Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Desambra, 2017
Krismasy Nilahatra Solitany Noho ny Tsy Fisiany Tao Nizeria
Nandany ora maromaro tao anatin'ny fiaran'izy ireo ny Nizeriana, nihitsoka teny an-dalana ary tsy afaka nody tany an-tanindrazany mba hankalaza Krismasy satria niharan'ny tsy fahampian-tsolika goavana ny mpamokatra solika lehibe indrindra aty Afrika.
Fanangonan-tsonia Ho Famotsorana Ilay Lehilahy Eritreana Izay Nosamborina Tany Italia Noho Ny Mari-panondroana Diso
Ilay lehilahy izay miatrika fitsarana any Italia dia i Medhanie Tesfamariam Berhe fa tsy i Medhanie Yehdego Mered, ilay "Jeneraly" lehiben'ny tambajotran'ny mpanondrana mpifindra monina an-tsokosoko.
‘Iray Isika': Nanjary Ara-dalana Ny Fanambadian'ny Olon-droa Mitovy Taovam-pananahana
Lasa ara-dalàna ny fanambadian'ny samy lahy na vavy ao Aostralia. Nankatoavina avy hatrany ny fanambadian'ny vahiny. Hanomboka amin'ny 9 Janoary 2018 ny lanonana voalohany.
Fantaro Ireo Olona Manakana Ny Fametrahana Fantsona Lehibe Famokarana Etona Ao Atsimon'i Italia
Na dia eo aza ny fanehoan-kevitra mahery vaika nataon'ny mpitandro filaminana sy ny olona voasazy handoa onitra hatramin'ny 10.000 €, tapa-kevitra hanohy ny fanoheran'izy ireo mba hanakana ny fananganana TAP ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana, ao Melendugno .
Asongadin'ny Famonoana Ilay Vehivavy Niova Fananahana Ao Trinidad Sy Tobago Ny Fanavakavahana Atrehan'ny Vondrom-piarahamonin'ny LGBT
"Ity olona mahafinaritra ity, izay nikarkara betsaka ny hafa, maty tamin'ny tsy nisy antony .. raha tsy hoe angaha, noho ny maha-samihafa azy. Nahatratra toerana ambany vaovao i Trinidad."
Tsy Tratran'i Rosia Ankehitriny Ny Fanantenana Mananiky Ny Avo Nofongarina Avy Ao Amin'ny Tahirin'ny Fotoana Nalevina Tamin'ny 1967
Tahirin'ny Fotoana tamin'ny taona 1967 -- Ho Fankalazàna ny faha 50 taonan'ny Revolisiona Goavan'ny Oktobra -- Manomboka sokafàna manerana an'i Rosia dimampolo taona aty aoriana. Somary nandiso fanantenana ihany ny rakitra tao anatiny.
Tsy Taitra Amin'ilay Fango Ho An'ny Fifidianana Ho Filoham-pirenena 2018 Ny Rosiana (ary Manana Hevitra Maro ho Fanatsarana)
Hatreto, ny fanamby eo amin'ny resaka fango no isan'ny tena mampientanentana indrindra amin'ity resaka fampielezankevitra azo ambara ho toy ny tsisy ity akory, fotoana iandrandrana an'Ingahy Putin hirotsaka sy haharesy - indray - fa na ireo mpifaninana aminy isan'ny matanjaka indrindra aza.
Mandoko Tantara Iray Vaovao: Taokanto Sohrai Ao Jharkhand
"Ny tena mampiavaka ity Taokanto tranainy ity dia noho izy vehivavy fotsiny no manao azy."
Zambia: Fanabeazana Amin'ny Ambaratonga Voalohany Ho An'ny Rehetra, Ary Ny Tohiny?
Eo am-panantonana ny fiafaràn'ny fe-potoanan'ireo Tanjon'ny taonarivo ho an'ny fampiroboroboana napetraky ny ONU, ny taona 2015, miomana ho amin'ny dingana manaraka i Zambia.
Mpikatroka ‘Mpamerin-keloka’ Nampangain'ny Polisin'i Singapaoro Ho Nikarakara ‘Famoriam-bahoaka Tsy Ara-dalàna’
Ny 29 Novambra, nampangain'ny polisy noho ny "fikarakarana fivoriam-bahoaka tsy misy fahazoan-dàlana araka ny Lalàna momba ny Filaminam-bahoaka, fandikàn-dalànan'ny fandrobàna araka ny Lalànan'ny Fandrobàna, sy noho ny fandàvàna hanasonia ny filazany araka ny Fehezan-dalàna Famaizana" i Jolovan Wham, mpikatroka Singapaoreana.