
Hetsika Mariazy ho an'ny Rehetra, tao Adelaide, 16 Septambra 2017 – Sary nindramina avy amin'ilay mpisera Flickr, Adelaide Activist (CC BY-NC 2.0)
Lasa ara-dalàna ny fanambadian'ny samy lahy na samy vavy ao Aostralia. Nankatoavina avy hatrany ny fanambadian'ny vahiny. Hanomboka amin'ny 9 Janoary 2018 ny lanonam-panambadiana voalohany.
Natao manerana ny firenena ny fankalazana, ny tena lehibe indrindra dia ny tao amin'ny Tranon'ny Solombavambahoaka izay nahitàna ireo solombavambahoaka mifamihina tamin'ny fampisehoana miavaka maneho firaisankina tsy miandany. Faly ireo mpanatrika tamin'ny alalan'ny fiventsoana ilay hira malaza: ‘I Am Australian’ an'ny Seekers:
We are one, but we are many. And from all the lands on earth we come. We share a dream and sing with one voice: I am, you are, we are Australian.
Iray isika, saingy marobe. Avy any amin'ny tany rehetra eto an-tany isika. Mitovy nofinofy isika ary mihira amin'ny feo tokana: izaho, ianao, Aostraliana isika.
Nahazo vato 62% mankatò ny fanambadian'ny samy lahy sy samy vavy ny lalàna tamin'ny fitsapan-kevitra an-tsitrapo sy tsy noterena notontosain'ny governemanta federaly. 80% ny taham-pandraisana anjara tamin'izany.
Nanatrika ny fandatsaham-bato farany tamin'ny fandaharana The Drum tamin'ny fahitalavitra Australian Broadcasting Corporation (ABC) ilay mpanao gazety menavazana David Marr. Naka ny sarin'ny fihetseham-pon'i Marr sy ny sehatra tao amin'ny parlemanta ny lahatsarin'izy ireo. Nisy namerina nizara imbetsaka ny sioka ary an'arivony maro no nanao “tiako”:
“I've managed to live long enough to see this unimaginable thing!” David Marr in tears on #TheDrum as #marriageequality passes the House of Representatives pic.twitter.com/HS6xuFr0Oz
— ABC The Drum (@ABCthedrum) December 7, 2017
“Ampy ny fiezahako hiaina ela hahitako ity zavatra tsy novisavisaina ity mihitsy!” Latsa-dranomaso i David Marr tao amin'ny #TheDrum satria lany tao amin'ny Parlemanta ny #marriageequality
Tamin'ny tenin'i Marr:
When I was a young man people like me were sent to jail for having sex. And I've lived long enough to see the community welcome this unimaginable thing of saying we can now marry. That's a journey!
Fony aho tovolahy, nogadraina ireo olona tahaka ahy noho ny fanaovana firaisana. Ary niaina ela aho ka nahita ny fiarahamonina mandray tsara ity zavatra tsy takatry ny saina ity fa afaka manambady izahay ankehitriny. Lalana nodiavina izany!
Nizara fifaliana ny olona, indrindra tao amin'ny Twitter tamin'ny fampiasana ny tenirohy #marriageequality:
I proposed to my beautiful gorgeous partner of 11 years 2 nights ago, minutes after the Marriage Act passed in parliament. 45 & the fight is finally over. My heart is at peace. ?❤️#marriageequality#samesexmarriage#ssm@SenatorWong@MagdaSzubanski@equallovemelbpic.twitter.com/8w8oVVIa34
— Agent Morphe (@AgentMorphe) December 9, 2017
Nangata-bady ny sakaizako tsara tarehy mahafatifaty 11 taona in-2 aho alina vitsivitsy lasa izay, minitra vitsy taorian'ny fandaniana ny Lalànan'ny Fanambadiana tao amin'ny parlemanta. 45 ary tapitra ihany ny ady nony farany. Feno fiadanana ny foko. ?❤️
Well it’s been just over 12 hours since our marriage was made legal in this country. 27&1/2 years in the making, 8 married, and the world just goes on. #LoveIsLove Mind you, my husband didn’t like my expectations of being served breakfast in bed to celebrate. #marriageequality
— MrCraigBD (@MrCraigBD) December 9, 2017
Eny, 12 ora monja mahery izay no naha ara-dalàna ny fanambadianay teto amin'ity firenena ity. 27 sy 1/2 taona teo am-pikarakarana, 8 no nanambady, ary mitohy izao tontolo izao. Hevero ny #LoveIsLove (Ny Fitiavana dia Fitiavana), tsy tian'ny vadiko ny fanantenako hanolorana sakafo maraina eo am-pandriana ho fankalazana.
Forecast for the weekend: rainbows and love ?#loveislove#marriageequalitypic.twitter.com/VV15HJXZct
— WeWork Australia (@WeWorkAUS) December 9, 2017
Vinavina amin'ny faran'ny herinandro: avana sy fitiavana ?
I've been asked why I'm thrilled for #MarriageEquality as a #StraightMan and #Christian. There's at least 6 LGBT weddings to attend! Howzat?
— Winston Khong (@WinstonTheHRGuy) December 8, 2017
Nanontaniana ny antony mahatonga ahy mientanentana noho ny#MarriageEquality (Fitovian-jo amin'ny Fanambadiana) aho amin'ny maha #StraightMan (Lehilahy Tia Vavy) sy#Christian (Kristianina) ahy. Fanambadiana pelaka 6 farafahakeliny no ho atrehina!
Tao anatin'ny fotoana tsy mitanila tsy fahita firy, nanome safidy malalaka momba ny volavolan-dalàna ho an'ireo mpikambana ny antoko politika. Maro tamin'ireo solombavambahoaka manohana ny fanjakana sy manohana ny mpanohitra no nizara ny fitiavana:
Liberal MP Warren Entsch lifts up Labor MP Linda Burney after the passing of the Marriage Amendment Bill #auspol#SSM2017#marriageequality#LGBTIQpic.twitter.com/66CzPtVQnz
— Lukas Coch (@cochl) December 7, 2017
Solombavambahoaka Liberaly Warren Entsch nanandratra ny solombavambahoaka avy amin'ny antokon'ny mpiasa, Linda Burney taorian'ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny Fanitsiana ny Fanambadiana
Mpikambana efatra monja tao amin'ny Parlemanta no nanohitra ny volavolan-dalàna farany:
This says everything #marriageequalitypic.twitter.com/C4LQm02WAq
— Dale Roberts (@ozdale) December 7, 2017
Milaza ny zava-drehetra izany [mariazy itovian'ny rehetra]
Mpikambana sivy fanampiny tao amin'ny Antenimiera, anisan'izany ny praiminisitra teo aloha Tony Abbott, no tsy tonga nandritra ny fifidianana. Mpisera Twitter maro no naneho ny esoesony:
I have more respect for the misguided minority who voted against #MarriageEquality than the low lifes who abstained.
— GingerThistlethwaite (@GingerThistle1) December 8, 2017
Manaja bebe kokoa ny vitsy an'isa diso lalana nanohitra ny #MarriageEquality aho noho ireo hafa izay tsy mba nifidy mihitsy.
Nieboebo momba ny fandresena ny Praiministra Malcolm Turnbull saingy maro kosa no niady hevitra momba ny ezaka nataony tamin'ny filazany izany ho fandreseny manokana tamin'ny fanononana ilay lahatsoratra fitsapan-kevitra mampizarazara sy mampifanditra:
This made me laugh so hard #marriageequalitypic.twitter.com/9drAT3EQCk
— Danielle Warby (@DanielleWarby) December 7, 2017
Nahatonga ahy hihomehy mafy ity
Just about extinguishes the last of any respect I had for this PM. Your path to this moment cast shadows of hate, division & general nastiness across our country. To claim credit for #MarriageEquality now is @realDonaldTrump level politics. Hmm … sad indeed. #auspolِhttps://t.co/uroxogOpdA
— Adam Voigt ?? (@adam_voigt) December 8, 2017
Eo am-panafoanana ny fanajana kely farany ananako amin'ity PM ity. Mampisy aloky ny fankahalana, ny fizarazarana sy ny faharatsiana ankapobeny manerana ny firenena ny lalanao hatramin'izao fotoana izao. Politika mitovy ambaratonga amin'i Donald Trump ankehitriny ny fitakiana fanohanana ny #MarriageEquality. Hmm … mampalahelo tokoa.
Nameno ny Twitter ihany koa ny valinteny falifaly ara-diplaomatika. Nisioka fiarahabana ny Vaomiera Ambony Ao amin'ny Fanjakana Mitambatra:
Today we have raised the rainbow flag over the British High Commission in Canberra to celebrate with Australia in this historic moment ? The Australian Parliament has voted to change the Marriage Act to allow same-sex couples to marry #marriageequality?#loveislove#LoveisGREATpic.twitter.com/Cg1Ny9u5A8
— UK in Australia ???? (@ukinaustralia) December 7, 2017
Nanangana ny saina avana tao amin'ny Vaomiera Ambony Britanika ao Canberra izahay androany mba hankalaza ity vanim-potoana manan-tantara ity miaraka amin'i Aostralia. Nifidy ny hanova ny Lalàna momba ny Fanambadiana ny Parlemanta Aostraliana mba hahafahan'ny mpifankatia mitovy taovam-pananahana hifanambady
Nangata-bady an'i Thomas Marti, sakaizany efa ho 11 taona i Brendan Berne, ambasadin'i Aostralia ao France:
Today was a great day for Australia and for me. HE SAID YES! #MarriageEqualitypic.twitter.com/liaXiw0FYh
— Brendan Berne (@AusAmbFR) December 7, 2017
Andro lehibe ho an'i Aostralia sy ho ahy androany. NANAIKY IZY!
Britanika iray hafa, Harry Leslie Smith, 94 taona nanome fomba fijery maharitra ho antsika:
There is so much darkness and fear in the world now but Australia legalising same sex marriage today should remind us that humanity can only survive when it learns to love one and other. #marriageequality
— Harry Leslie Smith (@Harryslaststand) December 7, 2017
Misy haizina sy tahotra lehibe eto amin'izao tontolo izao saingy tokony hampahatsiahy antsika ny fametrahan'i Aostralia ho lalàna ny fanambadian'ny samy lahy na samy vavy fa rehefa mianatra mifankatia ihany ny olombelona vao tafavoaka velona.
Na izany na tsy izany, andeha hamela ny teny farany ho an'ireo mpifety Aostraliana ‘dinkum’ [tena izy]:
we will play free at any gay wedding gig in gippsland 12 piece big band #marriageequality
— Ewart Dave ? (@davidbewart) December 7, 2017
hilalao malalaka any amin'ny fampakaram-badin'ny pelaka isika
guys this is SUPER CUTE – registry offices in VIC and NSW have specially opened up this weekend for same-sex couples who want to register to get married, what bloody heroes #MarriageEqualityhttps://t.co/KXJeLgaJRA
— ?Patrichristmas Lenton? (@PatrickLenton) December 9, 2017
Ry namana, MAHAFATIFATY LOATRA ity- nisokatra manokana ho an'ireo mpifankatia samy lahy na samy vavy te hisoratra anarana hanambady ny biraon'ny rejisitra ao VIC sy NSW, tena mahery fo loatra
My hometown of Melbourne lit up last night for #MarriageEquality!!! @VABVOX@Martina@kaplanrobbie#LoveWonpic.twitter.com/rMHvNNl6IB
— Kate ? Doolan (@crocodilekatie) December 8, 2017
Namirapiratra ho an'ny #MarriageEquality ny tanànako ao Melbourne tamin'ny alina!!!