Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Novambra, 2016
Manatevin-daharana Ny Ezaka Iraisam-pirenena Hankatoa Ny “Andro Manerantany Ho an'i Kobane” i Soeda
Maro ireo tanàna Soedoà nanatevin-daharana ny hetsika “Andro Manerantany ho an'i Kobane” ho firaisankina amin'ny tanàna izay niady sy nandresy an'ny ISIS tamin'ny 2015.
Mampibaribary Ny Fanavakavahana Ara-pananahana Mipetraka Ao Libanona Ny Adin'ny Reny Iray Ho An'ny Zanany Lahy
Nosamborina i Fatima Ali satria tsy nety namela ny zanany amin-drainy, niteraka ny mety ho mariky ny hetsika vaovao ho an'ny zon'ny vehivavy ao Libanona.
Mijery Am-pitoniana sy Am-pitandremana Ny Fanombohan'ny Uber Ao Amin'ny Firenen'izy ireo Ny Bangladeshita
Fantatra amin'ny tsy fahampian'ny fitateram-bahoaka sy ny lazan'ny fitohanan'ny fiara i Dhaka, renivohitr'i Bangladesh.
Manontany Tena Ireo Mpifanandrina Amin'i Putin ao Rosia Hoe Hanao Ahoana Ny Fiharatsian'ny Toe-javatra Noho i Trump
“Ho antsika, mazava ho azy, Amerika no mariky ny fahalalahan'izao tontolo izao. Nanao zavatra marobe ho amin'ny fampandrosoana ny demaokrasia manerantany izy, saingy miova ao anaty fijery manamaro ny zavatra rehetra miaraka amin'ny mpitarika tahaka ity izany" Hoy i Milov momba an'i Trump
Nirona Tamin'i Google ny Didin'ny Fitsarana Ambony ao Brezila, Manoloana ny ‘Zo Hohadinoina’
nametraka ny didy fa ny fanerena ny mili-pikarohana handray fanapahan-kevitra amin'ny fandraisana fangatahana ka hanaisotra rohy sasantsasany avy amin'ny fanaovana karoka dia hanome andraikitra be loatra amin'ny mili-pikarohana, ka hahatonga azy ireo ho mpanao sivana nomerika
Ho Tanterahan'i Pakistàna Ve Ny Fandrahonany Handroaka Afghana Mpitsoa-ponenana 2,5 tapitrisa ?
Taorian'ny folo taona niaraha-niaina, milaza i Islamabad fa tsy afaka intsony hampiantrano ireo mpitsoa-ponenana avy amin'ny mpifanila vodirindrina aminy triarin'ny ady izy.
Izao Tontolo Izao Araka Ny Fomba Fijery Rosiana Mahazatra
Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, nanamarika tampoka ny fanohanany ilay lalàna federaly vaovao natao mba hanazavana ny faneken'ny governemanta ofisialy "ny firenena Rosiana" i Vladimir Putin.
Ireo Mpandresy Tamin'ny Marathon Klasika Andiany Faha-34 Tao Athena
Natao tao Gresy tamin'ny herinandro lasa teo ny Marathon Athena Klasika, ary vitsivitsy ireo mpandresy lehibe.
‘Tsy Hitolo-batana Izahay': Feon'ny Mpanohitra Manohana Ny Media Nataon'i Tiorka Fahirano
Ao anatin'ny safotofoto ihany koa ny haino aman-jery tsy miankina iray hafa taorian'ny fikasana hanongam-panjakana tao Tiorka.
Talen'ny Fahasalamana ao Alep Atsinanana: Noho ny Fanafihana Tsy An-kiato Dia Tsy Azo Ampiasaina Intsony ny Hopitaly
Raha ny fitondràna Siriana sy ny governemanta Rosiana manohy ny fanafihany an'i Alep Atsinanana iharan'ny fahirano, nanao fanambaràna ny Sampandraharaha misahana ny Fahasalamana ao Alep Atsinanana hoe tsy misy azo ampiasaina intsony ireo hopitaly sisa tavela tao Alep.