin'ny endrika die-in : nantsoina ny mpandray anjara hitsilany ankavia sy ankavanan'ny afisy lava ahitana ny anaran'ireo mpifindramonina 17.306 rendrika nandridra ny fiampitan'izy ireo ny ranomasina, tanelanelan'ny 1993 sy 2012. Mandritra ny folo minitra no mitsilany na dia mipatrapatraka aza ny orana. Ny Frontex, sampan-draharaha eoropeana misahana ny filaminana sy ny sisintany ivelany no saimbôlin'ny politikam-pikatonan'i Eoropa amin'ny mpifindramonina sy ny mpitady fialokalofana izay mbola mirohotra na dia eo aza ny sakatsakana sy ny loza atrehina amin'ny fitadiavana hoavy na hiavota-tena fotsiny.

Fitantarana an-tsary kely :

Liste Die-In

Lisitry ny olona mihoatra ny 17.000 maty an-drano ao Mediteranea nandritra ny fiampitàna. Saripika Suzanne Lehn

Non à Frontex

Sokitra kely ataon'ny mpifindramonina mitsipaka ny Frontex. “Die-In” ho an'ny mpifindramonina tao Strasbourg, 25 avrily 2015. Saripika Suzanne Lehn

bateaux et corps, naufrages

Lakana kely sy kitapom-batana mangatsiaka manome endrika ny faharendrehana. Die-In tao Strasbourg, 25 avrily 2015. Saripika Suzanne Lehn

 

Die-In

Die-In : Mpanao fihetsieketsehana mitsilany mandritra ny 10 minitra ankilan'ny lisitry ny niharam-boina. Strasbourg 25 avrily 2015. Saripika Suzanne Lehn

Fiarahan'ny fikambanana sy ny ONG Migreurop mitaraina ao amin'ny fanambaran'ny 24 avrily, milaza ny hetsika vaovao atao :

En ce mauvais jour du 23 avril 2015, le Conseil européen qui devait enfin « agir » sur une situation « dramatique » en Méditerranée, s’est contenté de tenter de mettre l’Union européenne et ses États membres à l’abri des migrants en renforçant la protection de ses frontières.

A ces milliers d’êtres humains, femmes, hommes et enfants qui risquent la mort, et souvent la trouvent, en tentant de rejoindre des lieux pour se reconstruire et vivre, les chefs de gouvernement européens, réunis à grand bruit, n’ont eu qu’un seul message à leur envoyer : « Sécurité ! ». Ils n’ont pas cherché à sortir d’une concurrence entre les Etats membres, essayant chacun de prendre le moins possible des migrants après avoir rejeté tous les autres. Quant au mot « accueil », il ne fait pas partie du vocabulaire des chefs de gouvernement.

Amin'izao andro ratsin'ny 23 avrily 2015 izao, ny Vaomiera Eoropeana izay tsy maintsy “nihetsika” noho ny toe-draharaha “mampahonena” ao Mediteranea, dia niezaka fotsiny hanao ny Vondrona Eoropeana sy ny mpikambana ao aminy hiaro tena amin'ny mpifindramonina amin'ny alalan'ny fanamafisana ny sisintaniny.
Manoloana ireo olombelona an'arivony, vavy, lahy ary ankizy izay misedra fahafatesana, ary matetika mahita azy tokoa, manakatra toerana maromaro mba hanorina fiainana vaovao, dia tsy manana afa-tsy hafatra tokana ireo lehiben'ny governemanta eoropeana, izay nivory ho ren'ny rehetra: “Fiarovana!” Tsy mitady ny ivoahana amin'ny fifaninanan'ny firenena mpikambana, samy manao izay hahakely dia kely ny mpifindramonina raisina rehefa mitsipaka ny hafa rehetra. Raha amin'ny teny hoe “fandraisana” indray dia tsy ao anatin'ny voambolan'ireo lehiben'ny governemanta indray izany.

Tsy ahitana taratra afa-tsy ny tsy fisian'ny firaisankina eo amin'ny samy mpikamban'ny Vondrona Eoropeana eo amin'ny sehatry ny fifindramonina ny Fihaonana an-tampon'ny Vaomiera Eoropeana tamin'ny 23 avrily tao Bruxelles : tsipahin-dry zareo ny manome andraikitra amin'ireo andrin'ny Firaisambe fa samy mifikitra amin'ny politikam-pireneny avy. Hanao ahoana ny lanjan'ny hafatr'ireto mpiditra an-tsokosoko [anglisy] manao fihetsiketsehana ao Bruxelles mba hanaovana ho laharam-pahamenana ny mahaolona alohan'ny fiarovam-pirenena ?

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.