Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Janoary, 2018
Krismasy Tany Armenia Sy Zeorzia… Sy Tao Amin'ny Twitter
Raha tamin'ny 25 Desambra no nankalazaina tany Andrefana ny Krismasy, ny herinandro voalohany amin'ny volana Janoary kosa ireo firenena hafa no nankalaza azy io. Tao Armenia, anefa, toa lasa lohahevitra iray tao amin'ny Twitter izy io
Nanome Baiko Hanakatona Ny Tranonkalam-baovao Rappler Ny Manampahefana Filipina, Voatohintohina Ny Fahalalahan-Gazety
"Raha misy ity fanesorana fahazoan-dalana ity, hikatona tanteraka ny Rappler - fikambanam-baovao sambany hakaton'ny hetsika ataon'ny governemanta hatramin'ny nanambaran'ilay mpanao didy jadona Ferdinand Marcos ny lalàna miaramila tamin'ny taona 1972."
Ny tetikasa Arrorro: Ny Hira Fandrotsirotsiana Zaza Manerana Izao Tontolo Izao
Nanao ezaka mba hitrandrahana, handraketana ary hanangonana ireo hira fandrotsirotsiana manerana izao tontolo izao ilay mpanakanto Gabriela Golder avy any Arzantina, ary niezaka nitady ny mampitovy azy ireo ho an'ny Tetikasa Arrorro.
Egypta: Nohelohina Ny Renim-pianakaviana Iray Noho Ny Famorany Ny Zananivavy
Tamin'ny 23 May 2008, tao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe The Victimization of Egyptian Women and Children (Ny Fanaovana Lasibatra ny Vehivavy sy ny Ankizy Egyptiana) , dia noresahana ny momba an'i Fantasia - tovovavy iray izay nanonofy mba hanana hoavy tsara kokoa ho an'ireo vehivavy Egyptiana....
PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany
Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.
Tamin'ny Taona 2017, Nataon'ny Parlemantan'i Samoa Ho Heloka Bevava Ny Fanalàm-baraka. Ahoana Ny Fiantraikan'izany Amin'ireo Bilaogera sy ny Media Sosialy?
Tsy tokony hanakana ny zon'ny olom-pirenena hiresaka malalaka, sy tsy matahotra ny hogadraina ny ahiahy mikasika ireo bilaogera tsy fantatra anarana.
Fiovàn'ny Kolontsaina Fampakarambady Bangladeshi Midika Ihany Koa Ho Fiovàna Amin'ny Karazan-Tsakafo Aroso
Na nanomboka niova aza ny lisitry ny sakafo aroso rehefa fampakarambady Bangladeshi, zavatra iray no mitoetra tsy miova -- matsiro izy rehetra.
Mila Manome Toky Amin'ny Fanajana Ny Tontolo Iainana Ireo Mpitsidika an'i Palau Amin'Izao Fotoana
"Zanak'i Palau, raisiko ny fifanekena, amin'ny maha-vahiny ahy, mba hiaro sy hitandro ny nosinareo tsara tarehy sy tsy manam-paharoa."
Ny Lahatsarin'ny Fifandonana Tao Egypta
Nitodika tany Egypta ny mason'izao tontolo izao , tamin'ny andro faha-10 nanaovana ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana. Hita fa nitombo be ny hafatra tao amin'ny Twitter sy ny fandefasana sary sy lahatsary, izay mampiseho ny toe-javatra nisy teny an-dalamben'ny Egyptiana
Nisambotra Mpanao Gazety sy ny Rahalahiny Ny Polisy Nizeriana Noho Ny Lahatsoratra Tsy Nosoratan'izy Ireo Akory
Tsy tokony hiditra an-tsokosoko ao an-tranon'ny mpanao gazety ny polisy ary managadra azy satria fotsiny hoe tsy tia zavatra voasoratra tamin'ny gazety ny manamboninahitra iray.