Tsy Taitra Amin'ilay Fango Ho An'ny Fifidianana Ho Filoham-pirenena 2018 Ny Rosiana (ary Manana Hevitra Maro ho Fanatsarana)

Ilay Kaomisiona misahana ny Fifidianana ao Rosia, namoaka ny fango ho an'ny fifidianana 2018 // Sary: cikrf.ru

4 Desambra, mbola tsy namoaka tamin'ny fomba ofisialy na hirotsaka na tsia amin'ny fifidianana ho Filoham-pirenena amin'ny taona 2018 i Vladmir Poutine (tsy isalasalàna ny hirotsahany sy ny hahazoany fandresena goavana), izany anefa tsy nahasakana ireo mpiara-miasa aminy tsy hiomana amin'io fotoan-dehibe io. Ny 29 Novambra, ilay Komisiona Misahana ny fifidianana (CEC) no nanambara Fangon'ny Fifidianana ho Filoham-pirenena hatao ny 28 marsa :

Aleo ho ampahafantarinay anareo ny fango ny Federasiona Rosiana ho an'ny fampielezankevitra amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena!

Noketrehan'ilay sampana misahana ny fifandraisana IMA-Consulting, avy hatrany dia lasa tamin'ny tsy tokony ho izy sy fanesoesoana ilay endriny tsy dia tsara akory, indrindra tamin'ny fotoana namoahan'ny Filazambaovao Rosiana ny sandany : 37 tapitrisa Robla ($630,000). Kanefa, efa nilaza tao amin'ny fampielezampeo Govorit Moskva (“Moskoa Maneho hevitra”) ny lehiben'ny CEC fa io sanda ho an'ny fampielezankevitra rehetra io voalaza io, anatin'izany ireo lahatsary 50 ho fampahafantarana, fa tsy ilay fango irery ihany.

Tsy nahagaga, fa tsy nanakana ireo tranonkala mampiasa ny teny Rosiana tsy hihomehy an'ilay fango izany.

[Eritreritra miely momba ny voalaza ho vidin'ilay fango]
Zavatra mampihomehy mahakasika “fango” ho an'ny fifidianana ho filoham-pirenena. Io zavatra mahamenatra io no handoavantsika 37 000 000 Robla.

Ilay lehiben'ny IMA-Consulting dia namaritra fa “mpandàla ny fahagola, saingy tsy ntaolo” ilay fango, araky ny navoakan'ilay gazety mpiseho isanandro Vedomosti. Ny fmasoivohom-baovaom-panjakana RIA Novosti koa dia namerina ny voalazan'ny filohan'ny CEC hoe ny loko fotsy eo amin'ilay fango dia manambara ny “fangaraharahan'ny fifidianana.”

Ny sasany nijery an'i Etazonia ho fakàn-tàhaka, miaraka amin'i Maria Baronova, mpikatroka politika iray malaza, nanipika tamin'ny fomba mivatravatra ny tsy fahafampony amin'ireo roa tonta ireo. Fangon'ny “Fifidianana ao Etazonia sy ao Rosia’ : iza amin'ireo no tsara? samy misolelaka izy roa, hoy izy namaly :

Fantsona Telegram an'i Maria Baronova // pikantsary avy amin'i Fabrice Deprez

Izany dia izany tokoa, angamba tsy mora tokoa ny manamboatra fango tsara tarehy, miaraka amin'ireo teo aloha koa mitandrinfa fatratra amin'ny fakàna ny lafiny iray “tsy hanaotao foana” :

Nisafidy fango iray ny CEC ho an'ny Fifidianana ho Filoham-pirenena 2018

Ny tena manahirana, nisy Rosiana vitsivitsy mpampiasa aterineto nanipika ny fitovian'ny sary hita soritra eo amin'ny sainam-pirenena Holandey sy ny an'ny Rosiana, na nanambara aza ny Meduza ilay filazambaovao Rosiana ao Latvia hoe samy hafa tanteraka ireo fango :

Nandany dimy minitra teo ho eo aho nikaroka tanaty Google ny fiavian'ilay tatasika mandrfevo tamin'ny fifidianana ao Rosia.

Mpampiasa aterineto iray ihany koa nanazava :

Tena tsotra kokoa noho izany ilay izy, Kostya

Ireo Rosiana mpampiasa aterineto koa dia nanao ho lahasa ny fanehoana fa afaka manao fango  “mpandàla ny fahagola, saingy tsy ntaolo” ihany koa izy ireo “ary ambany lavitry ny 37 tapitrisa robla” ary ampiana majika kely avy amin'ny MS Paint. Ilay tranonkala Rosiana mpilaza vaovao  TJournal dia nampiseho vitsivitsy  tamin'ireo famoronana “isan'ny tsara indrindra” :

“Marsa 2018 : Fifidianana [Alexey] Navalny ” // tjournal.ru

“Marsa 2018 : Fifidianana ho Filoham-pirenena Rosiana ” // tjournal.ru

Hatreto, ny fanamby eo amin'ny resaka fango no isan'ny tena mampientanentana indrindra amin'ity resaka fampielezankevitra azo ambara ho toy ny tsisy ity akory, fotoana iandrandrana an'Ingahy Putin hirotsaka sy haharesy – indray – fa na ireo mpifaninana aminy isan'ny matanjaka indrindra aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.