Mijery Am-pitoniana sy Am-pitandremana Ny Fanombohan'ny Uber Ao Amin'ny Firenen'izy ireo Ny Bangladeshita

Screenshot from a Uber map. Via Mujtaba Morshed

Pikantsarin'ny sarintany Uber. Avy amin'i Mujtaba Morshed

Iray amin'ireo tanàna be mponina indrindra manerantany i Dhaka, renivohitr'i Bangladesh. Fantatra amin'ny tsy fisian'ny fitateram-bahoaka mahomby sy ny lazan'ny fitohanan'ny fiara izy. Tsy tomombana sady tsy azo antoka ny tolotra fiarakaretsaka misy. Ka tsy mahagaga raha noderain'ny maro ny fametrahana tolotra taxi Uber.

Manomboka miasa ao anatin'ny rafi-pitateram-bahoaka feno kolikoly ao an-tanànan'i #Dhaka ao #Bangladesh ny@Uber

Faly fa manana @Uber ao Bangladesh. Hamarino fotsiny, hitentina 100 TK eo ho eo i Lalmatia-Greenroad. Raharaham-barotra goavana tokoa.

Ampiasao ny kaody promo ‘UberBDLaunch’ ary mahazoa fitaingenana maimaim-poana amin'ny maha mpitaingina vaovao ao Dhaka.#UberFact #UberInBangladesh #UberInDhaka #Uber

Misy ao amin'ny tanàna 450 manerantany ny Uber, orinasam-pitaterana antserasera Amerikana manana ny foibeny ao San Francisco. Iray amin'ireo zava-tsarotra ny fitadiavana fiarakaretsaka ao Dhaka ary zara raha misy ireo tolotra taxi antsoina an-tariby. Miaraka amin'ny Uber, afaka miantso taxi mora foana ny mpandeha amin'ny alalan'ny fampiharana hita maso amin'ny finday ary avy eo misy maka. Afaka manombana amin'ny alalan'ny tolotra na ny fitondran-tenan'ny mpamily ny mpandeha ary tahaka izany ihany koa, afaka manombana ny mpandeha ny mpamily. Mandray fandoavam-bola eo ho eo ny Uber ao Bangladesh rehefa vita ny dia. Nitsangana tamin'ny taona lasa ny tolotra hafa tahaka izany antsoina hoe Chalo, saingy tsy nahavita nampisy fiantraikany bebe kokoa.

Ka nampahanfatarina tao Bangladesh androany ny @Uber_BD ary mahatalanjona izany. Lazaina koa fa, iray amin'ireo mampiaka-danja ny manodidina izany.

Mitaraina ny olona manana fiara maherin'ny 2 fa hanampy trotraka ny fitohanan'ny fiara efa miha-ratsy ao #Dhaka ny fisian'ny #Uber.

Manana fiara eo amin'ny 300 eo miasa ao Dhaka ny Uber ary miampy tsikelikely isan'andro izany.

nientanentana momba ny Uber ao Dhaka i Bakhtiyar Ashraful :

What an uber surprise! This is going to help our city.

Uber Tsy nampoizina! Hanampy ny tanànantsika izany.

Nandray fanamby goavana amin'ny fametrahana ny tolotra ao Dhaka ny Uber. Miarahaba azy ireo. Antenaina fa hahomby izy ireo.

Milaza ny Uber fa hampihena ny fitohanan'ny fiara ao an-tanàna ny tolotra. Saingy tsy niombon-kevitra tamin'izany i Solaiman Sukhon:

উবার কিন্তু উড়ে না !!
ঢাকার মহাকাব্যিক যানজটে সিএনজি,রিকশা আর উবার সবই এক.

Tsy manidina ny Uber!!
Amin'ny fitohanan'ny fiara lavabe ao Dhaka, mitovy avokoa ny kodiaran-telo, ny posy-bisiliketa ary ny Uber.

Rezaur Rahman kosa mihevitra fa ny (fiarahan'ny maro mitaingina fiara iray) no vahaolana amin'ny olan'ny fitohanan'ny fiara ao Dhaka:

I don't really understand why there is such excitement about Uber entering the Bangladesh market when it has been fully or partially banned in cities across the US, Japan, Germany, France, the Netherlands, Australia etc. for its subversion of labor laws, flouting of licensing regulations, competition and consumer laws and exposing passengers to sexual assault. Don't be seduced by the brand name or the ‘ease’ of mobility it supposedly offers.

Tena tsy takatro ny antom-piasian'ny fientanentanana tahaka izao noho ny Uber miditra amin'ny tsena ao Bangladesh kanefa voaràra tanteraka na amin'ny ampahany any amin'ny tanàna manerana an'i Etazonia, Japana, Alemana, Frantsa, Holandy, Aostralia sns izy noho ny fanakorontanany ny lalàna momba ny asa, mandika ny lalànan'ny fahazoan-dalana, ny lalànan'ny fifaninanana sy mpanjifa ary mahatonga ny mpandeha ho mora lasibatry ny herisetra ara-nofo. Aza sodoka amin'ny anarana marika na ny ‘fahamoran'ny’ tolotra lazaina fa atolony.

Misy ihany koa ny fanahiana hafa raha hahomby ao Bangladesh ny Uber. Saingy ny fotoana ihany no afaka hilaza raha tena mila tolotra taxi tsara kokoa sy azo antoka ny olona ao Dhaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.