Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Janoary, 2016
Nasehon'ny Karatra Paositaly Fahiny Ny Tsiaron'ny Ady Lehibe Voalohany Tao Makedonia
Natao tanelanelan'ny taona 1914 ka hatramin'ny 1918, tsy ny fampisehoana ny endrika ara-miaramila ny ady ihany no hita amin'ny sary, fa asehony ihany koa ny toerana sy ny olona tafiditra ao anatin'ny ranomodiny.
Andro Ririnina Tsy Fahita Firy Tao Taiwan
Marobe ireo mponin'i Taiwan no nanararaotra naka sary tamin'ilay heveriny fa angamba toejavatra tsara tarehy tsy ho hitany raha tsy indray mandeha eo amin'ny fiainany.
Noho ny Tranombokim-Bahoakan'i New York, Ambany Maso Ankehitriny Ny Sarin'i India Fahiny
Namoaka votoaty mihoatra ny 180.000 efa any amin'ny vala azon'ny rehetra ampiasaina ny Tranombokim-bahoakan'i New York. Afa-miditra sy mitroka ireny tahirin-kevitra ireny maimaimpoana ankehitriny ny mpamaky.
Ny Fanjavozavoan'ny Tsipika Manasaraka ny Fialam-boly Amin'ny Politika ao Shina sy Taiwan
Nalaza vao haingana tao amin'ny aterineto ny fialan-tsinin'ilay tanora mpihira K-pop iray noho ny nanofahofany ny sainan'ny Repoblikan'i Shina—izay adika ho fanohanana ny fahaleovantena Taiwaney—.
Sarin'ny Maraina Manjavona Tarafin'ny Masoandro Ao Amin'ny Renivohitr'i Myanmar Faha-Mpanjaka
Nanapika ny hakanton'i Mandalay indray maraina ambonin'ny renivohitra faha-mpanjakan'i Myanmar i Zaw Zaw.
Hanana Filoham-Pirenena Vaovao Ihany Ve I Libanona Taorian'ny Fanohanan'i Geagea An'i Aoun?
Nandray ny fanapahan-kevitra hanohana ny firotsahan'i Michel Aoun ho filoham-pirenena ny mpitarika ny Hery Libaney Samir Geagea. Hanana ny filoham-pirenena vaovao ihany ve i Libanona rehefa banga nandritra ny 20 volana ny olona tokony hipetraka amin'io toerana io?
Karatra Paostaly Fahiny Maneho Ny Fiainana Tao Vietnam Tany Ampiandohan'ny Taonjato Faha-20
Ampahany amin'ireo tahiry dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York ny karatra paostaly, izay namoaka zavatra 180.000 navadika ho dizitaly ho an'ny sehatra ho an'ny daholobe, tsy ela akory izay.
An-tsary: Manangona Siran-dranomasina Manjelajelatra Anaty Siny Ny Tantsaha Ao Myanmar
Efa maro amin'ireo mpamokatra sira ao Myanmar no nifindra monina tany amin'ny firenen-kafa mba hanana fiainana tsara kokoa Mampiseho ny fikarakarana sira manerana ny morontsiraka atsimo-atsinanan'i Myanmar ireto sary ireto.
Hojeren'i Okraina Indray Ny Fiarovana Antserasera Taorian'ny Fanafihan'ny Rosiana Ny Seranam-piaramanidina Lehibe
Nilaza ny mpitondra tenin'ny minisiteran'ny Fiarovana Okrainiana fa avy amin'ireo lohamilin'i Rosia ny fanafihana antserasera vao haingana tao amin'ny seranam-piaramanidina Boryspil.
Miverina Indray Ny Tetiandro Miboridandridan'ireo Makedoniana Ao Amin'ny Twitter
Taorian'ny fiatoana tamin'ny 2015, naverin'ireo Makedoniana mpampiasa Twitter indray ny fomba nahazatra azy amin'ny fanaovana tetiandro misy fitanjahana ho entina manao asa soa.