Egypta: Nohelohina Ny Renim-pianakaviana Iray Noho Ny Famorany Ny Zananivavy

(Marihina fa tamin'ny 12 Novambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ny 23 May 2008, tao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe The Victimization of Egyptian Women and Children (Ny Fanaovana ho Lasibatra ny Vehivavy sy ny Ankizy Egyptiana), dia niresaka momba an'i Fantasia aho – tovovavy iray izay nanonofy mba hanana hoavy tsara kokoa ho an'ireo vehivavy Egyptiana – izay nanoratra momba ireo lalàna vaovao izay niadian-kevitra mba hiarovana ny ankizy any Egypta. Ny voalohany tamin'izany dia:

Prohibiting the practice of Female Genital Mutilation (FGM) and considering it a criminal act which deserves to be punished by law.

Ny fandraràna ny famorana ny vehivavy na Female Genital Mutilation (FGM)  ary ny fiheverana izany ho heloka bevava izay mendrika hosazian'ny lalàna.

Nanohitra izany ny Mpirahalahy Miozolomana ary nilaza hoe:

FGM should be left as a matter of choice. If parents wish to preserve the “chastity” of their daughters through this procedure, then it is their way of protecting her and deciding what is good for her!

Tokony havela ho safidy ny Famoràna. Raha maniry ny hitazona ny “fahadiovan'ny” zanak'izy ireo vavy ny ray aman-dreny amin'ny alalan'ity fomba ity, dia izany no fomba hiarovany azy sy hanapahany hevitra ny amin'izay mahasoa azy!

Tamin'ny fahavaratry ny taona 2008, nandany lalàna manameloka ny famorana ny vehivavy (FGM) ny Antenimieram-Bahoaka ary nanome sazy lamandy mitentina LE 1.000 ka hatramin'ny LE 5.000 ary sazy an-tranomaizina telo volana ka hatramin'ny roa taona ho an'ireo izay rehetra tratra manao ny FGM. Tsy nahitana ny andraikitry ny ray aman-dreny ny lalàna.

Tamin'ny 7 Novambra 2008, namoaka lahatsoratra (AR) momba ny zazavavy 14 taona iray izay nalefa tany amin'ny hopitaly satria nijaly mafy noho ny fandehanan-dra goavana taorian'ny nanaovana famorana azy tsy nahomby ny gazety Al Masry Al Youm. Noho io lalàna voalaza etsy ambony io, nitatitra ny raharaha tany amin'ny tonia mpampanoa lalàna ny hopitaly.

Tao amin'ny Facebook, nisy vondrona antsoina hoe STOP FGM (Atsaharo ny famorana vehivavy) namoaka ny zava-nitranga tao amin'ny sehatra fifanakalozan-dresak'izy ireo ary nanontany hoe:

Who are we supposed to blame? The society with its false ideas about religion? The government for failing to implement the law? The doctors for ignoring their ethical responsibilities? Or should we blame ourselves – the enlightened minority – for failing to properly educate people?

Iza no tokony homelohintsika? Ny fiarahamonina miaraka amin'ny heviny diso momba ny fivavahana ve? Sa ny governemanta noho ny tsy fahombiazany nametraka ny lalàna? Sa ny dokotera noho ny tsy firaharahiana ny andraikiny ara-maoraly? Sa tokony hanameloka ny tenantsika ve isika – ireo vitsy an'isa malala-tsaina- noho ny tsy fahombiazana tamin'ny fanabeazana ny vahoaka ?

Ny 10 Novambra 2008, taorian'ilay fanapahan-kevitry ny DA mba hanenjehana ilay renim-pianakaviana sy ilay dokotera ihany koa izay voalohany indrindra tao Egypta, dia namoaka hafatra ho an'ireo mpikambana ny mpanangana ny vondrona .

This decision calls for optimism. When Fayza Ahmed Hussein – the mother who approved the circumcision – and Ramadan Abdel Aziz – the doctor who performed the procedure – are tried for, and convicted of, involuntary manslaughter of the 14 year old Reda Ashry Mohamed many mothers will realize that they will be legally incriminated should they attempt to have their daughters circumcised.

Mitaky fanantenana ity fanapahan-kevitra ity. Raha notsaraina, ary voaheloka i Fayza Ahmed Hussein – ilay renim-piankaviana izay nankasitraka ny famorana – sy Ramadan Abdel Aziz – ilay dokotera izay nanao ny fombafomba – noho ny famonoana olona tsy niniana natao tamin'i Reda Ashry Mohamed, 14 taona dia maro ny reny no nahatsapa fa hohelohina araka ny lalàna izy ireo raha toa ka mikasa hamora ny zananivavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.