Manatevin-daharana Ny Ezaka Iraisam-pirenena Hankatoa Ny “Andro Manerantany Ho an'i Kobane” i Soeda

Posted used by the World Kobane Day Facebook Page. Source.

Tao amin'ny pejy Facebookn'ny Andro Manerantany ho an'i Kobane. Sary

Nambaran'ny mpikatroka fa “Andro Manerantany ho an'i Kobane” ny 1 Novambra ho fahatsiarovana ny fandresen'ny Vondrom-piarovam-bahoaka (YPG) sy ny Vondrom-piarovam-behivavy (YPJ) manoloana ny ISIS tamin'ny Janoary 2015. Naharitra 133 andro ny adin'i Kobane ary notohanan'ny fanafihana an'habakabaka nataon'ny mpiaradia amin'ny Amerikana .

Miorina ao Syria Avaratra, na Kurdistan Andrefana i Kobane, ary ao amin'ny tanàna Kobane – iray amin'ireo tanàna telo mandrafitra ny faritra fantatra amin'ny anarana hoe Rojava, miaraka amin'ny Tanànan'i Afrin sy ny Tanànan'i Jazira. Tamin'ny 17 Martsa 2016, nanambara amim-pahaleovan-tena ny fananganana Federasionan'i Syria Avaratra – Rojava (amin'ny teny Kiorda, “Federasyona Bakurê Sûriyê – Rojava” sy amin'ny teny Arabo “منطقة الإدارة الكردية في شمال سوريا” ) ny fitantanan'i Rojava.

Nandritra ny fahirano nataon'ny ISIS tamin'i Kobane tamin'ny taona 2014, maro ireo olona, fikambanana iraisam-pirenena, sy ny avara-pianarana manerana izao tontolo izao no nanasonia fanambarana mba haneho firaisankina tamin'ny tanàna ary hangataka fanampiana maha-olona ho an'ny vahoaka ao aminy.Taorian'izany, olona an-jatony manerana izao tontolo izao no niantso famoriam-bahoaka tamin'ny toerana tahaka an'i Fanjakana Mitambatra, Etazonia, Torkia, Belzika, Alemaina, Afrika Atsimo, ary Venezoelà, ankoatra ny hafa, mba haneho ny fanohanan'izy ireo an'i Kobane amin'ny adiny amin'ny ISIS.

Tamin'ity taona ity, nitaky “Hetsika Andro Manerantany hankalazana ny “Andro Iraisam-pirenena ho an'i Kobané” tamin'ny 1 Novambra ny tranonkalan'ny World Kobane Day.(Andro Iraisam-pirenena ho an'i Kobané). Nandray anjara tamin'ny hetsika ireo tanàna tahaka an'i Londra, Toronto, Berlin, Paris, sy Stockholm, ankoatra ny hafa.

Tao amin'ny media sosialy, nanampy tenirohy #Kobaneday ny mpiserasera aterineto mba hanangona sora-baventy sy sary avy amin'ny famoriam-bahoaka manerana izao tontolo izao.

Sary avy amin'ny hetsika #KobaneDay tao Gothenburg omaly, avy amin'i @Nicktorley.#TwitterKurds #WorldKobaneDay

Misy ihany koa ny “Taratasy Misokatra” mivezivezy amin'izao fotoana izao, mangataka mba ho lasa Andro Manerantany ho an'i Kobane ny 1 Novambra. Araka ny filazan'ny tranonkala Helpkobane, ny “Biraon'ny Fanarenana indray an'i Kobanê” dia mikendry “handrakitra sy hanasongadina ny tetikasa ilaina ho fanarenana ny tanàna avy hatrany” amin'ny alalan'ny kanto, tahaka ny tetikasa ara-java-kanto “Colori per il Rojava”.

Andro Kobane ao Soeda

Nanatevin-daharana ny famoriam-bahoaka i Soeda mba haneho firaisankina sy hitaky fametrahana lalantsara maha-olona, mba hanamoràna ny fanorenana indray an'i Kobane. Ao amin'ny tanàna Soedoà maro, tahaka an'i Stockholm, Örebro, Göteborg, sy Umea, nanao hetsika ho an'i Kobane ny olona. Nangataka fanohanana iraisam-pirenena ho fanorenana indray an'i Kobane ihany koa ny Rojava kommittéerna, ao Soeda.

Nanatevin-daharana ny famoriam-bahoaka tao an-tanànan'i Örebro ny Kurdiska demokratiska Samhällscenter i Örebro – NCDK, izay nanohana ny “fivoarana tsara ara-politika mitranga ao Rojava”. Niresaka tamin'ny Global Voices, namaly fanontaniana vitsivitsy ny solontenan'ny NCDK.

Global Voices: Nahoana no tokony hanohana an'i kobanî sy Rojava i Soeda?

NCDK: Kurdiska demokratiska Samhällscenter i Örebro – NCDK: All minorities have been guaranteed the right to speak and teach in their own language, something that was forbidden during the dictatorship. A constitution has been produced as gender quota law principles in all decision-making bodies. A plan has been formulated for how to govern society in an ecologically sustainable way. That such a development has taken place in a country where a vicious civil war now raging! we think Rojava is worth all the support it can get from Sweden and all the countries in the world that claims standing for human rights. There is also a possibility of a future model of society for a future Syria, which the Syrians themselves must decide, without interference from big powers. Worth pointing out is that the areas controlled by Rojavas’s self-defense forces YPG / YPJ now are safe return of refugees and internally displaced within Syria also moving there. Therefore, there is a great need for international support including Sweden for the reconstruction of the areas destroyed.

NCDK: Kurdiska demokratiska Samhällscenter I Örebro – NCDK: Niantohana zo hiteny sy hampianatra amin'ny fiteniny ny vitsy an'isa rehetra, zavatra izay voaràra nandritra ny fitondrana jadona. Natao toy ny fitsipika fampitoviana isa ny lahy sy vavy amin'ny rafitra mpanapa-kevitra rehetra ny  lalàm-panorenana . Nisy ny drafitra novolavolaina amin'ny fomba hitantanana ny fiarahamonina ao anatin'ny fomba maharitra manaja ny tontolo iainana. Natao tao amin'ny firenena rotiky ny ady an-trano goavana ny fampandrosoana tahaka izany! Mihevitra izahay fa mendrika ny fanohanana rehetra mety azony avy amin'i Soeda sy ny firenena rehetra manerantany milaza fa miaro ny zon'olombelona i Rojava. Misy ihany koa ny mety ho maodelin'ny fiarahamonina ho avy ao Syria, izay ny Syriana ihany no mifanapa-kevitra, tsy misy fitsabahan'ny avy amin'ny fahefana lehibe. Tsara ny manamarika fa efa milamina ireo faritra nofehezin'ny tafi-piarovana YPG / YPJ ao Rojavas ary milamina ny fodian'ny mpitsoa-ponenana sy ireo nifindra toerana tao anatin'i Syria. Noho izany, misy ny filàna lehibe amin'ny fanohanana iraisam-pirenena, anisan'izany i Soeda mba hanorina indray ireo faritra rava.

Nahoana no manao fihetsiketsehana ny Kurdiska demokratiska Samhällscenter i Örebro?

World Kobanî Day November 1st is a global day of action to draw attention at Kobanî which both were the first to be freed from the dictatorship but also the city most affected by the Islamic state's brutality. On this day we express our support and solidarity to the people fighting for their freedoms and the organization of a democratic society. Theirs struggles are an inspiration and lesson to all of us! NCDK- Örebro.

Ny Andro Manerantany ho an'i Kobanî, 1 Novambra dia andro iraisam-pirenena hihetsehana hisarihana ny saina momba an'i Kobani izay voalohany noafahana tamin'ny didy jadona ary koa  tanàna niharan'ny herisetran'ny fanjakana Islamika indrindra. Amin'io andro io, maneho ny fanohananay sy firaisankinanay amin'ny olona miady ho an'ny fahafahan'izy ireo sy ny fikambanan'ny fiarahamonina demokratika izahay. Fitaratra sy lesona ho antsika rehetra ny tolon'izy ireo! NCDK- Örebro.

Tanàna iray hafa nandray anjara tamin'ny Andron'i Kobane i Göteborg, tanàna nifamory haneho fanohanana an'i Kobane amin'ny alalan'ny fanatanterahana famoriam-bahoaka miaraka amin'ny hira. Nanontany an'i Minoo Koefoed, izay mpikambana ao amin'ny komitin'i Kobani ao Göteborg ny Global Voices mba hanazava ny antony mahatonga an'i Soeda manohana an'i Kobane:

The Kurdish canton of Kobanê is in a terrible condition after years of war, and there is an urgent need for emergency assistance, medical aid, ambulances, machines, tools, skilled medical staff, and medical equipment, as well as all sorts of financial and material support for the reconstruction of Kobanê. Crucial infrastructure and buildings are completely destroyed, such as hospitals and schools, preventing people in the region to live normal, decent lives. The basic needs of the people in Kobanê can absolutely not be fulfilled under the current material conditions in the area. According to Kurdish sources, during the fighting about 80% of the residents of Kobanê fled to nearby places like Iraq and Turkey, and now many of these are returning home. This situation will create additional pressure on the already very limited medical facilities in the region. Before the war, there were about 14 medical centers and hospitals providing medical services to the approximately 500 000 people living in the area. Now, the situation is even worse. But it is also important to take the psychological and emotional dimension of the current situation for the people of Kobanê equally serious. Particularly children and youth in the region desperately need facilities where they can play, enjoy, explore, sing and laugh! Sweden should support Kobanê in all thinkable ways.

Tao anaty toe-piainana mahatsiravina ny tanàna Kiorda ao Kobanê taorian'ny ady an-taonany maro, ary misy ny filàna maika amin'ny fanampiana, fitsaboana, fiara mpamonjy voina, milina, fitaovana, mpitsabo mahay sy fitaovam-pitsaboana, ary koa ireo karazana fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana ho an'ny fanorenana indray an'i Kobanê. Rava tanteraka ny fotodrafitrasa lehibe sy ny tranobe, tahaka ny hopitaly sy ny sekoly, manakana ny olona ao amin'ny faritra tsy hiaina ara-dalàna sy am-pahamendrehana. Tsy afaka omena fahafaham-po tanteraka ao anatin'ny fepetra ara-pitaovana misy ankehitriny ao amin'ny faritra ihany koa ny filàna fototry ny olona ao Kobanê. Araka ny loharanom-baovao Kiorda, nandritra ny ady, 80%-n'ny mponina tao Kobanê no nandositra nankany amin'ny toerana teo akaiky tahaka an'i Iraka sy Torkia, ary maro amin'izy ireo ankehitriny no efa niverina tao an-tanàna. Hiteraka teritery fanampiny ao amin'ireo toeram-pitsaboana efa tena voafetra ao amin'ny faritra izany toe-javatra izany. Talohan'ny ny ady, 14 teo ny isan'ny toeram-pitsaboana sy hopitaly nanome tolotra ara-pitsaboana ho an'ny olona 500 000 eo ho eo izay nonina tao amin'ny faritra. Ankehitriny, miharatsy ny toe-draharaha. Saingy zava-dehibe ihany koa ny mijery ny lafiny ara-psykôlôjika sy ara-pihetseham-po amin'ny toe-javatra ankehitriny ho an'ny olona marefo ao Kobanê. Indrindra fa ny ankizy sy ny tanora any amin'ny faritra tena mila foto-drafitrasa ahafahan'izy ireo milalao, mankafy, mijery zava-baovao, mihira sy mihomehy! Tokony hanohana an'i Kobanê amin'ny fomba rehetra azo heverina i Soeda

Momba ny inona ny fetibe?

The World Kobanê Day is a global day of action and support in solidarity with the people in Kobanê, and their resistance against the oppression and violence of the Islamic State and other destructive groups.

Andro manerantany hihetsehana sy hanohanana ho firaisan-kina amin'ny mponin'i Kobanê sy ny fijoroan'izy ireo manoloana ny fampijaliana sy ny herisetran'ny Fanjakana Islamika sy ny vondrona hafa mpandravaefa ny Andro Iraisam-pirenena ho an'i Kobanê

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.