Ity lahatsoratra nosoratan'i Hein Htet ity dia avy amin'ny Irrawaddy, tranokam-baovao tsy miankina ao Myanmar, ary navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.
Mitoetra eo amin'ny tany 1.000 hektara mahery ao amin'ny tany manakaiky ny lalana ao an-tanàn-dehiben'i Thanbyuzayat, miloko fotsy manjelatra eo ambanin'ny masoandro mingaingaina ao amin'ny Fanjakana Mon ny tanin-tsira ao Panga. Anisan'ireo karazana saha tsy mahazatra maningatsingana manerana ny morontsirak'i Myanmar izy ireo, izay angonina avy ao an-dranomasina ny vokatra.
Tokony ho lalana adiny roa miala ao an-drenivohi-panjakana Moulmein, tazana avy hatrany ireo “mpamokatra sira” mikarakara kamory lehibe fampietonana. Miasa ry zareo manomboka ny volana Desambra hatramin'ny volana Mey rehefa misy tara-masoandro ampy hampietonana ny siran-dranomasina voaangona, mba hahatonga azy ho sira.
Nokarakarain'ireo mponina ao an-toerana ny kamory lehibe, mahatratra hatreny amin'ny faravodilanitra, saingy satria nifindra nonina tao Thailandy mifanolo-bodirindrina ny maro tamin'ireo mponina teratany tao amin'ny Fanjakana Mon mba hiasa hahazo karama bebe kokoa, avy ao amin'ny vinanin'i Irrawaddy ao Myanmar ny ankamaroan'ireo mpamokatra siran-dranomasina ao Panga amin'izao andro izao.