Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Saripika: Namely Ny Nosy Mindanao Any Atsimon'i Filipina Ny Rivodoza Tembin Ny Omalin'ny Krismasy

Pikantsary avy amin'ny lahatsary nalaina tamin'ny drôna mampiseho ny vokatry ny tondra-drano taorian'ny fandalovan'ny rivomahery Tembin  (Vinta ny anarany ao an-toerana)  tao an-tanandehiben'i Cagayan de Oro avy amin'ny Tetikasa LUPAD.

Andro vitsivitsy nialoha ny Andro Krismasy tamin'ny 22 Desambra, nizotra nandravarava nanerana ny faritra atsimon'i Filipina tao amin'ny Nosy Mindanao ny rivodoza Tembin (Vinta no anarany ao an-toerana). Niteraka fihotsahan'ny tany sy tondra-drano nahatsiravina ny rivo-mahery sy ny oram-batravatra ary nahafatesana olona miisa 200 fara fahakeliny, sy olona miisa 144 no tsy hita popoka ary 70 000 mahery no nafindra toerana.

Nivoaka ny firenena i Tembin tamin'ny Sasakalin'ny Krisimasy 24 Desambra, namela faharavana maro manerana an'i Mindanao, indrindra fa tany amin'ny faritanin'i Lanao del Norte sy Lanao del Sur ary tao amin'ny Saikinosy Zamboanga. Namafa ilay tanànakely mitoka-monina tao Dalama,Tubod, Lanao del Norte ny fihotsahan'ny tany nateraky ny tafiodrivotra .

Nampiasa ny tenirohy Twitter #VintaPH ireo mpisera aterineto mba hanaraha-maso sy hanomezam-baovao momba ny toe-draharaha tany amin'ireo faritany tratran'ny rivodoza. Ireto misy sary vitsivitsy mampiseho ny fahasimbana navelan'i Tembin, araka ny filazan'ireo mpiseran'ny media sosialy:

Sary avy eny an'habakabaka mampiseho ny tanandehiben'i Cagayan de Oro izay tondraka amin'izao fotoana izao, 22 Desambra 2017, tamin'ny 10 ora maraina.

Entintsika am-bavaka ihany koa ireo fianakaviana mipetraka ao Pagalungan, Cotabato Avaratra izay niharam-boina tamin'ny #VintaPH. Tsy toy ny tao Davao fa tsy manana foibe fialofana izy ireo ary  tsy mbola misy ny fanampiana nalefa ho azy ireo hatramin'izao fotoana izao.

Arovy ny tsirairay.

Toerana: Acasia St. Rotunda

Namely an'i Kabasalan, Zamboanga Sibugay i #VintaPH. Fianakaviana an-jatony no nafindra toerana noho ny tondra-drano mahery vaika nateraky ny rivodoza.

Nanao zavatra izahay androany.
– nitondra tavoahangin-drano sy sakafo
– namono entana fanampiana
– nizara izany

Bizina tsy fidiny. Tsy dia nahery vaika ny oram-baratra  ho an'ity fanomezana manokana ity! Nalaina avy tany amin'ny arabe CDO izy ity izay malaza amin'ity sakafo matsiro ankafizina isan'andro ity.
Ambiansa mahafinaritra!

Tondraky  ny natiora ny fiainany… kanefa tsy mitsahatra manondraka tsiky sy fihomehezana an'izao tontolo izao ny Filipiana.

Vondrona maro samihafa no nampiasa ny media sosialy mba handrindrana ny setrin'ny voina sy ny ezaka fanampiana ihany koa. Naneho ny fihetseham-pony tamin'ny aterineto ihany koa ny mpisera sasany ary nilaza fa avy amin'ny fitrandrahana ala goavana ataon'ny orinasa goavana ao Mindanao no nahatonga ity fahavoazana lehibe vokatry ny rivodoza Tembin ity:

fandraisako anjara taorian'ny #vintaph

Ny fandripahana ala amin'ny alàlan'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ao amin'ny faritra Bukidnon no tena antony hitako nahatonga haingana ny tanàndehibe ho tondraka haingana ary indrindra nahatonga ny rano hiakatra haingana avy ao amin'ny reniranon'i Cagayan de Oro.

 

AHOANA ARY NO NANKALAZAIN'IZY IREO NY KRISIMASY TAO MINDANAO TAORIAN'NY  RIVODOZA#VintaPH IZAY NANDRAVA IREO FIANAKAVIANA NAMONO NY HAVAN'IZY IREO , RAHA NANKAFY NY FIHINANANA JAMBON TEO AMBONY LATABANY KOSA IREO MPITRANDRAKA ALA TSY ARA-DALANA SY IREO MPITRANDRAKA MPANEFOEFO !                Faly ve ianareo ry Antenimiera sy ry loholona ?

Nampalahelo ny zava-nitranga tamin'ny Filipiana havantsika tao Mindanao noho ny rivodoza mahery vaika #VintaPH .

Ry zalahy, izany no vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna. Tokony hihetsika hanohitra izany isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.