Lehilahy sy vehivavy isan-karazany tao Hindòstan (India). (1823–1838) Soritsoritra nataon'i Andrea Bernieri. Saripika avy amin'ny angona nomerikan'ny Tranombokim-bahoakan'i New York.
Ireo sarin'ny olona sy toerana taloha no ahafahantsika mahatsapa ny habetsaky ny fiovan-javatra. Ny mijery ireny sary taloha ireny no manainga antsika hiverina any amin'ny andro heverina ho tsotra kokoa. Ao anatin'ireny anoloan'ny trano matsoratsora sy akanjo hafahafa ireny, rehefa mamadibadika ny sary, no ahatsiarovantsika ny fomba niainan'ny olona taloha.
Tamin'ny fanombohan'ity volana ity ny Tranombokim-bahoakan'i New York namoaka ireo votoaty na fitaovana, nivadika ho azon'ny rehetra ampiasaina, navadika ho nomerika mihoatra ny 180.000. Afaka miditra sy mitroka maimaim-poana sady afa-manambatambatra azy hampivelarana na hizarana votoaty vaovao ireo fitaovana sy votoaty voatahiry ireo ankehitriny ny mpamaky.
Anisan'ireo tahiry nomerika ireny ny sary sy soritsoritra taloha avy any amin'ny faritr'i Azia sy Pasifika Atsimo, sary mampiseho ny fiainan'ny olona amin'ny tany voazanaka tamin'izany fotoana izany ireo. Ny sary dia manome topimaso ankavitsiana ireo maritrano sy fitafianan'ny olona tao amin'ny zana-kaontinanta Indiana tsy nisaratsaraka tamin'izany fotoana izany.
Hahita lapa lehibe maromaro, izany natsangan'ny amperora nanapaka io faritra io tamin'ny vanim-potoana samihafa ianao. Angamba ianao efa nahita sary maro, saingy tsy ho tao an-tsainao mihitsy ny endriny mandra-pahatongan'ny saripika any amin'ny toerana rehetra? Andao ary hijery sary isika.
Soritsoritry ny Lapan'i Agra, jery avy aty an-drenirano (1859). Sary avy amin'ny angona nomerikan'ny Tranombokim-bahoakan'i New York.
Lapan'i Jahangir, ao anatin'ny Mandan'i Agra, izay miravaka ny fangaron'ny maritrano aziatika afovoany sy haindò. Ireo vadin'i Rajput ao Mughal, ny Amperora Akbar, izay nanangana azy, no tena nampiasa azy.
Ny lapan'ny mpanjaka tao Delhi (1859). Sary avy amin'ny angona nomerikan'ny Tranombokim-bahoakan'i New York
Miorina tao afovoan'i Delhi ny Manda Mena (Lapan'i Delhi) izay nonenan'ny Mughal amperoran'i India nandritra ny taonjato roa, mandrapahatongan'ny 857. Nivoatra nandritra ny taona maro izy io.
Nanao ahoana ny fiainan'ny olona tamin'izany? Indreto ny sasantsasany amin'ny kisarisary sy hosodoko maneho ireo mpanjaka sy ny olona manodidina azy ireo:
Mpanapaka sy vehivavy avy tao India (1876–1888). Zavakanton'i Chataignon. Sary avy amin'ny angona nomerikan'ny Tranombokim-Bahoakan'i New York
Komandin'ny mpiambina ny lapa tao Delhi (1845–1847). Sary avy amin'ny angona nomerikan'ny tranombokim-bahoakan'i New York
Zazavavy mpandihy tao an-dapan'i Rewa, India Afovoany Atsinanana, 1863–1868. Jacob Ettling mpanao sary sokitra. Sary avy amin'ny angona nomerikan'ny tranombokim-bahoakan'i New York
Vehivavy miozolomana iray avo ara-pirazanana (1823–1838). Kisarisary nataon'i Andrea Bernieri. Sary avy amin'ny angona nomerikan'ny Tranombokim-bahoakan'i New York.
Ary indreto ny sasantsasany amin'ny kisarisary sy hosodoko fanaon'ny olona tamin'izany fotoana izany:
Brahman eo am-pivavahana amin'ny maraina (1851). Day sy ny zanany mpanonta sary amin'ny vato. Saripika avy amin'ny angona nomerikan'ny Tranombokim-bahoakan'i New York
Pundit foko sokajim-poko faharoa (mpianatra ambony) 1899. Charles Laplante Mpanao sary sokitra. Sary avy amin'ny angona nomerikan'ny Tranombokim-bahoakan'i New York
Haindò tamin'ny morontsirak'i Malabar. Saripika avy amin'ny angona nomerikan'ny Tranombokim-bahoakan'i New York.
Cheetah sy ny mpitazona azy tao Jaipur (1894). Saripika avy amin'ny angona nomerikan'ny Tranombokim-bahoakan'i New York
Lehilahy sy vehivavy tao India (1876–1888). Saripika avy amin'ny Tranombokim-Bahoakan'i New York
Tamin'ny taona 1827 no nivoahan'ny saripika taloha indrindra teto ambonin'ny tany. Elaela ihany vao nahatratra an'i India nysaripika. Indreto ny sasany amin'ny saripika vitsy dia vitsy nivoaka tamin'ny taonjato faha-19 tao India:
Haindò mpanefy (Sonar) (1868–1875). Sary avy amin'ny tranombokim-bahoakan'i New York
Haindò mpanefy avy any Madras (1868–1875). Sary avy amin'ny angona nomerikan'ny Tranombokim-bahoakan'i New York.
Diljaan, Vehivavy Bazar, Saharanpoor (1868-1875) Sary avy amin'ny angona nomerikan'ny Tranombokim-Bahoakan'i New York
Ny foko Rajpoot (1868–1875). Sary avy amin'ny Angona nomerikan'ny Tranombokim-bahoakan'i New York.
Mpampandihy bibilava tao India (1897). Sary avy amin'ny Angona nomerikan'ny Tranomokim-Bahoakan'i New York.
Vehivavy mpihira an-dalambe tao India (1898). Sary avy amin'ny Angona nomerikan'ny Tranomokim-bahoakan'i New York
Ary indreto ny sehatra sasantsasany amin'ny fombafomba sy fety tamin'izany fotoana:
Ny toeram-pandoroam-paty tao Calcutta (1869–1871). Sary avy amin'ny Angona nomerikan'ny Tranombokim-Bahoakan'i New York
Mariazin'ny voanjo britanika tao India Atsimo—fiverenan'ny mpivady avy any am-piangonana (29 Janoary 1887). Sary namboarin'i Durand Simon. Sary avy amin'ny Angona nomerikan'ny Tranombokim-Bahoakan'i New York
Mariazy Haindò. Artist Edwin Lord Weeks. Sary avy amin'ny Angona nomerikan'ny Tranombokim-Bahoakan'i New York