Hanana Filoham-Pirenena Vaovao Ihany Ve I Libanona Taorian'ny Fanohanan'i Geagea An'i Aoun?

"Hell is freezing over," quips Anthony Elghossain as he watches the Ooun-Geagea agreement playing out on his computer. Photograph shared on Twitter.

“Mangatsiaka izay ny any amin'ny helo,” hoy ny hanihanin'i Anthony Elghossain (@aelghossain) raha nanaraka amin'ny solosaina ny fifanarahan'i Aoun-Geagea izy. Saripika zaraina ao amin'ny Twitter.

Nanambara ny mpitarika ny Hery Libaney Samir Geagea fa manohana ny firotsahan'ny mpifanandrina aminy nandritra ny ady Michel Aoun ho kandidà filoham-pirenena. Midika io fifanarahana io fa mety hanana filoham-pirenena vaovao ihany i Libanona 20 volana taorian'ny fahabangan'ny olona eo amin'ny toerana.

Mpifahavalo nifanandrina i Geagea, filoha mpanatanteraky ny Hery Libaney, antoko kristiana faharoa lehibe indrindra ao Libanona, sy i Aoun, komandin-tafika Libaney teo aloha sady mpanorina ny Hetsika Tia Tanindrazana Afaka nandritra ny Ady an-trano Libaney (1975-1990). Tamin'ny 31 Janoary 1990, ny Tafika Libaney nanana an'i Aoun ho komandi-tafika no nifandona tamin'ny Hery Libaney, rehefa nilaza i Aoun fa tombontsoam-pirenena ho an'ny governemanta ny “manambatra ny fitaovam-piadiana” izay nidika fa tsy maintsy mankatò ny fahefany ho filoham-panjakana ny Hery Libaney. Nitarika fahafatesan'olona sivily an-jatony izany ady izany.

Ho fanasarotan-draharaha, lazaina i Geagea fa tohanan'i Arabia Saodita, raha mahazo ny fanohanan'ny Hezbollah kosa i Aoun, izany hoe mahazo ny fanohanan'i Iran. Raha mampanakaiky kokoa an'i Aoun mankany amin'ny prezidansa ny fanohanana, dia tsy miantoka velively ny hahazony ny toerana avy hatrany izany, satria mbola mila ny fanohanan'i Walid Jumblatt, mpitarika ny Antoko Sosialista Liampandrosoana izy, ankoatra ny fanohanan'ny Hezbollah, izay efa azon'i Aoun. Tokony hiezaka hahazo ny fanohanan'ny vondrona parlemantera hafa ihany koa izy, ao anatin'izany ny an'ny Praiminisitra Libaney teo aloha Saad Al Hariri, izay mitarika ny hetsika 14 Marsa, sady manohana ny firotsahan'i Suleiman Frangieh ho filoha. Ao LIbanona dia tsy maintsy Kristiana Marônita ny filoha, saingy tsy maintsy voafidin'ny parlemanta.

Tsy azo? Tsy irery ianao. Jereo ireto mpiserasera mizara ny fisaritahan-keviny ireto ihany koa.

Mety hampisarita-tsaina ny politika Libaney, araka ny fanazavan'i Fouad Khreis:

Aoun: Manohana ny fampitaovam-piadiana ny Hezbollah
Geagea: Manohitra ny fampitaovam-piadiana ny Hezbollah
Hariri (Saad): mpamono olona i Bashar Al Assad
Frangieh: Namako i Bashar Al Assad
Izaho: !!!!

Ao anatin'izany fifangaroana izany, misioka i Ziad Achkar:

Misy afaka manazava amiko izay mitranga ve ny ao Libanona?

Nangady tany amin'ny gazety taloha ny tonian'ny Foreign Policy ao Afovoany Atsinanana David Kenner, izay monina ao Beirota, hahazoana vaovao fanampiny momba ireto mpirahalahy mifankahala ireto:

26 taona taorian'ity lahatsoratra ity, nifanoroka ry zalahy ireto ary nanomboka fifanekena vaovao, saria Libanona.

[Miloko manga : Nitafatafa tamin'ny mpanao gazety i Geagea, ary tamin'izany no nilazany an'i Aoun ho “adala, mpandainga, vendrana tanteraka amin'ny politika”. “Aza mieritreritra ny hahavita anay. Hiady aminareo zato taona izahay”, hoy izy]
Oadray, avy namaky ireo lahatsoratra miresaka an'i Geagea-Aoun tamin'ny 1990 aho, dia tahaka ny hafahafa be an.

Maro no ankona tamin'ny filazana.

Abir Ghattas nizara ity GIF ity:

Aoun taorian'ny fanohanan'i Geagea

Ary i Lina Arabii nizara NY fotoana:

Manontany i Rami Kiwan:

Ahoana no ilazanao fa tsy taranaka Libaney ireo mpanoratra ny Game of Thrones?

Manotany tena i Halim Shebaya :

did any of the new year's astrologers predict this nomination?

Nilaza mialoha ny fisian'ity fanendrena ity ve ireo mpamaky ny kintana ?

Ndao iverenana indray ny lazain'i Achkar, izay mihevitra fa tsara raisina avokoa izay vahaolana rehetra:

Sady tsy mpanohana an'i Geagea aho no tsy mpanohana an'i Aoun, saingy tokony raisina avokoa izay rehetra mankany amin'ny fampihavanana. Tsy afa-miaina izao toe-draharaha izao intsony isika.

Na dia ilay mpihira malaza ao Libanona, Elissa, izay nisioka tamin'ny mpanjohy azy miisa 8,2 aza dia mandray tsara ity fihavanana mitohy indray eo amin'i Geagea sy Aoun:

Ela ny ela… 30 taona taty aoriana… tafaray amin'ny resaka mahasana ny firenena indray ny kristiana… Haharitra anie izany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.