Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ilay Mpitrandraka Avy Any Shily

(Marihina fa tamin'ny 4 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nalain'i Guillermo Olivares ny sarin'i Daniel rainy ary navoaka niaraka tamin'ny fanazavana manaraka  amin'ny teny Espaniola :

This is my dad, today on October 20th, he turns 56-years-old. He has been a miner his entire life and here he is in one of the tunnels of the largest copper mine in the world.

Izy no raiko, 56 taona izy androany 20 Oktobra. Mpitrandraka izy nandritra ny fiainany iray manontolo ary ao anatin'ny iray amin'ireo tonelina toeram-pitrandrahana varahina lehibe indrindra erantany izy eto .

Volana maromaro taorian'ny nangatahako voalohany taminy ny fanomezan-dàlana hamoaka ny sary miaraka amin'ny rohy mankany amin'ny bilaogin'ny rainy, antsoina hoe ” Ilay Mpitrandraka (ES)” i Guillermo vao namaly. Na dia tsy nohavaozina nandritra ny fotoana elaela aza izany dia feno sarin'ny fianakavian'i Daniel Olivares, ny fireneny ary ny asany ny bilaogy. Fomba iray lehibe ahafahana mijery anatiny an'i Shily avy amin'ny fomba fijerin'ny dadabe iray mahafinaritra ihany koa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.