Ho Tanterahan'i Pakistàna Ve Ny Fandrahonany Handroaka Afghana Mpitsoa-ponenana 2,5 tapitrisa ?

a

Fiverenan'ireo mpitsoa-ponenana Afghana miandry ny fisoratana anarana ao amin'ny foiben'ny Kaomisarià Ambonin'ny Firenena Mikambana ho an'ireo Mpitsoa-ponenana (UNHCR) any ivelan'i Kabul Afghanistàna. Sary nalaina avy tamin'ny pejy Facebook-n'ny Khaleej Times.

Raha toa ka voasinton'ny kirizin'ny fifindramonina tanteraka ny sain'ny tany tontolo, izay namela olona an-tapitrisany tao amin'ny sisintanin'i Eorôpa, misy kirizy kely fa mampitahotra toy izay ihany koa mihainohaino ao Azia Atsimo.

Tamin'ny voalohandohan'ity taona ity, nilazàna ireo Afghàna maherin'ny 2,5 tapitrisa mpitsoa-ponenana mipetraka any Pakistana hoe tokony hiala ao Pakistana izy ireo ary hiverina any Afghanistana.

Olana ara-pilaminana sy ara-toekarena no notanisain'i Pakistana ary nametrahany fe-potoana ho hatramin'ny Martsa 2017 ny fetra farany ho an'ny fifindramonina.

Nokihanin'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona ny fanapahankevitr'i Islamabad ary nantsoiny hoe “iray amin'ireo famerenana an-terisetra lehibe indrindra nanjo ireo mpitsoa-ponenana tato anatin'ny tantara maoderina.”

Miaraka amin'ny filaminan'ny fiarahamonina miharatsy isan'andro any Afghanistana, tsy fantatra mazava hoe karazana firenena toy ny ahoana no hiverenan'ireo mpitsoa-ponenana ireo.

Mipetraka any Pakistana hatramin'ny voalohandohan'ny taona 1980 ireo Afghana mpitsoa-ponenana, taorian'ny nanombohan'ny fananihambohitry ny Sovietika tao Afghanistana.

Ny taona 2002, nanao sonia ny fifanekena niaraka tamin'ny Kaomisarià Ambonin'ny Firenena Mikambana ho an'ny Mpitsoa-ponenana (UNCHR) sy Afghanistana i Pakistana, ho an'ny “famerenana amin'ny taniny an-tsitrapo sy am-pahamendrehana” ireo Afghana mpitsoa-ponenana.

Namerimberina nametraka fe-potoana sy nanalava io ho an'ny fialan'ireo mpitsoa-ponenana Afghana i Pakistana.

Kanefa, nanambara ny governemanta Pakistane fa noho ireo antony fiarovam-pirenena, tsy hisy ny fanalavam-potoana amin'ity indray mitoraka ity ary tsy maintsy miverina ireo Afghana.

Fiainana mafy vao mainka mihasarotra

Mampitandrina ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa efa ampiharin'ireo polisy Pakistane sy ireo manam-pahefana any amin'ny faritra sahady ireo fepetra fanerena fanarahan-dalàna sy fanararaotana mba hamoretana ireo Afghana mpitsoa-ponenana amin'ny fialàna amin'ny firenena.

Nampitombo ireo fihenjanana teo amin'i Pakistana sy Afghanistana ireo tatitra momba ireny fepetra ireny.

Araka ny Human Rights Watch, Afghana mpitsoa-ponenana 90.000 isa eo ho eo no niverina nody ny taona 2016 noho ny:

fahasarotana ara-toekarena any Pakistana (mifandray amin'ny tsy fahafahana miditra amin'ny tsenan'ny asa intsony noho ny fiharatsian'ny fahalalahana mivezivezy), antsojay, ary fampitahorana, fisamborana tsy ara-dalàna, fangalàna fananana an-tery, ary kolikoly.

Nataon'ireo polisy Pakistane antsojay sy notazoniny ireo mpitsoa-ponenana ireo, nofoanan'ireo tompon-taniny ireo fifanekena fampanofàn-tany, nofoanana ireo kaontiny any amin'ny banky sy ny karatra findainy, ary tsy navela handeha an-tsekoly sy hahazo fitsaboana izy ireo. Tsy misy fototra ara-dalàna ny amin'io hetsika famindran-toerana io.

Niantso ny governemantan'i Pakistana hamela ireo mpitsoa-ponenana hiverina an-tsitrapo any amin'ny fireneny ny Lehibe Mpanatanteraka ao Afghanistana, Dr. Abdullah Abdullah .

Mangataka an'i Pakistana sy Irana hanohana amin'io fizotry ny fiverenan'ireo mpitsoa-ponenana io izahay. Tokony an-tsitrapo ny fiverenana an-taniny fa tsy an-tery. -AA

Niantso ny governemantan'i Pakistana hanajanona ireo “fepetra fanerena sy ireo fanararaotana hafa izay mahazo ireo Afghana mpitsoa-ponenana an'aliny avy any Pakistana” ny Human Rights Watch.

Mahatsapa anefa i Pakistana fa singanina manokana amin'ny fitsikeraina izy. Tamin'ny fandraisany fitenenana tamin'ny Fivoriana an-tampon'ny Firenena Mikambana ho an'ireo Mpitsoa-ponenana ny 19 Septambra teo, nampahatsiahivin’ny praiminisitra Pakistane, Nawaz Sharif, ny vondrona iraisampirenena ny mikasika ny tsy fahampian'ny fanohanany ara-bola an'ireo mpitsoa-ponenana:

Raha nihena ny fanohanana ara-bola avy tamin'ny vondrona iraisampirenena, tsy nihena kosa ny fampiantranoan'i Pakistana.

Fifandraisana mandreraka

Ho an'ireo maro any Afghanistana, hita ho fotoana vitsy amin'ny fahavononana tsara avy amin'ilay mpifanila vodirindrina aminy sarotsarotiny ny fampiantranoan'i Pakistana ireo mpitsoa-ponenana nandritra izay fotoana ela izay.

Raha nisaintsaina ireo fifandraisana mahamay ireo, napoakan'i Ghani ny tahirin-kevitra momba an'i Pakistàna, tamin'ny fampiantranoany ireo mpampihorohoro izay nanao fanafihana tany Afghanistana, tamin'ny nanaovany sonia ny fifaneken'ireo ankolafy telo niaraka tamin'i Iràna sy India tamin'ny volana Septambra:

Misy firenena sasantsasany tsy manondrana afa-tsy asa fampihorohoroana, fa ny fanondrananay telo tonta dia fahatokisantena, fiarahamiasa, ary fahafahana mandreraka omen'ity faritra ity anay mba hanome fiainana tsara sy fahamarinan-toerana ho an'ny fanjakanay.

Tamin'ny fanombohan'ny fiandrianany, nanao fisokafana tamin'i Pakistàna ny Filoha Ashraf Ghani, mba hanatsaràna ireo fifandraisana, fa tena tsy nahomby izany.

Vao haingana, nisafidy ny tsy hanatrika ny fihaonamben'ny Fikambanan'i Azia Atsimo ho an'ny Fifanarahana Ara-paritra (SAARC) izay natao tany Pakistana i Afghanistana.

Ny volana Jiona, Bilal A. Nikyar, mpanoratra miasa ho an'ny tenany avy any Afghanistana, nanoratra mikasika ny fomba nampiasaàn'i Pakistana ireo Afghana mpitsoa-ponenana ho toy ny “karatra” tanatin'ireo fifandraisana miaraka amin'ilay mpifanila vodirindrina amin'ny mahantra indrindra:

Hatramin'ny fifanarahana momba ny tohodrano Chabahar, tsy nitsitsy fotoana mihitsy i Pakistana tamin'ny fanaratsiana, fanabantiana ary fanaovana ireo Afghana mpitsoa-ponenana ho mpisolo vaika ny ankalana amin'ireo zavatra ratsy rehetra mitranga ao amin'ny fireneny. Nandritra izany, nanao io ho ohatra voalohany amin'ny fahavononana tsaran'i Pakistana manoloana an'i Afghanistan ry zareo. Hita ho io no hany karatra eo an-tànany mba ho ampiasainy ho fanoitra eo anoloan'i Afghanistan.

[…]

Mankasitraka mandrakizay ny fahalalàhan-tànan'i Pakistana tamin'ireo Afghana mpitsoaponenana izahay. Zava-misy izany. Fa zava-nisy ihany koa ny hoe nahazo vola an-tapitrisany dolara i Pakistana nandritra ny taona maro, ho fanampiana […] noho ireny mpitsoaponenana ireny, ary zava-nisy ihany koa ny hoe nampiasa nandritra ny taona maro sy nanararaotra foana ireo mpitsoaponenana mahantra ireo koa ireo andrim-panjakàna Pakistane.

Ireo hafa milaza fa ampiasain'i Pakistàna ilay kirizinà mpitsoaponenana mananontanona mba hatao fandrika amin'ireo fifanarahana miaraka amin'i Etazonia, taorian'ny namonoan'ny drôna an'ny tafika Amerikana ilay mpitarika fahiny ny Taliban, Mullah Akhtar Mansour, tao amin'ny faritanin'i Baluchistan, ary nandàvan'ny Kaongrsy Amrikàna tsy hanome fanampiana ara-bola ho an'ilay fiaramanidina miaramila tian'i Islamabad ho vidiana.

Ao ambadik'ireo politika no misy ny fandaminana ny enti-manana sy ny zavatra ilaina. Afaka mandray ireo olona maro be hiverina ireo toy izany ve i Afghanistana? Afghana an-tapitrisany no efa niverina nody taorian'ny firodanan'ny fitondrana Taliban ny taona 2001. Vao taty amin'ireo taona faramparany no nihamafy indray ny fibodoan'ny Taliban, nampitombo ny tsy fandriampahalemana ary nanaratsy ny fahasahiranana ara-toekarena atrehan'ny firenena.

Nanazava izao ny mpanolotsaina iray ao amin'ny Ministera Afghana misahana ny Mpitsoaponenana sy Fampodiana an-taniny any Kabul:

Tsy voaomana amin'ny fandraisana Afghana maro mpifindra monina avy any amin'ireo firenena manodidiana i Afghanistana ankehitriny, noho ireo olana amin'ny fandriampahalemana sy ny tsy fahampian'ny enti-manana.

Tamin'ny fivoriana iraisam-pirenena vao haingana nataon'ireo mpanome fanampiana tany Bruxelles ny 5 Oktobra, nifamory ireo mpitondra firenena samihafa sy fikambanana iraisam-pirenena maro mba hamerina hijery ny zavabita sy ny vinan'ny governemanta Afghana ary nanavao ireo fanomezan-tokiny tamin'i Afghanistana.

Pakistana, eo an-kilany, nampanantena 500 tapitrisa dolara ho fanampiana ilay firenena tao amin'ilay hetsika. Raha mety hampihena ny fifandraisana mahamay mitombo hatrany eo amin'ireo firenena roa izany,  kely dia kely ny dikan'io raha manaraka ny fampanantenàny handroaka ireo mpitsoaponenana miisa 2,5 tapitrisa (eo amin'ny 8%-n'ny isan'ny mponin'i Afghanistana ankehitriny) mbola miaina eo amin'ny faritaniny i Islamabad.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.